Lisy

5 (Indray alahady izay)

Ny hazon-damosiny angamba no nasainy nihaino izany hafatra izany fa ny voamasony notarafin’ny hazavan’ny tele tsy niala tany amin’ilay sarimihetsika nojereny hany ka vao dila ny reniny dia natsipiny teo amin’izay seza teo akaikiny teo fotsiny ilay pataloha.

6

Ny taona 1889 kosa no nampitondra ny taratasy tamin-dRainilaiarivony tao Ambohimanoro Ranavalona III rehefa nanorina ny fiangonana Saint Laurent tao rizareo.

7

Tsy nampoizin’ireo izay nanorina an’io tonelina mampitohy an’Ambohijatovo amin’ny faritra atsinananan’Antananarivo io mihitsy koa tamin’ny 1938 hoe afaka taompolo maromaro aty aoriana, rehefa rava ny Mandan’i Berlina, dia hisy fiara

8

Nakipilin’ny rivotr’ilay takisiabe ny sangany, vao mainka nikorontana ny volony, toy ny an’ny Lucky Luke raha nanao soribilana fa tsy nahalala fihogo fotsiny.

9

Toy ny kimiaramila filalaon’ny ankizy kely ny fahitan’i Lisy ny haben-dRabe sy ny reniny ery lavitra azy ery, midina ny Lalana Tsiombikibo hamonjy ny Tranovato Ambatonakanga.