Tsikaritrao tokoa ve fa ny fiarahamonina mampiroborobo mpanoratra toa an’i Victor Hugo, miloloha boky 📚 sy mampivelatra mpamorona 💡ao aminy araka ny tokony ho izy, dia tsy mba voazanaka moramora izany sady mandroso avokoa?
Nenitoan'ny rain'i Andy Razaf ny mpanjaka Ranavalona III. Henri Razafinkarefo no anaran'ny rainy ary maty tamin'ny gera nataon'ny Frantsay tamin-dry zareo nanafika tonga hanjanaka an'i Madagasikara io rainy io
Ny any Japana rankizy dia sady tsy atao ambanin-javatra no sady tsy atao kitoatoa ny fanabeazana fa sady lolohavina an-tampon’ny loha no iangaliana toy ny anakandriamaso