Tsy azony an-tsaina mihitsy na ny kely aza hoe inona ity ao an’efitrafandriany.
TOKO II - TOKELAKA NOTSONGAINA
TORAN’NY HEHY RABE NIJERY NY SARIN’ILAY NAMAN’NY NAMANY niakanjo ba nefa ny andro migaingaina ary mitazona Coca-Cola toa hisotro azy nefa ilay izy efa lany no mbola manao tarehy tsy mifanalavitra an’ilay mpanao hatsikana anglisy Mr Bean.
Afaka andro mihitsy Rabe vao mahazo Facebook ary ny androatokom-piainany dia saika ao foana, tsy azony mihitsy aza ny ainy rehefa any amin’ny toerana tsy mahazo internet na rehefa lany ny baterian’ny telefoniny na ny fahana. Asa hoe nahoana loatra fa sady mandrotsirotsy azy mihitsy angamba ilay Facebook satria mazàna izy renoka am-pitoerana eo, ny telefoniny mbola eny an-tanany, ny efijery mbola eo amin’ny Facebook, izy efa miesona, ny lohany any amin’ny tongompandriana, ny tongony ao ambany ondana. Koa tsy ela dia niverina indray ny nofiny. Zavona. Nanofy zavona indray izy saingy tamin’ity indray mitoraka ity, tsy nandrakotra azy ilay zavona fa teo ambaniny kosa. Nihelohelo teo ambaniny teo. Tsy dia nazava tsara taminy hoe inona loatra ity ataony nanidintsidina niadana teo ambony zavona fa toa ohatra ny nanidina am-pitoerana tsy hay hoe handroso tsy hay hoe hihemotra toy ny angidina izany izy. Tazany kosa i Lisy. Nanome lamosina azy. Na tsy hitany aza ny endriny, fantany fa tsy iza tsy iza io olona io fa i Lisy ihany.
Nanakaiky azy i Lisy, tsy nihetsika anefa izy ary i Lisy koa tsy nihetsika fa toa nihakely tsotra izao fotsiny ny elanelana nanasaraka azy, ny zato metatra lasa dimampolo, ny dimampolo lasa folo ny folo lasa iray ary efa azon- dRabe nokitihana kely ny sorony raha tsy nisy feo hafahafa nanaitra azy indray. Tsy ilay telefoniny akory, fa feo hafa dia hafa mihitsy.
Nitraka tsimoramora ilay Zavatra.
Feo hafahafa no ren’ny sofin-dRabe tamin’ny voalohany. Feo nikarainkondraikona tsy azony veroka mihitsy hoe mba inona loatra. Izy rahateo moa mbola somary rendremana teny antsefatsefan’ny torimaso sy ny fifohazana teny ka asa loatra hoe nahoana fa ny feo reny na ny feo vokatry ny sainy dia toy ireny antsoantson’ny olona re eny anelakelantrano ireny manao hoe:
Tavoahangy na kapoaka na nestle vidiana ô!
Tsy azony an-tsaina mihitsy na ny kely aza hoe inona ity ao an’efitrafandriany.
