Nitazana an’Antananarivo izy, iny Ambohijatovo iny, Faravohitra, Analakely, Ankorondrano, endrey, natelin’ny afo avokoa.
NIREFOTRA NY TRANON-DRABE ARY NITSIRARA TEO AN-TOKOTANY IZY, tsy fantany hoe fa nahoana.
Nisy kiraro ny tongony, tsy fantany hoe fa nahoana, ny akanjomandry teny an-kodiny kosa fantany tsara hoe anazy. Teo an-tokotany izy, teo amin’ilay zaridaina kely filalaovany fony izy mbola kely nilalao polisy volera niaraka tamin’ny ankizy teo an-tanàna. Fanirian-dRabe moa izany raha ny marimarina kokoa, nofinofiny ny hiara-hilalao tamin’ireo ankizy fa tsy tanteraka mihitsy.
Ny nijery avy lavitra ireo ankizy nilalao fotsiny no hany nataony dia nanofy mangina hoe inay niara-nilalao taminy izy ireo, noraisiny ho namana, ka hany sisa nataony, namorona tontolo tao an-tsaina tao izy hoe nifankahazo tamin’ireo ankizy ireo ary ireo ankizy ireo koa nahay nandray azy ka isaky ny avy nianatra, dia tsy nody irery izy fa niara-nody niaraka tamin’ireo ankizy, dia niara-nilalao teo an-jaridainan’Andohalo tsy dia lavitra ny tranony, dia niara-nanao fanenjika, kasikasikapoaka, dihimbazaha, sabaka, ninamana tao amin’ny Facebook, dia nantsoiny tao an-tranony ireto ankizy nanao Playstation, Metal Gear Solid, FIFA, NBA 2K sy kilalao maro samihafa amin’ny solosaina, dia nifampotoana nifanakalo kanety tany an-tranona ankizy hafa, samy nitondra ny haron-keliny, ary Rabe no nanana betsaka indrindra satria nafoiny hatramin’ny vola kely nomen’ny reniny azy tokony hamidiny tsakitsaky rehefa fakandrivotra iny any an-tsekoly.
Raha nisy nilaza taminy tamin’izany hoe ireo kanetiny maro be ireo anie ka hitifirany rahona mavokely ao an’efitranofandriany ao any indray andro, nolazainy hoe gaigy avy hatrany izany olona izany. Dia izao izy nitsirara teo an-jaridainany, ny trano niriany nanasana ireo niriany ho namana rava tsy nisy nilelalela afo, izy nanomboka nihiratra ny masony saingy very saina tanteraka, tsy nisy na inona na inona azony intsony ary nanify dia nanify ny elanelan’ny noheveriny ho nofy sy ny tsy nofy, ny tenaizy. Ao anaty nofy indray angamba aho, hoy izy anakampony, dia nitsiky izy, dia nikakakaka.
Nijery ny manodidina izy, ravan’ny afo tsy nisy noraisina Ambohimanoro. Dia vao mainka izy nikakakaka, niverina indray ity nofy ity hoy izy, sady novazavazainy izany. Nitazana an’Antananarivo izy, iny Ambohijatovo iny, Faravohitra, Analakely, Ankorondrano, endrey, natelin’ny afo avokoa.
Nitodika nijery ny tranony izy, tsy tanany tampoka ny tomaniny, nigogogogo izy namisavisa ny reniny sady toran’ny hehy ihany.
Fa impiry loatra àry ity izaho ity no hiaina ny fandaozana ny reniko sy ny Antananarivoko sy ny Madagasikarako?
Sady nandohalika izy no nanondro ny lanitra, toa nanameloka raha jerena tampoka nefa niantso vonjy raha ny tena marina. Dia teo indrindra no tazany ilay Zavatra, nipoitra avy eo amin’ilay varavaran-tranony kila, tsy mba matahotra afo, tsy mba levon’ny lelany, nibanjina azy, niravaka tsiky nifono hagegena tsotra izao. Nandady nihemotra Rabe sady nila hipoitra ny voamasony, tsy nahakiaka tsy nahateny fa nandady nihemotra nalaky fotsiny tsy hay hoe ho aiza. Nahare feona moto tampoka izy avy tao aoriany, niakatra ilay fiakarana ary nijanona teo anoloan’ny vavahadikelin’ny tokotanin-dRabe.
Gagagaga tsy nahahetsika Rabe ary raha tsy nitrerona ilay moto, raha tsy hitany hoe te hanatona azy mafy ilay Zavatra, raha tsy tazan-dRabe hoe iza ilay namily azy, tsy nitsangana haingana izy.
Aiza ilay izy?
Hoy i Lisy mantsy an-dRabe nony tafiakatra teo ambony moto ity farany.
Gaga Rabe. Moana tsy nahateny tsy nahavolana nadiridirin’ny hatalanjonana fotsiny no nikakakaka tampoka indray. Tsy hitany intsony izay heverina, tsy hitany izay inoana, tsy nisy azony izay zava-nitranga, sady natahotra fadiranovana an’ilay.
Zavatra izy no nalahelo an-dreniny sy ny tanànany no faly nahita an’i Lisy no tsy nahazo ilay fanontaniana ka nikomy sy nipika angamba ny lohany satria naleony nivanitika teo am-pitoerana. Nandalo niserana teo amin’ny endrik’i Lisy ny hasosorana nanoloana ny fihetsiky Rabe nefa vetivety izy dia nipimaso an’ilay Zavatra voatsemban’ny vato sy ny poti-baravaran-kelin-dRabe tamin’ny tany angamba satria tsy nihetsika izy, toa somokotra fotsiny.
Pimaso sady niantsy sy naneso no nanaisotra ny tsikin’ilay Zavatra ka nanolo izany ho hatezerana tsy hita noanoa. Natolotr’i Lisy an-dRabe ny tanany.
Tanana nanambara tsy nila niloa-bava hoe raiso ka miakara eto ambony moto, eto aorianako eto. Tsy hain-dRabe ny tsy handetika ny masony tao anaty mason’i Lisy, nankafy ny volony olioly nikopakopaka, ny endrik’i Lisy tsy mahandry tantana manoloana anazy mbola variana nandinika fa tsy tonga dia nandray ny tanany avy hatrany. Nitrena ilay Zavatra vao nikoropaka Rabe.
Nofihininy ny tanan’i Lisy nikiraviravy ary nosintonin’ity farany izy nankeo aoriany sady narifany toy ny tsy teo ilay moto.
