Indray hono nisy siantifika mampitaintaina ny fianakaviany foana rehefa iny izy fa te hanamory sambo kely ⛵️ irery indray. Albert Einstein no anarany, ary tsy vitan'ny hoe siantifika fotsiny izy, fa siantifika mpamorona faran'izay kalaza indrindra.
Antsoina hoe mpamorona izy satria tsy vitan'ny hoe mamerina ny zavatra efa misy ombieny ombieny fotsiny izy fa manontany tena hoe:
- Ary ahoana moa izany ity raha atao ohatra an'izao fa tsy ilay mahazatra hatrizay?
- Ndeha hoe jerena amin'ny fomba hafa tanteraka izato ity?
- Andramako ity dia na diso aza aho tsy maninona!
- Dia avy eo ity indray koa andramako. Dia avy koa izao indray. Dia izao indray. Dia hitako eo aiza ho aiza no mahadiso ahy, dia ela ny ela mety io. Satria ohatra an'izany hatrany no hahavitana zavatra tsara sy hamoronana zavatra tsara.
Tsy siantifika fotsiny ihany i Albert Einstein fa mpitendry lokanga 🎻 mahay ihany koa, mpitaingina bisikileta 🚲 somary mahay izay, ary mpanamory sambo kely ⛵️ tsy mahay mihitsy na ny kely aza.
Samy ankafizina avokoa na ny mitendry lokanga, na ny mitaingina bisikileta, na ny manamory sambo kely.
Rehefa mitendry lokanga iny hono izy, dia tony, milamindamina ny sainy teo nikorontandrotana iny.
Rehefa mitaingina bisikileta iny hono izy, dia hita avy hatrany amin'ny endriny fa miramirana sy falifaly ery hoe fotoana mamy tokoa ho azy izany.
Fa rehefa manamory sambo kely kosa hono izy, dia matahotra avokoa ny fianakaviany manontolo.
Satria nahoana?
Satria tsy mety mahay manamory sambo kely mihitsy izy nefa dia midrikina handeha irery no sady tsy mety manao famonjirendrika 🛟.
Ary inona hoy ianao no tena loza?
Tsy mahay milomano akory i Albert Einstein.
Tsy mahay milomano 🏊♂️ izy.
Nefa dia tiany ery ny manamory sambo kely irery eny ambony rano eny, ary rehefa eny ambony rano eny izy dia lasalasa ambiroa, lasalasa ny sainy ary asa izay eritreretiny fa dia toa hadinodinony avokoa izao rehetra izao fa dia hasambarana ranoray angaha no ao am-pony ao.
Ary izao no tena mampitaintaina ny fianakaviany sy ny namany.
Matetika izy tsy mahavita miverina eny amin'ny tany intsony fa ifamonjena eny.
Ary indraindray, dia ankizy kely teny an-tanàna teny ihany no lasa mirohotra mamonjy an'i Albert Einstein very eny ambony rano eny.
Ankizy kely no mamonjy an'i Albert Einstein.
Manomboka androany izany dia fantatrao fa ny ankizy kely koa anie ka afaka mamonjy olon-dehibe.
Ary raha tsy nisy an'ireo ankizy kely ireo dia mety mbola hadino eny ambony rano eny angamba Albert Einstein amin'izao isika miteny izao.