Saron’ny vaovao maro samihafa mibosesika amin’ny radio sy ny tele koa moa ny karazam-baovao mahaliana hany ka tsy fantatra hatramin’ny fisiany ary tsy fantatra akory raha tsy elaela.
Nefa tsy nisy nifandraisany tamin’izay mety feon’olona mivarotra kapoaka mihitsy ilay feon’ilay Zavatra nitraka teo an-joron-tranony.
Ary tsy izany ihany koa no tena nampihiratra ny masony fa ilay rahona kely mavokely nitsitapitapy teo ambony lohany. Mety hahagaga ihany angamba hoe ahoana koa no hampisy rahona ao an-trano izany, mety sarotra ny hino izany.
Marina tokoa izany, sarotra inoana tokoa. Saingy izao, misy mpanakanto iray izay, Berndnaut Smilde no anarany, ary avy any Holandy izy, nahavariana an’izao tontolo izao ny sangan’asany izay tsy inona fa rahona ao an-trano.
Eny, rahona mitsingevana ao an-trano no foronin’ity mpanakanto iray ity, alainy sary, ary tsy fantatro mihitsy mandraka ity ny androany anoratako izao tantara izao raha nisy fifandraisany tamin’ity rahona kely mavokely tao an’efitrafandrian-dRabe ity io Berndnaut Smilde io sa tsia. Mbola tsy fantatro izany fa ny azoko antoka kosa dia maro dia maro—ary ireny efa tsikaritra ireny ihany—ny tranga mahavariana dia mahavariana izay sarotra inoana tokoa nefa tena misy. Na izaho mitatitra izany aminao aza mbola tsy tonga saina tsara saingy maro loatra koa ireo tranga taloha tsy nampino ny maro nefa nandeha ny andro, ny volana, ny taona toa saika voamarina avokoa.
Saron’ny vaovao maro samihafa mibosesika amin’ny radio sy ny tele koa moa ny karazam-baovao mahaliana hany ka tsy fantatra hatramin’ny fisiany ary tsy fantatra akory raha tsy elaela. Ary ny mahalasa ny saiko koa ao anatin’izany rehetra izany dia izao: raha nisy niteny ve ny Ntaolo roa arivo taona lasa tany hoe ny hafatr’ilay tovolahy Jiosy zanaka mpandrafitra toa tsy ahoan-tsy ahoana loatra tany Afovoany Atsinanana antsoina amin’ny anarana hoe Jesoa (na Jesosy) anie ka tsy hisy izay tsy hahafantatra azy izao tontolo izao ary hanaraka ny finoany mihitsy aza ny ankabeazan’ny Malagasy afaka roa arivo taona, hino izany ve ny Ntaolo? Raha nisy niteny indray ve Radama I roanjato taona lasa hoe tsy ny zanany naterany, tsy ny zafikelin’Andrianampoinimerina rainy no handimby azy fa iray amin’ireo vadiny, ilay tsy dia be teniteny efa nahazoazo taona tsy nihofana sady tsy nofanina hanjaka sy hitondra, tsy nahay namaky teny sy nanoratra akory no handrombaka ny fahefana mandritra ny telo amby telompolo taona ngarangidina ary tsy ho anisan’ny tafika matanjaka indrindra sy tsy ho anisan’ny lasa lavitra indrindra amin’ny fianarana sy ny fandrosoana i Madagasikara afaka roanjato taona na dia aty amin’ny faritra Ranomasimbe Indianina sy Afrika fotsiny aza, hino ve Radama I? Raha nisy niteny ve ireo liana haitao roampolo taona lasa hoe ity Madagasikara anisan’ny nampiditra internet voalohany tao aminy teo an-Tany ity anie ka hilaozan’ny firenen-kafa rehetra, tsy hahavita hanaparitaka izany eraky ny faritry ny nosy akory ary tsy vitan’izay fa anisan’ny lafo indrindra eto an-tany ny vidin’ny internet raha ny an’ny hafa midina tsikelikely, hino izany ve ireo liana haitao tamin’izany? Eny e, ity farany kosa aloha mora inoana kokoa rehefa mijery ny toe-draharaha sy ny rivotra mitsoka fa izao indray aza, tsy maka vanimpotoana lavitra fa amin’izao fotoana izao ihany: raha misy miteny ve ny mponina any anaty ala lavitra tanàndehibe sy ny fihazakazaky ny fandrosoana any hoe amin’izao fotoana izao saika ny olona rehetra dia afaka mijery izay toerana rehetra tiany jerena eto ambonin’ny tany sy any an-danitra any, tsy mila mihetsika mankaiza, tsy mila mihinana na misotro inona na manatona an’iza amin’ny alalan’izany atao hoe Google Earth izany, raiso ohatra hoe ny Mikea—raha mbola misy miangana izy ireo—dia hino izany ve ireo mponina ireo?
Tsy dia tena hoe mifandray mivantana amin’ny tantaran’i Lisy sy Rabe ilay fanoharana, misy zavatra tsy mampino ihany aloha ny zavatra nitranga saingy, etsy kely ange, araka ny tenin’i Basilide Rahidy izay manao hoe:
Ny fanoharana dia misy zavatra kendrena ary tondroi-maso. Ny fananarana avy amin’ny fanoharana moa dia tahaka ny ranon’orana avy amin’ny rahona ka tsy misafidy olona na zavatra ilatsahana fa izay tandrifiny ihany no voany.
Ary eo amin’izay resaka rahona izay indrindra, nisy rahona nanelingelina an-dRabe tao an’efitranony tao. Namirapiratra sahabo telo metatra teo ambony fandrianany. Nanjelatra. Nipika. Nanjelatra. Nipika. Nanjelatra. Nipika. Toy ireny jirom-piarakodia mitsitapitapy manondro hoe ho any ankavanana na ho any ankavia ireny. Rahona hafa kely. Sady tao an-trano no mavokely no nitsitapitapy teo ambonin-dRabe tsy takatra raha tsy nitsambikina.
Nihaodihaody teo amin’ny valindrihana ilay rahona, nony kelikely, nijanona, nitoetra teo ankavanan’ilay takamoa. Nikoso-maso Rabe. Indray. Indroa. Intelo. Efa nanondro sasakalina ny famataranandron’ny telefoniny teny an-tanany vao nokitihany kely. Ilay famataranandro niantona tery amin’ny rindrina nifanila tamin’ny varavarana moa efa ela no maty. Hadinony foana ny nanolo ny vatoaratra na dia efa folo hafatra aza ny reniny. Rahampitso hosoloiko hoy izy, rehefa avy eo hataoko, izany foana… Nakopaky Rabe ny bodofotsiny. Somary niketrona kely izy, lasa saina vetivety raha nahatsiaro ilay torimasony tapaka kely teo, raha nahatsiaro ilay hazavana nitsitapitapy teo ambony lohany saingy vetivety teo dia nisolo tsiky vinany izany vao tazany avy lavitra hoe injay fa niverina ny torimasony, injany ny varavaramben’ny tontolon’ny nofy fa hisokatra indray. Varavaram-be rako-javona. Zavona nitsitapitapy. Zavona mavokely. Tampoka teo. Nisy tsela-kazavana tokana nidorehitra nandrakotra ny efitranony iray manontolo. Voarirotra ilay torimasony saika niverina ary teo vao tena taitra Rabe. Toy ny filasina fakantsary naningana tao anatin’ny haizin-kitroka ilay tsela-kazavana tokana.
Maka sary Andriamanitra!
Izany no vazivazin’ireo ankizy kely niara-lehibe tamin-dRabe rehefa avy be iny ny orana, leony nanadala azy izy ireo, ary ny kotro-baratra sy ny hehiny sisa no nanaingo ny tany aman-danitra.
Saingy sady tsy filasina fakantsary no tsy tselatra no nahajambena ny mason-dRabe sy nanaitra azy tamin’ny torimasony vao saika nitsiry fa tsela-kazavana nandrakotra ny tontolon’ny hita maso, tsela-kazavana nandrirotra azy teo am-baravaran’ny tontolon’ny nofy, tsela-kazavana teraka tao anaty haizina, tsela-kazavana zanaky ny haizina, tsela-kazavana nanaitra ilay natory, nanaitra azy natory.
