Mpivady manatrika ny mpijery toy ireny maka sary ireny ka ny tapany ambony no alaina

Ilay vadin’ilay mpanjono

Ilay vadin’ilay mpanjono, nosoratan'i Mose Njo
audio-thumbnail
Ilay vadinilay mpanjono
0:00
/195.153991

Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇

La femme du pêcheur
Il était une fois, un pêcheur habitant au bord de la mer qui a attrapé un gros poisson dans ses filets

Indray andro hono, nanjono teny an-dranomasina ity mpanjono ka nahazo trondro lehibe iray tao anaty harato.

"Avotsory aho", hoy ilay trondro taminy, "fa tsy hanenenanao izany. Raha tsy mihoatra ny fefy ny fangatahanao"

Dia navotsotr'ilay mpanjono, ka nony tonga tany an-trano izy dia notantarainy tamin'ny vadiny ny zava-nitranga.

"Dia naverinao fotsiny ve? Tsy mba nangatahanao zavatra akory? Mandehana miverina any, dia teneno izy hoe mila trano ngôda be aho"

Dia niverina tany ilay mpanjono, dia hoy izy tamin'ilay trondro hoe:

“Mila trano ngôda be ilay vadiko!”

Dia hoy ilay trondro hoe mandehana fa efa lasa ngôda be ny tranony.

Dia inona tokoa, lasa ngôda be ilay tranony, ary faly ery ilay vadin'ilay mpanjono.

Saingy afaka andro vitsivitsy monja, dia hoy indray izy:

"Mandehana miverina any, fa ohatra ny kely loatra amiko indray ity trano ity ka! Teneno izy hoe mila tranona mpanjaka aho!"

Dia niato kely izy, nieritreritra kely, dia nampiana hoe:

"Teneno izy hoe ataovy lasa mpanjaka aho!"

Dia niverina tany ilay mpanjono, dia hoy izy tamin'ilay trondro hoe:

“Te… Te ho lasa mpanjaka ilay vadiko!”

Dia hoy ilay trondro hoe mandehana fa efa lasa mpanjaka izy.

Dia inona tokoa, lasa mpanjaka ilay vadin'ilay mpanjono, ary faly ery izy.

Saingy, afaka andro vitsivitsy monja, dia hoy indray izy:

"Mandehana miverina any, fa ohatra ny kely loatra amiko indray izany hoe mpanjaka izany, teneno izy hoe ataovy lasa Andriamanitra aho!"

Taitra ilay mpanjono, fa tsy sahy nanohitra ny tenin'ilay vadiny izy, ka niverina tany amin'ilay trondro izy dia noteneniny hoe te ho lasa Andriamanitra ilay vadiny.

Ary hoy kosa ilay trondro taminy:

"Tsaroanao ilay zavatra noteneniko anao? Hoe tsy hanenenanao; raha tsy mihoatra ny fefy ny fangatahanao!"

Avy hatrany dia natahotra ilay mpanjono.

Nony tonga tany an-trano izy, dia hitany fa nivadika trondro ilay vadiny, ary nitaraina taminy ilay vadiny hoe tsy mety afaka hetaheta mihitsy izy, hoe tsy mety afaka hetaheta mihitsy izy.


Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar