Lahy antitra misolomaso miarina eo ambony fandriana ao anaty efitrano

Ikotofetsy sy Imahakà - 5) Zarazarao hahazoana ny harenany

Ikotofetsy sy Imahakà - 5) Zarazarao hahazoana ny harenany, nosoratan'i Mose Njo
audio-thumbnail
Zarazarao hahazoana ny harenany
0:00
/202.156009

Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇

Ikotofetsy et Imahakà - 5) Diviser pour mieux s’accaparer leur fortune
Il était une fois un monsieur très riche qui était très très malade.

Indray andro hono nisy mpanankarembe iray izay efa narary mafy.

Fantatr'Ikotofetsy sy Imahakà izany ary nitsiry ny tetidratsy tao an-dohany.

Ndao halaintsika ny harenany rehetra

Hoy Ikotofetsy tamin'Imahakà.

Mety mihitsy izany! Ka ahoana àry ny hatao?

Hoy Imahakà.

Resahintsika ilay mpanankarembe, dia handaingantsika izy momba ny zanany. Lazaintsika fa ireo zanany ireo mihitsy no maniry izay hahafatesany
Dia hino an'izany ve izy?
Tsy dia sarotra izany. Efa tsy dia ao loatra intsony ny sain'ilay ingahibe

Dia nitsiky ratsy Imahakà. Fa hoy kosa Ikofotetsy nanohy ny resany:

Fa ny zanany izao no tsy haiko hoe ahoana no hanaovana azy
Ndao hampiadiana amin'izy samy izy ao ihany

Hoy Imahakà.

Dia nitsiky ratsy Ikotofetsy sady niteny hoe:

Marina izany. Ilay ingahibe mpanakarembe hataontsika mankahala ny zanany, moa ireto zanany hataontsika miady amin'izy samy izy ao ihany

Dia nihomehy Ikotofetsy sy Imahakà. Ary rehefa avy nihomehy teo, dia hoy Imahakà tamin'Ikotofetsy:

Fa misy zavatra tsy azoko
Inona no tsy azon'ialahy?
Dia rehefa vita izay, rehefa mikorontana ry zareo, rehefa miady an-trano, dia ahoana no hahazoantsika ny harenany?
Mbola tsy haiko

Hoy Ikotofetsy.

Mbola tsy hain’ialahy? Ka raha mbola tsy hain'ialahy dia inona fotsiny no antony hanaovantsika an'izany?
Rehefa mikorontana ry zareo, rehefa miady an-trano, dia tsotra kokoa amintsika ny hahazo ny harenany. Tsy tadidin'ialahy angaha ilay fitenena hoe: Zarazarao hanjakana?

Dia lasa saina Imahakà hoe fetsy ratsy ity Ikotofetsy ity sady nieritreritra izy ahoana no hataony hisolokiana an’Ikotofetsy any aoriana any.

Ikotofetsy sy Imahakà - 6) Ilay mpanankarembe sy ilay fasana | Lisy 1817
Indray andro hono, henon’Ikotofetsy sy Imahakà fa maty ilay mpanakarembe anankiray

Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar