Anisan'ny adidy amin'ny maha mpanjaka an'i Elizabeth II ny mamaky boky 📚, ary nanefy ny sainy, ny fony, ary ny fihetsiny iray manontolo izany.
Isa-maraina izy dia tsy maintsy naka fotoana namaky lahatsoratra, raharaham-panjakana, sy boky.
Eto amin'ny sary izy mamaky boky miaraka amin'ny zanany, printsesy Anne tamin'ny 1957. Mampita an-janany ny fitiavana boky.
Ny printsesy Anne moa dia tonga taty Madagasikara tamin'ny 2017, 60 taorian'io sary io, nanamarika ny fankalazana ny faha 200 ny Fifanarahana teo amin'ny Fanjakan'i Angletera sy Fanjakan’i Madagasikara, tamin'ny 1817. Tamin'io taona 1817 io ihany koa:
- no nofoanana ny varotrolona taty Madagasikara,
- no teraka ny abidia malagasy amin'ny endriny ankehetrio,
- no nijoro ny sekoly nirian-kisokatra ho an’ny zaza malagasy rehetra, na iza na iza, na avy aiza na avy aiza, na lahy na vavy, ary nanomboka tao an-dapa izany
Tsy nanakana ny printsesy Anne tsy ho aty Madagasikara tamin’ny 1817 ny pesta, izay namely mafy taty Antananarivo tamin'izany.
Satria tsy kanosa ny printsesy Anne, ary noraisiny ho adidy tsy maintsy ataony izany.
Voataiza tao anatin'ny boky izy, ary ny reniny Elizabeth II no nampita ny fitiavam-boky taminy. Tsy tamin'ny alalan'ny vava fotsiny, na baiko, fa tamin'ny alalan'ny ohatra, nanome ohatra velona izy, ary tamin'ny alalan'ny fitiavana, ary tamin'ny alalan'ny fitiavana boky
Tsy ny teneniko no ataony, fa izay ataoko no ataony!
Gidro gidro kely manarakefa boloky boloky kely mamerina izay am-bava hono ny olombelona, hany ka zava-dehibe loatra ny fitondrantena.