Mose Njo

62

Tokony ny mpahaisiantsa, ny mpikaroka, ny mpanabe, ny mpanakanto, ny mpanoratra, ny filozofy, ny mpandala ny arapanahy sy izay olonkendry sy malalatanana rehetra. Nohatoninay ihany ireo, nanao izay tratranay izahay fa raha nifantoka kokoa tany izahay dieny tany am-boalohany, mety nahomby kokoa

63

Vao nahare ny loza  nitranga taorian’ny 29 Martsa tany Madagasikaranao ny taty Madagasikaranay dia nanomana ny dia, somary maimaika ihany hany ka nisy kajy nilatsaka dia nianjera ny sambondanitra

64

Boky maro mikasika lafin-javatra samihafa, fikarohana, ezaka fampivoarana sy fandrindrana kokoa ny fiarahamonina, hira manaitra ny fo amam-panahy, horonantsary manaitra, fampiroboroboina ny siantsa

65

Nojereny Rabe sondriana nilalao rano nisangisangy trondro nanatsofoka ny lohany tao anaty rano, ny masony nijerijery ny manodidina ihany vonon-kamoaka sy hampiasa ny basiny avy hatrany raha ilaina.

66 (Toko IV - Angidimby nitsongo diraonina)

Variana ireo mpifankatia lalan’ny nody avy nifampitory fitiavana tamin’ny alalan’ny tononkalona poeta tsy hain-dRabe anarana nahita tovovavy olioly volo kotsan-drano nisosososo teo ambony kodiarana roa tsy azony veroka hoe ho aiza