Victor Hugo miampofo ny zafikeliny manondro fitoerana labozia eo ambony latabatra

Victor Hugo, 2 tapitrisa ny olona nandevina azy

Victor Hugo sy ny zafikeliny

Ny 22 mey 1885 no nodimandry i Victor Hugo, mpanoratra anisan’ny kalaza indrindra frantsay.

83 taona izy io nodimandry io.

Tamin’izy mbola kely, dia anisan’ny nahafinaritra azy ny nikarenjy irery tany anaty ala tany ary indray mandeha izy, inona hoy ianao fa dia nifanena tamina amboadia 🐺.

Dia nitsoaka àry ve izy?

Tsy nitsoaka izy fa variana, dia ela ny ela, lasa ilay amboadia.

Eny e, mety tsy tena nitranga izay tantara iray izay fa ny azo antoka dia manana toerana manokana ao amin’ny soratr’i Victor Hugo ny amboadia ary nahafinaritra azy fatratra ny zavaboary sy ala 🌳.

Ny azo antoka ihany koa dia nankafy nilalao niaraka tamina ankizy kely izy ary indray mandeha izay, hariva tontolo izy nilalao niaraka tamina ankizilahy kely izay, tsy ankiafina no nolalaovina na fanenjika fa liona 🦁 , mody nanao liona Victor Hugo. Faly ery ilay ankizy kely nitantara an-dreniny an’izany, sady hoe nobaben’i Victor Hugo izy nody ka hatrany an-trano.

Anisan’ny ankafiziny ihany koa ny nampilalao ireo zafikeliny. Rehefa ao an-jaridaina izy dia manao sary sikotra amin’ny langomofo.

Izany langomofo izany dia chapelure, izay potipoti-mofo maina matetika hosorana amin’ny akoho na kotoleta ka manome akoho pane na kotoleta pane.

Indraindray amin’ny tanimanga no anaovan’i Victor Hugo sary sikotra ho an’ny zafikeliny ary matetika mamorona karazana kilalao 🀄️ kely izy ampianariny ireo zafiny hanavaka ny tsara sy ny ratsy.

2 tapitrisa no olona niara-nizotra mangina nandevina an’i Victor Hugo ny 2 jiona 1885 ary asa hoe firy tamin’ireo no ankizy.

Tao amin’ny Panthéon tao Parisy izy no nalevina.

Izany Panthéon izany dia fasana natokana ho an’ireo olomangan’ny tantaran‘i Lafrantsa 🇫🇷, ary izany olomanga izany dia sady olomalaza no olomarina no olona namela mamy manokana ho an’ny fiarahamonina.

Olomanga i Victor Hugo, ary hatramin’ny ankizy kely nifanena taminy dia nitazona azy tao am-pony avokoa, toy ireo rehetra mahalala azy na namaky ny bokiny.

Ary izao tokoa:

Tsikaritrao tokoa ve fa ny fiarahamonina mampiroborobo mpanoratra, miloloha boky 📚 sy mampivelatra mpamorona 💡ao aminy araka ny tokony ho izy, dia tsy mba voazanaka moramora izany sady mandroso avokoa?

Ny sasany aza tsy vitan’ny hoe tsy moramora voazanaka izany fa lasa nanjanaka mihitsy.

Eny e, tsy izy rehetra kosa aloha no lasa nanjanaka na izany aza fa izy rehetra nampiroborobo ny boky tsisy moramora voazanaka na ny iray aza.

Na ny iray aza.

Jim Carrey nitsidika an’i Madagasikara, hanosika ny voly vary
Fomba fambolem-bary iray izay no voandalana nentin’i Jim Carrey taty Madagasikara tamin’ny 2008 50% kely kokoa ny rano ampiasaina 90% kely kokoa ny voa ampiasaina Tsy misy poizimbibikely ampiasaina 300% avo heny be izao ny vokatra avy eo
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar