Ny any Japana 🇯🇵 rankizy dia sady tsy atao ambanin-javatra no sady tsy atao kitoatoa ny fanabeazana fa sady lolohavina an-tampon’ny loha no iangaliana toy ny anakandriamaso. Izany anakandriamaso izany dia ilay zavatra 👁️ maintimainty na maramara na miloko hafa ao anaty maso iny.
Tsy atao ambanin-javatra ny fanabeazana any Japana.
Tsy atao kitoatoa ny fanabeazana any Japana.
Lolohavina an-tampon’ny loha ny fanabeazana any Japana.
Iangaliana toy ny anakandriamaso ny fanabeazana any Japana.
Manomboka garabola na maternelle ny an-dry zareo dia fahaizamiaina no ampianarina voalohany. Izany hoe fahalalampomba, fahaizana manao raharaha ao an-trano ihany koa, fahalalana madio, fitsipipitondrantena izay entiny miatrika ny fiainany samirery sy fiainany ara-piarahamonina iray manontolo.
Izay no mahatonga an'i Japana sady madio fatratra, no milamina fatratra, no mandroso sy miroborobo fatratra ihany koa.
Izay no mahatonga an'i Japana sy ny Japone ho fitaratra toy izany fa tsy hoe tonga tonga ho azy izany akory.
Anisan'ny toetra volena ao am-pon'ny Japone dieny ny mbola kely dia ireo Fito Hasin'ny Bosidò, ary ireto avy izany:
- MAKOTO: vanona sy madio
- ny atao hoe vanona dia honnête, na hoe olona manaja ny hitsy, ny adidy ary ny hasina
- ny atao hoe madio dia sincère na, na hoe olona tso-po tsy vandana ivoho ka hoe mody izao eo imason'ny olona nefa rehefa any ambadika any mivadika zavatra hafa
- CHU: miadidy sy tsimivadika
- ny atao hoe miadidy, dia tsy mitsoaka rehefa misy adidy fa miatrika
- ny atao hoe tsimivadika, dia olona loyal na olona manoa, manolotena ary tsy miala amina zavatra iray
- GI: mahatoky
- ny atao hoe mahatoky na intègre dia olona azo itokisana, tsy voavidy
- YU: sahisahimpanalo
- ny atao hoe sahisahimpanalo dia olona manana courage héroïque, izany hoe tsy kanosa na hoe tsy olona lâche mitsoaka ady sy mitsoaka olana lava izao fa miatrika hatrany
- MEYIO: manambaràka
- ny atao hoe manambaràka dia olona manana honneur, mifanohitra amin'ny olona afabaraka, very ny honneur, ny olona manambaràka dia manana toetra mendrika sy fitondrantena tsara
- REI: manaja
- ny atao hoe manaja dia olona mahalala fomba amin'ny hafa, malefa-pihetsika, mahafinaritra ifaneraserana
- JIN: mangoraka sy mikatsatsoa
- ny atao hoe mangoraka dia olona manana compassion na empathie amin'ny hafa, na hoe mahay mipetraka eo amin'ny toerana ny hafa
- ny atao hoe mikatsatsoa dia olona manana bienveillance na mikatsaka ny soa ho an'ny hafa
Izany no 7 Hasin'ny Bosidò, ary soa fianatra ho an'ny Malagasy ny Japone. Raha mahay ny Malagasy.
Te hahay ve ny Malagasy rankizy?
Te hahay ve ny ankizy malagasy rankizy?
Eny àry, raha tena te hahay tokoa, dia...
Inona izany no tokony atao?
Mila mianatra tsara!
Mila mianatra tsara amin'ireo izay soa fianatra efa hita fa mety ny ataony ary mety ny fitondrantenany sy ny fiarahamoniny.
Sa tsy izany?