Mose Njo

11

Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa, asa na noho ilay fony mbola taitra tsy nitony tsara nidobodoboka tsiankiato teo am-baravaran-dRafahafatesana na noho ilay satroka ba tsy matiny lolo tao am-paosiny na noho ilay sarina mompera manga

12

Dia toa ireny tsiky mambabo sendra mifanena eny an-dalana ireny tokoa ve? Manjelatra ny fo, tsaroana foana foana, ezahana tadiavina eraky ny tampon-tanety, antenaina hoe hipoitra isak’izay toerana aleha, karohana eraky ny Facebook nefa tsy hita mihitsy.

13

Nisy ra kely nitete teo amin’ny fihirifan’ilay tovovavy namonjy ny takolany, nofafany haingana tamin’ny lamba notafiany.

14 (Indro fa mingadona ny Farandro)

Mpifankatia no nividy azy, mpivady vao, tiany dia tiany ilay 4L na dia nanondrana aza matetika, nanary an-dry zareo teny ankodahoda, tao anaty oram-baratra, tao anaty fitohanandalana, tany ambanivohitra, teny amorom-parihy fa tsy nahoany loatra, fiarany voalohany, tiany sady tsy foiny.

15

Sakaiza akaiky dia akaikin'Andrianampoinimerina ity printsy Ratefinanahary ity, nankasitrahan-dRadama I fatratra sady zaodahiny rahateo, mpahay dipilomasia voalohany teto Madagasikara nanaitra ny mpanjaka an'i Angletera Georges V izay variana hoe hay tsy olon-dia izany mponina any Madagasikara