Toy ny hoe ilay firenena iray manontolo dia voavolavola hitsinjo ny mironanaty
mironanaty: introvertie
Tamin’izaho tonga tany Japana voalohany, hoy izy, dia tonga saina aho hoe tsy tempoly fotsiny, tsy sosia fotsiny, tsy anime fotsiny. Ho ana mironanaty toa ahy, nahatsapa aho hoe toy ny paradisa izato izy.
Ao anaty lamasinina, itoeran’ny fahanginana—tsy misy olona miresaka mafy, kotaba amin’ny tsy antony, feo malefaky ny Shinkansen* malaky mamakivaky ny ambanivohitra fotsiny. Na ny tanàndehibe be kenonkenona toy i Tokyo aza, manaja ny hodidinao samirery. Tsy misy olona manelingelina anao, tsy misy mijerijery anao—afaka miaina am-pilaminana fotsiny ianao.
Ny episeria dia misokatra 24/7, ahitana ny zava-drehetra ilainao, hany ka tsy mila miresaka firy ianao dia tafavoaka. Ny milina mandeha ho azy dia misy eny rehetra eny—na hanafatra ramenina eny am-pivarotana na hividy tapakila eny amin’ny gara. Toy ny hoe ilay firenena iray manontolo dia voavolavola miaraka amin’ny mironanaty ao an-tsaina.
Fa ny nanamarika ahy indrindra, hoy ihany izy, dia ny fomba fampifandanjan’i Japana ny irery amin’ny hameva. Afaka mandeha milamina ambany andiana fototserizy 🍒 ianao, mipetraka tony amorona dobo, na miriaria manavatsava toerampanasinana nefa tsy mahatsapa tena manirery—satria ny fahanginana eny dia misy hafanana, fa tsy hoe irery ianao no tsapanao..
Ho anahy, Japana dia tsy toerana fivahinianana fotsiny ihany. Tsiahy izany hoe ny gina, ny maotina, ny mironanaty dia tsy halemena—fomba fiaina ankalazain’i Japana antsokotsoko.
(*): tambajotra ana lalamby haingampandeha any Japana
When I first set foot in Japan, I realized it was more than just temples, sushi, and anime. For an introvert like me, it felt like paradise.
In the trains, there’s silence—no loud conversations, no unnecessary noise, just the soft hum of the Shinkansen rushing through the countryside. Even in the busiest cities like Tokyo, people respect personal space. No one bothers you, no one stares—you can just exist in peace.
Convenience stores are open 24/7, filled with everything you need, so you don’t even have to talk much to get by. Self-service machines are everywhere—from ordering ramen in shops to buying tickets in train stations. It’s as if the whole country was designed with introverts in mind.
But what touched me most is how Japan balances solitude with beauty. You can walk under rows of cherry blossoms, sit quietly by a garden pond, or wander through shrines without feeling alone—because the silence there feels warm, not lonely.
For me, Japan isn’t just a place to travel. It’s a reminder that being quiet, reserved, and introverted isn’t a weakness—it’s a way of life that Japan celebrates in its own subtle way.
Nadika avy ao amin’ny pejy Wander in Japan