25

Tany amin’ny tsy izy indray anefa izany no nifatratra ary ny tena nanampy trotraka an’izany rehetra izany, voahitsaky Rabe ilay peta-drindrina voatifiny teo nisy soratra hoe Kurt Cobain dia nisolifatra izy.

audio-thumbnail
II25
0:00
/295

Ren’Antananarivo iray manontolo angamba izay kiakiakany izay, ary mety tsy sarin-teny aza raha nisy kely satria kiakiaka maranitra fatratra no naloaky ny vavany, kiakiaka zara raha voajanahary avo feo tsy tratran’ny piano tendrena.

Nihetsika tsinona ilay rahona. Nidina tsimoramora, tsy nitapitapy intsony fa nihanidorehitra nihanidorehitra. Ampoka ny fahatairan-dRabe hany ka tonga dia norarafany tamin’ny pilesiny ka nasesiny teo izay kanety rehetra nananany tsy voaisa intsony hoe firy marina moa. Nitifitra ambony izy. Namahana. Nitifitra ambany. Namahana. Nitifitra teny rehetra teny sady namahana teny rehetra teny. Mahavariana hatrany ny zavatra mety ho vitan-draolombelona rehefa taitra iny izy, rehefa ny ainy na ny ain’ny olona akaikin’ny fony no ahiana. Toy ilay tantara malaza dia malaza mikasika ilay renim-pianakaviana nahavita nanainga fiarakodia firy taonina satria toro tao ny zanany. Ka voatifitry Rabe daholo angamba ny zava-drehetra tao an’efiny tao afa-tsy ilay rahona. Ny lalimoara goaka kely, ny takamoa nipatitaka, ny gitara nijoro teo akaikin’ny varavarankely nipitika ny tadiny, nanome la, nanome sol, nivalana, nisavoritaka, ny vata teo an-tongom-pandriana, nisy triatra kely, ny birao feno dian-kanety, ny latabatra, toraka izay, ny seza tsy nisy valaka, ilay mpihira amerikanina mivolonkatsaka mifoka sigara mitendry gitara kavia nipeta-drindrina tao an’efiny goaka teo amin’ny faritry ny lohany, toy ny hoe voatifitry ny basy, avy eo niraraka tamin’ny tany ilay peta-drindrina toy ny hoe solafaka izany ilay mpihira vao 27 taona monja. Ilay rahona tetsy andaniny tsy rototra, tsy naninon-tsy naninona, tsy voa akory. Najanon-dRabe kely ny fitifirana, notsapainy ilay haron-kely, iray tokana monja sisa ny balany, ilay rahona nanakaiky ny zoron-trano ary mbola tsy azon-dRabe an-tsaina hatrany hoe ilay Zavatra anie no natoniny.

Nalainy ilay sisa kanety, nofahanany, nokendreny tsara ilay rahona, nitana aina izy mba tsy hampangovitra ny tanany, rehefa azony antoka fa ao kosa izany dia navotsony ny tanany, lasa ilay kanety sady nitsambikina avy teo ambony fandriana Rabe saika hizakazaka hamonjy varavarana saingy nifangitotra tamin’ny bodofotsy nisy sarin’i Bob ilay Siponjy ny tongony ka niankarapoka avy hatrany. Nitontona tamin’ny gorodona ny lohany saingy tsy dia tena reny narary loatra akory noho ny adirenalinina nikoriana tao aminy, noho izy maika hitsoriaka loatra ka hadinon’ny sainy hatramin’ny nahare narary angaha.

Nitaditady ilay pilesy Rabe, namafa gorodona ny tanany, dia niarina nalaky nony voarainy. Natsipalony kely tany amin’ilay rahona ny masony, efa mena nidorehitra izaitsizy  ilay mavokely saika nahafatifaty teo raha tamin’ny fotoan-kafa no nahitana azy. Nibitaka hadalana. Vao mainka nikoropaka Rabe ary saika hitifitra indray vao nahatsiaro hoe efa lany kanety izy. Ny hany sisa nataony, natorany ilay pilesy. Tany amin’ny tsy izy indray anefa izany no nifatratra ary ny tena nanampy trotraka an’izany rehetra izany, voahitsaky Rabe ilay peta-drindrina voatifiny teo nisy soratra hoe Kurt Cobain dia nisolifatra izy. Niankarapoka indray. Ary voa mafy kokoa tamin’ity farany ity. Tsy  nahahetsika firy intsony izy, fanimpanina, tsy nahita izay natao nanoloana ilay rahona tazany nibitabitaka, ny lohan-dRabe nihorirana tamin’ny gorodona. Na fanimpanina aza izy tsikariny ihany fa hay tsy izy no natonin’ilay rahona. Tsy izy. Izay vao hitany fa ilay tery an-joron-trano nifanila taminy tery no novantanin’ilay rahona. Nisento Rabe sady niezaka niarina ihany hamonjy varavarana saingy teo indrindra no nihiratra ny voamason-dRabe. Tsy nahaloa-peo tsy nahakiakiaka intsony. Toy ilay tao anaty nofiny. Hitany ilay Zavatra. Fotsy botsiaka ny mason’izato izy. Ary nitodika tany amin-dRabe. Tsy nahahetsika Rabe. Nampikatsoan’ny tahotra. Toy ireny olona rehefa enjehin’ny alika dia tsy mahavita mihetsika ireny. Nitsiky tsy ravo ilay Zavatra. Torana Rabe ary tsy nahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony izy taorian’izay. Ny hany sisa tadidiny dia ny fidiran’ilay rahona tao am-bavan’ilay Zavatra, ny feon’ny varavaram-pitaratra niparasaka tao an’efiny ary feona famindra angaha, feon-tongotra mailaka dia mailaka nanatona azy, nikitikitika ny tongony, nitaritarika azy.


26 (Tonga soa eto an-tany sy ny hadalany)
Nitazana an’Antananarivo izy, iny Ambohijatovo iny, Faravohitra, Analakely, Ankorondrano, endrey, natelin’ny afo avokoa.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar