Mose Njo

2

Nifofofofo indray ny rivotra ka nentiny lavitra ilay harona sase, nentiny nisidina iny kianjan’Ambohijatovo iny, Andohan’Analakely, Tranompokonolona, saika naviliny ho eny amin’ny Totohabaton’Antaninarenina iny nefa narosony indray ho any amin’iny Tsangambaton’i Jean Ralaimongo iny

3

Rehefa izay dia izay (nanampy kitoza teo am-bilian-dRabe izy).

4

Vetivety ihany dia nidify teny amin’ny kihon-dalana teny ambody fiakarana Rabe ka ilay tsangabato fahatsiarovana an-dRatsimandrava sisa no nobanjinin’ireto goaika sady nanongilan-tsofina toa niezaka nanakatra feo tsy hay hoe avy aiza, tsy hay hoe an’iza izato vorona.

5 (Indray alahady izay)

Ny hazon-damosiny angamba no nasainy nihaino izany hafatra izany fa ny voamasony notarafin’ny hazavan’ny tele tsy niala tany amin’ilay sarimihetsika nojereny hany ka vao dila ny reniny dia natsipiny teo amin’izay seza teo akaikiny teo fotsiny ilay pataloha.