2008
Nifandray tanana i Mose Njo sy Jim Carrey. Gagagaga i Mose Njo satria hoy i Jim Carrey taminy:
Thank you!
Tokony izaho no nisaotra azy, hoy i Mose Njo anakampony. Satria mpankafy ny filma sy ny filalaon'i Jim Carrey hatramin'ny mbola kely i Mose Njo, ary anisan'ny fotoana nanamarika ny fiainany izato nihaona, afaka nihaino ary nifandray tanana sy niresaka kely tamin'i Jim Carrey izany.
Nefa dia hoy i Jim Carrey hoe:
Thank you!
Mandrakandroany, mbola tsy nisinda ny sain'i Mose Njo izany teny roa izany.
Tao Analakely tao ilay fotoana.
Nihaona tamin'ny mpisehatra ny tontolon'ny filma 🎥 teto Madagasikara i Jim Carrey tamin'ny 2008, fa ny tena antondiany taty dia niompana tamina fambolena, niompana tamina voly vary 🌾.
Tao amin'ny Better U Foundation i Jim Carrey, nitety firenena telo, izay tsy iza fa Malia, Haitia ary Madagasikara.
Fomba fambolem-bary iray izay no voandalana nentin'i Jim Carrey.
50% kely kokoa ny rano 💦 ampiasaina
90% kely kokoa ny voa ampiasaina
Tsy misy poizimbibikely ampiasaina
300% avo heny be izao ny vokatra avy eo
Nilaza i Jim Carrey fa hiverina amin'ny herintaona hanaramaso ny fizotran'ny ezaka ho an'ny fahaleovantena ara-tsakafon'i Madagasikara—izany hoe tamin'ny 2009.
Tsy niverina izy.
Madagasikara moa iaraha-mahita fa naka lalana hafa.
Moa i Jim Carrey koa somary efa nanomboka nisintaka ny lalao filma fa nifantoka tamin'ny lafiny artista—manao hosodoka 🎨 .
Asa hoe nisy ifandraisany tamin'ny diany taty Madagasikara ve izany safidiny izany hoe hiompana amin'ny maha artista azy kokoa?
Asa re.
Mety tsy nisy, na mety hoe kely fotsiny, fa hoy kosa Jim Carrey indray mandeha izay hoe:
Mihevitra aho hoe tokony hanan-karena sy halaza sy hanatanteraka ny nofinofiny rehetra ny olona tsirairay amin'izay hitany hoe tsy izany no vahaolana amin'ny fiainana.
Ahoana tsara hoe e?
Mihevitra hono izy fa hoe tokony hanan-karena sy halaza sy hanatanteraka ny nofinofiny rehetra ny olona tsirairay amin'izay hitany hoe tsy izany no vahaolana amin'ny fiainana.
Mahalasa saina e?
Mahalasa saina tokoa.
Sady alaivo sary an-tsaina anie hoe rakotra tanimbary sy tanimboly sy hazo fihinamboa 🍇 ity Madagasikara ity e? Izany hazo fihinamboa izany dia hazo misy voankazo.
Alaivo sary an-tsaina anie e!
Tsy hisy noana intsony 🍚.

