Lisy

20

Dia maka servieta ny reniny, dia fafany ny lohan-dRabe sady asainy manala akanjo haingana, dia fafany ny vatany, dia fonosiny bodofotsy, dia anaovany ravimboafotsy mafana miaraka amin’ny tantely no mimenomenona ihany izy.

21

Niezaka niantso izy nanao hoe: “E!” saingy tsy nahaloa-peo fa ny vavany fotsiny no nisokatra ary ny endriny no niketrona, nanontany tena hoe nankaiza ny feony.

23

Saron’ny vaovao maro samihafa mibosesika amin’ny radio sy ny tele koa moa ny karazam-baovao mahaliana hany ka tsy fantatra hatramin’ny fisiany ary tsy fantatra akory raha tsy elaela.

24

Raha nisy olona nitazatazana tany ivelany, tany alatrano, dia gaga sy talanjona nanontany tena hoe mba inona koa izato jirojiro mavokely hafahafa etsy am-baravarankelin’ireto olona ireto izany.