Indro olona iray nisongadina, loham-bahoaka nandroso tsy taitra.
Mose Njo
Writer, conceptual artist, and indie technologist, quietly building revolutions that bring Malagasy language and culture to life (according to Tedx)
Madagascar
4 min read
Prology
Zendana. Gaga. Variana. Tsy mbola nino tsara. Nitsoraka tao aty rano avy hatrany i Lisy, vonona hamonjy an-dRabe. Hamonjy azy indray. Na inon-kidona na inon-kitranga.
3 min read
1 (Toko I - Taloha kelin'ny farandro)
Tsy mba miantra ireo mpatory marainan’izao tontolo izao izany tokoa io ingahibe masoandro io na tamin’ny fahagolan-tany izany na tamin’io andro io.
4 min read
2
Nifofofofo indray ny rivotra ka nentiny lavitra ilay harona sase, nentiny nisidina iny kianjan’Ambohijatovo iny, Andohan’Analakely, Tranompokonolona, saika naviliny ho eny amin’ny Totohabaton’Antaninarenina iny nefa narosony indray ho any amin’iny Tsangambaton’i Jean Ralaimongo iny