John Steibeick, saritanana, miloko manga, mena ary fotsifotsy

Taratasy nosoratan'i John Steinbeck ho an'ny zanany izay vaky fo

John Steibeick, mitsikitsiky

New York
Novambra 10, 1958

Ry Thom:

Voarainay ny taratasinao maraina io. Hovaliako izany amin'ny fijeriko, ary mazava ho azy fa i Elaine koa dia hamaly amin'ny fijeriny. Aza mamela olona na ny iray aza manivaiva izany fahatsapana izany.

Voalohany indrindra—raha raikipitia ianao—tsara dia tsara izany, anisan'ny zavatra tsara indrindra mitranga amin'iza n'iza izany.

Faharoa—Misy isan-karazany ny fitiavana. Ny iray dia fitiavantena, haratsiantoetra, hatendana, mampiasa ny fitiavana hanamboniana ny tenany. Marikoriko ireny ary tsy hahavitana n'inon'inona. Ny anankiray hafa kosa dia mampiboiboika ny zavatra tsara rehetra avy ao anatinao ao—hatsarampanahy, fitsinjovana ny hafa, fanajana—ary tsy fanajana ny fiarahamonina manoloana ny henamaso fotsiny fa ny fanajana lehibe izay manaiky ilay olon-kafa ho tokana an-Tany ary sarobidy fatratra.

Ilay karazany voalohany dia mankarary anao sy manetry anao ary mampalemy anao, fa ilay faharoa kosa dia afaka mampitsiry avy ao anatinao hery, risipò, hatsarampanahy, eny, na fahendrena izay tsy azonao veroka akory aza ny fisiany.

Hoy ianao tsy fitiavan'adolatsento fotsiny ilay izy. Raha lalim-paka toy izany ny tsapanao—mazava ho azy fa tsy fitiavan'adolatsento fotsiny.

Fa mihevitra aho hoe tsy ny zavatra tsapanao no anontanianao ahy. Ianao mahay izany noho ny hafa. Ny fanirianao hoe hanampiako anao dia ny hoe ahoana ny atao amin'izany—ary izany dia azoko lazaina aminao.

Raiso toy ny fahasoavana aloha izany, mifalia ary ankasitraho.

Ny kendren'ny fitiavana dia ny tsara indrindra sy ny meva indrindra. Miezaha mba ho mendrika izany.

Raha tia olona ianao—tsisy maharatsy ny itenenana an'izany—tsarovy fa misy ny olona saronkenatra izaitsizy ary indraindray ny fomba ilazana aminy dia mila mifandraika amin'izay hasaratonkenatra izay.

Ny tovovavy dia manana fomba ahafantarana sy ahatsapana ny tsapanao, fa amin'ny ankapobeny mahafinaritra anazy ny mahare an'izany ihany koa.

Indraindray ny fitia tsy mifamaly noho ny antony manokana na hafa—fa izany akory tsy midika hoe tsy manan-danja ny tsapanao na tsy tsara.

Farany, haiko ny tsapanao satria tsapako ihany koa izany ary ravo aho hoe mahatsapa izany ianao.

Haharavo anay ny hihaona amin'i Susan. Mandrosoa an-trano hoe. Fa i Elaine no mikarakara ny zava-drehetra satria taranjany izany ary haharavoravo anazy rahateo. Mahay momba ny fitiavana ihany koa izy ary angamba hainy ny hanome torohevitra mahomby kokoa noho ny nataoko.

Ary aza kivy raha resy. Raha mety io, dia mitranga—Ny zava-dehibe dia tsy maimaika. Tsisy zavatra tena hoe tsara aminao handositra izany.

Fitiavana,

Da


John Steinbeck moa dia mpanoratra amerikanina anisan'ny andrarezina indrindra, nahazo ny Loka Nobel Literatiora tamin'ny 1962.

Mose Njo

Mose Njo

Writer, conceptual artist, and indie technologist, quietly building revolutions that bring Malagasy language and culture to life (according to Tedx)
Madagascar