27

Nanintona kely ny masony ny hotely Panorama fahiny fotsy izao mainty saribao efa nilaozan’ny afo nirodana tsikelikely ary taitra tampoka izy nahare feo nipoaka tsy hay hoe inona toy ny feona tafondro tokana tsy lavitra ny hotely Panorama.

audio-thumbnail
II27
0:00
/279.5

Nihosona taimbankona maintin’ny afo ilay Zavatra, niandrandra izy, ny masony nalefany ambony dia ambony toy ny hoe niandry inona loatra izany.

Niherika kely tany aminy Rabe, nangorintsina kely, tsy azony loatra hoe fa maninona no tsy nanenjika azy izato izy fa dia nijaridina teo fotsiny sady nofikiriny mafy ihany ny tepan’i Lisy. Tsy nisy nanao aroloha izy roa nefa ny moto nirifatra dia nirifatra.

Nampiasa saina an’i Lisy ihany izay lafiny izay fa tsy nanam-potoana nitadiavana an’izany intsony izy tao anaty fikoropahana minitra vitsivitsy lasa izay.

Amin’ny fiainana andavanandro anefa tsy azo iadian-kevitra na iadiam-barotra mihitsy i Lisy amin’izany lafiny izany. Rehefa izay dia izay, tsy natao ho an’ny alika tsy akory ny lalàna fa misy antony ary ny tsifanarahana ny lalàna sy ny fitsipika no fototry ny tsy manjary rehetra. Izany no firehan- keviny. Raha misy lalàna tsy rariny na tsy mifandray amin’ny zava-misy dia foanana na ovaina, mila mivoatra izany lalàna izany fa tsy mahita hirika tsy hanajana lalàna lava izao. Anisan’ny tsy zakan’i Lisy amin’ity Madagasikaran-dRabe ity mihitsy io lafiny io, mahita fika foana tsy anarahan-dalàna, ary ny manam-pahefana indrindra tokony ho filamatra sy mampihatra ny lalàna koa aza vao mainka manampy trotraka mpitari-bato vilam-bava. Tsy zakan’i Lisy amin’ny Madagasikaran-dRabe ity mihitsy izany ary raha tsy ny ain-dRabe no nahiany, tsy namelany raha tsy nahita aroloha.

Mbola tsy nisy fantatry Rabe na ny kely aza izany hevitra ijoroan’i Lisy izany tamin’io fotoana io fa nifamahofaho tanteraka ny vatany sy ny sainy ary ny fony. Ny vatany nilaza taminy hoe narary anie ilay niankarapoka tao an’efiny tao sady nankafy ny tsio-drivotra teny an-tavany ihany izy moa ny sainy tsy natoky tena intsony na nofy izao iainany izao na tsia ary ny fony kosa sady trotraka niaina indray fahaverezana no nitepotepo izaitsizy ho an’i Lisy fihininy mafy dia mafy hany ka na dia hitany izao aza hoe rava ny tontolony, nisy tsy foiny natakalo rehefa tena nozohiana. Sady koriko kely ihany ny fon-dRabe nahatsapa an’izany nefa akory atao, izany àry no tsapany ka atao ahoana, ny alika jamban’ny taolana tokoa, ny saka jamban’ny trondro, ny amalona jamban’ny kankana, ny tsy marina jamban’ny vola ary ny tanora jamban’ny fitiavana.

Niolomay tamin’iny Mangarivotra iny ilay moton’izy roa, tsy hay intsony na firy kilometra isan’ora ny hafainganam-pandehany na firy fa tazatazan-dRabe fotsiny Ampahibe sy Andrianarivo may may may toy ny harendrina taratasy ary henony nanakoako ny tomany sy kiakiakan’olona tsy voaisa toy ny tomany sy kiakiakan’ireo zaza may may may ny harendriny na latsaka ny gilasiny.

Nanintona kely ny masony ny hotely Panorama fahiny fotsy izao mainty saribao efa nilaozan’ny afo nirodana tsikelikely ary taitra tampoka izy nahare feo nipoaka tsy hay hoe inona toy ny feona tafondro tokana tsy lavitra ny hotely Panorama. Tsy hitany loatra hoe taiza marina fa ny setroka niakatra niavaka fotsiny no hitany ary azony an-tsaina fotsiny fa na teo amin’ilay fiakarana nankany amin’ny Fasan’ny Mahery Fo, tamin’iny Lalana V.V.S. iny izany na tamin’iny sampanana iny ihany fa ilay fiolanana mankany amin’ny oniverisiten’Ankatso kosa, vao nahazo kely ny Arabe Jeneraly Charles De Gaulle Tsiadana iny. Kely fotsiny ny fahatairan-dRabe ny tena marina fa tsy dia gaga loatra izy. Tsy gaga loatra intsony. Doboka iray tao anaty korana, naoty iray tao anaty amboaram-peon-kira, kintana iray tao anaty habakabaka.

Moa tsy i Lisy izany? Olona iray ao anatin’ny efa ho firy lavitrisa nefa mampidoboka manokana ny fony. Gaga hatrany Rabe. Vao  dify ilay toy ny feona tafondro dia naneno ny feon’ilay trompetra. Nofikirin-dRabe mafy kokoa ny tepan’i Lisy.

Ilay Zavatra tamin’izay, nitsiky nahare an’ilay trompetra, mbola teo an-tokotanin-dRabe. Avy eo, naetriny ny lohany dia lasa izy nirifatra, niolomay.
Nitsongodia an’izy roa.


28
Niaina mafy indray mandeha izy natrerony kely tamin’ny tanany havanana ny fandrifatr’ilay moto, navotsony ny fanisatra ary norosony ho any Tsiazotafo ny dia, poatoizay nefa, tsy lasa metatra firy akory, naviliny malaky ho any amin’ilay totohabato.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar