28

Niaina mafy indray mandeha izy natrerony kely tamin’ny tanany havanana ny fandrifatr’ilay moto, navotsony ny fanisatra ary norosony ho any Tsiazotafo ny dia, poatoizay nefa, tsy lasa metatra firy akory, naviliny malaky ho any amin’ilay totohabato.

audio-thumbnail
II28
0:00
/491.5

Nigiaka ny kodiaran’ilay moto teo amin’ny sampanana hiakatra any amin’ny Tranovato Faravohitra sy Lise Jules Ferry, hidina  Antaninandro.

Nitsororoka ny Lalana Joel Rakotomalala izy roa. Tamin-dRabe nibanjina ny EKAR Faravohitra, nahatazana ireo kisary niloko nidedaka teo amin’ny fitaratr’ilay fiangonana katolika vao nanontany tena izy hoe tsy dia vaovao taminy loatra ilay resaka trompetra maneno saingy mbola tsy azony veroka loatra hoe inona no dikany na taiza no hitany. Tonga saina fotsiny izy hoe misy dikany izao rehetra izao, ary toa misy fifandraisana amin’ilay fiangonana, fa tsy lasa adala izy tsy akory. Nampisinda kely ny hatrotrahan-tsainy izany eritreritra izany. Nanisa haingana tao an-tsaina izy hoe fanimpiriny moa izay no naneno ilay trompetra raha atambatra.

Ny voalohany tamin’izy nivoaka ilay fiangonana tao Ambatonakanga, ilay faharoa kosa tamin’izy sy Lisy teo an-tokotany andrefan’ny Rovan’i Manjakamiadana. Fanintelony. Intelo naneno izay ilay trompetra. Tsy fantatry Rabe hoe fa naninona izy no nanisa izany fa azony an-tsaina fotsiny hoe misy dikany lehibe kosa izany fanisany izany.

Dia nitraka tampoka Rabe, nihafotsy ny lanitra toy ny hoe sanatria nisy kintana nihalehibe izany ka hilatsaka eto an-Tany, dia tazany avy amin’ny fitarabohon’ilay moto ihany koa ny maso fotsy botsiakan’ilay Zavatra nihazakazaka mafy dia mafy nanenjika azy roa tery an-tampom-piakaran’ny Lalana Fredy Rajaofera voarary vato tery.

Nofihininy mafy dia mafy indray i Lisy ary tsy navotsony kely raha tsy i Lisy namely azy tamin’ny kihony sady niteny mafy hoe maharary ihany anie izany geja izany. Menatra Rabe, nanaintaina kely azy ihany koa ny faritra nanodidina ny taolantehezany fa tsy sahy nitaraina izy. Nony tonga teo amin’ny tobindasantsin’Antaninandro ilay moto dia nanitsy toy ny ho any amin’ny tetezan’i Behoririka kinanjo navilin’i Lisy ho any Tsiazotafo indray rehefa hitany fa voabahana lelanafo be miredareda ny lalana. Niainga kely segondra vitsy mihitsy ny vodin’ilay moto vao nipe-tany. Nijanona i Lisy. Tsikaritry Rabe hoe tsy hita izay nalehan’ilay Zavatra. Nijery havia izy, Antaninandro, tsisy fika, nijery aloha izy, Lalana Lietnà Albert Randriamaromanana, Tsiazotafo.

Nitodika ivoho izy, afo miredareda, tsy lavitra ihany koa ny mankany Andravoahangy Ambony, Ampandrana, Besarety, nijery ankavanana izy, tohatohabato midina mankany Behoririka, Lalana Dokotera Zamenhof.

Tsy nanan-tsafidy izy roa fa ny arabe azo hidirana dia na miakatra any Andravoahangy Ambony na miditra any Tsiazotafo. Tsy nopihin’i Lisy ny milin’ilay moto. Niaina mafy indray mandeha izy natrerony kely tamin’ny tanany havanana ny fandrifatr’ilay moto, navotsony ny fanisatra ary norosony ho any Tsiazotafo ny dia, poatoizay nefa, tsy lasa metatra firy akory, naviliny malaky ho any amin’ilay totohabato. Nihiaka tokana Rabe nidiridiry tany amin’ilay tohatra sady nanontany tena hoe inona loatra izato ao an-tsain’ity tovovavy ity no nivavabavaka mba tsy hitsingidina ilay moto.

Nitodika kely tany amin’ilay tobin-dasantsy Rabe vao azony an-tsaina hoe inona ny paikan’i Lisy. Raha izy nody nitsotsotsotso ho any Tsiazotafo iny dia efa azony an-tsaina hoe niafina tao ambonin’ilay tobin-dasantsy tao anatin’ny haizina tao ilay Zavatra ary niandry azy roa hisafidy fotsiny izy, na ho any Tsiazotafo, na haka an’ilay arabe ho any Andravoahangy Ambony dia hiantsampazany koa naleon’i Lisy nofitahina, tany amin’ny tsy nampoiziny, tany amin’ilay tohatohabato.

Nitrena ilay Zavatra efa nitsambikina nankeny amin’ilay lalana mahazo an’i Tsiazotafo. Namoaka feo nitaraina. Sorena fatratra ka tsy nisalasala firy koa fa avy dia naka vain’afo teo amin’ny sisin’arabe dia natsipiny teny amin’ilay kamiao mpitatitra lasantsy niantsona teo tamin’ilay tobin-dasantsy. Nidanadana ny varavarany, nilaozan’ny mpamiliny. Nanidina ilay moto, nitsambikina ny andianjanatohatra voalohan’ilay tohatohabato, dia mbola tsy nipe-tany ihany raha tsy teo alohan’ilay andianjanatohatra farany.

Avy eo nipoaka ilay kamiao. Ren-tany, ren-danitra saingy tsy nanaitra firy intsony satria ny trano rehetra nanodidina dia efa toy ilay kamiao mpitatitra solika mipoaka avokoa. Raha tsy may dia mipoaka, raha tsy mipoaka dia rava, raha tsy rava dia levona. Izany no zava-nisy. Rabe moa mora mikoropaka izay ihany nefa may te hahita ka tsy nahay ny tsy nitodika, dona-tsetroka sy lelan’afo nanampy trotraka an’izay efa tsy hita izay nanaovana azy no nandrakotra. Mpamonjivoina avy any ankoatra, avy any an-danitra any angaha vao hahavono izao afo rehetra izao hoy Rabe lasa vinany sady nihivingivina ihany izy, nihetsiketsika ny lohany sy ny vatany iray manontolo rehefa nidina tamin’ilay andianjanatohatra farany ilay moto. Nahay namily moto i Lisy, niaiky Rabe, saika nianjera ihany izy roa tamin’ny nitontona saingy kinga i Lisy namerina ny familiana. Tsy nahitan-tahotra ny fihetsiny na ny kely aza. Nahitsy ny fijeriny, nifantoka tanteraka izy ary tsy niahotra. Teny an-tampon’ny tohatohabato ilay Zavatra, namakivaky setroka, nitazana ny moton’izy roa nirifatra tamin’iny valavan’i Behoririka, Lalana Dokotera Zamenhof.

Naka bahana kely izy, dia nitsambikina.

Teny amin’ny arabe anilan’ny Farihin’i Behoririka fantatra amin’ny anarana hoe ranomaimbo no tonga saina Rabe fa toa tsy nisy olona na dia iray tokoa aza nifanena tamin-drizareo teny an-dalana fa dia antsoantso sy kiakiaka fotsiny no henony. Sady zarany aza aloha tsy nahita olona, ny nahare ny feony aza efa nila tsy ho tantiny koa vao mainka hahita. Nohadinoany ilay eritreritra ary nijerijery ny fitaraboho matetika izy, na dia nahazo tombon-dalana kely aza izy roa, azony an-tsaina tsara fa tsy nilavolefona izany ilay Zavatra fa nitsongo dia azy roa na dia tsy taza-maso aza. Lisy koa niasa saina. Efa nipipika ilay kisarina fakandasantsy menamena teo amin’ny famantaramilin’ilay moto. Efa zara raha nisy lasantsy ilay moto ary raha tsy mahita fitaterana hafa haingana dia haingana dia ho raisim-potsiny izy roa.

Ny fiara teny an-dalana anefa lalaovin’ny afo avokoa izay jerena moa tsy antenaina ny tobin-dasantsy fa na hisy mbola tsy may aza toerana anisan’ny tsy azo antoka indrindra. Mora mipoaka. Nanampy trotraka izany, iny niakatra ny Lalana Ampanjaka Toera iny izy roa, teo ampitan’ny Tsenan’i Pochard, nisy tatatra tsy nisarona, tsy tazan’i Lisy raha tsy tamin’ny segondra farany, efa tsy nisy na inona na inona azony natao intsony, tafaroboka tao ny kodiarana alohan’ilay moto ka nitsingidina. Nisarona ihany moa io tatatra io taloha saingy, indray andro izay, nisy rangahy mpivarotra iray nitady vato ngezangeza hanindriana ny tongotry ny elobe fivarotany, tsy naka lavitra izy fa ilay sarona tatatra tsy dia tsara fipetraka teo no nalainy, nisy nanao fijery vilana taminy ihany fa nangarihany sady naverimberiny tao an-tsainy hoe:

Izaho angaha handova an’io!

Nanomboka teo  dia lasa fanarian’ny mpandalo izay fako teny an-tanany teny io tatatra io, tsy roa tsy telo ny olona latsaka tao na ny olon-tsotra variana amin’ny diany, na ny tanora variana ao anaty telefoniny na ny mamo tampina tsy mahita intsony izay ambonin’ny tany. Dia izao nitrosona izao ny moton’i Lisy sy Rabe.


29
Nisento kely Rabe nahatsiaro ilay sary hitany tamin’ny Facebook nampiseho ny haravoan’ny olona nandeha lamasinina tamin’izany, izy rahateo mbola tsy nandeha, tsy nahatratra izany vanim-potoana izany fa ny hany fantany momba ny lamasinina dia mpitatitra entana
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar