Raha nisy olona nitazatazana tany ivelany, tany alatrano, dia gaga sy talanjona nanontany tena hoe mba inona koa izato jirojiro mavokely hafahafa etsy am-baravarankelin’ireto olona ireto izany.
Vao niverina ny sain-dRabe, avy izy dia nivarahontsana.
Napetrany tsimoramora teo an-tsisim-pandriana ilay telefonina dia naka an’ilay baka pilesy sy ilay harona kely misy ireo kanety balany tao ambany fandriana izy. Nofihininy ilay baka pilesy sady tany amin’ilay rahona teo ambony lohany ny masony. Nitselatra fanindroany ilay rahona. Narovan-dRabe tamin’ny tanany haingana ny masony. Raha nisy olona nitazatazana tany ivelany, tany alatrano, dia gaga sy talanjona nanontany tena hoe mba inona koa izato jirojiro mavokely hafahafa etsy am-baravarankelin’ireto olona ireto izany. Saingy tsy nisy nahita ilay izy. Saka sendra nandalo no nahatazana fa tsy nisy noraharahiany izany fa ny lalany no nozoriny. Saika nitovy loko tamin’ny mason-dRabe tera-kovitra ny fitselatr’ilay rahona. Ranomaso tokana no nikoriana teo an-takolaky Rabe very hevitra tanteraka hoe inona izany zava-manjo azy izany, inona ity rahona ato an’efitro ity.
Nofafany tamin’ny tanan’ny akanjo mandriny ilay ranomaso nikoriana. Avy eo, nokendreny tamin’ilay baka pilesiny ilay rahona. Nangovitra ny tanany ary nisefosefo izy, zara raha nahazo aina.
Sohihina.
Nitsakoahina.
Nikohoka.
Nifangaro tao daholo. Niezaka mafy izy nitana ny fitoniana, niaina milamina, fa herim-po very maina ny ezaka nataony ka hany sisa hitany hoe nety, nofahanany ilay pilesy, nofahanany kanety ary nokendreny araka izay tratran’ny tanany nangovitra ilay rahona. Vetivety teo, saika votsotra ilay pilesy teny an-tanany satria nikorontana tampoka ilay rahona ka nitsamboatra Rabe. Nikorontana am-pitoerana tsy dia ela ilay rahona dia avy eo nipika tsy nirehitra intsony. Lasa ny hazavany. Maizina tanteraka indray ny efitranofandriana ka tsy tazany intsony hoe nankaiza ilay rahona teo fa nanombana fotsiny izy eo tsy nihetsika firy izato izy ka notanany teo fotsiny ilay pilesy. Nitsabotsabo sisa no azony nataony. Nihamafy ny sefosefon-dRabe. Ilay rahona moa tsy nankaiza tsy hoe nandao fa nody nitony fotsiny nialohan’ny tena hotakotaka, nitampify tao anaty haizina, niray tamin’ny haizina, nanao tsy ankihetsika nanao ankiafina. Tsy nisy fomba nahafantaran-dRabe koa tamin’izay hoe ilay Zavatra nitampify tery an-joro-trano mbola tsy tazany akory anie no nandrasan’ilay rahona. Raha fantany angamba ny fisian’izany, tsy naharay lamba teo Rabe fa nipararetra tsy azo natao na inona na inona.
Poatoizay nefa, tsy ela akory. Nikiakiaka Rabe.

