Mose Njo

16

Hontsa ny endrik’i Lisy, tsy tena hoe kotsan-dranomaso tsy akory fa nisy ranomaso tokana nikoriana teo amin’ny takolany saika nofosana.

17

Nandrehitra ny telefoniny izy, alatsinainy ny andro, nasosasosany ny rantsan-tanany, nijery Facebook izy, nijery ny rindrin'ny namany maromaro, tsy nisy resaka faharavan'Antananarivo na ny kely aza, tsy nisy resaka havandra, vain'afo mihoson-dra nandoro izay rehetra nilatsahany.

18 (Aiza no mifarana ny nofy ka manomboka ny tenaizy?)

Tsy nanohitra akory fa lasa ny fo, tsy maninona, ento ho anao, rohito, trobaro, tsongoy, anaovy izay sitraponao rehetra, afeno, itsaho, oroy, poleso, dory, atsipazo, raiso, atsipazo indray, raiso, rangoty, safoy, fihino, vimbino, ario, zahao, ario indray, zahao, fihino, vimbino

19

Ireo sary taloha miparitaka eraky ny Facebook porofo mitohaka amin’ny tenda fa nahafinaritra ery Antananarivo taloha. Nadio.

20

Dia maka servieta ny reniny, dia fafany ny lohan-dRabe sady asainy manala akanjo haingana, dia fafany ny vatany, dia fonosiny bodofotsy, dia anaovany ravimboafotsy mafana miaraka amin’ny tantely no mimenomenona ihany izy.