29

Nisento kely Rabe nahatsiaro ilay sary hitany tamin’ny Facebook nampiseho ny haravoan’ny olona nandeha lamasinina tamin’izany, izy rahateo mbola tsy nandeha, tsy nahatratra izany vanim-potoana izany fa ny hany fantany momba ny lamasinina dia mpitatitra entana

audio-thumbnail
II29
0:00
/353.5

Talohan’ny ningadonan’ny taona 2000 dia toe-javatra anankiroa no tena nahavariana na ny mpizahatany na ny mponina mikasika an’Antananarivo renivohitra.

Ny voalohany dia ny Rovan’i Manjakamiadana, lapan’ny mpanjaka nifandimby lasa tranom-bakoka taty aoriana, tsy nanam-paharoa, tsy manam-paharoa, may nisy nandoro indray 6 novambra alina izay tamin’ny 1995. Ny faharoa kosa dia ny Tsenan’Anjomà. Izy io no tsena tsy nitafo lehibe indrindra naneran-tany, rehareha sady ambohipihaonan’ny mponina, nofoanana, indray andro izay tamin’ny 1997. Nafindra monina tao amin’ny Tsenan’i Pochard ny mpivarotra sasany noroahana avy teo Anjomà ary teo ampitany teo indrindra no nitrosona ny moton’i Lisy sy Rabe. Vaky nitresaka ny vataben’ilay moto, nikorisa tamin’ny arabe ary ny kodiarany nipitika. Soa fa tsy tena nirimorimo be intsony i Lisy fa somary nandeha mora ihany. Nanahy izy sao maty tampoka ilay moto moa sady nanararaotra nitsirika an’ireo fiara tsy dia kila loatra nijanona teny amin’ny sisinarabe sy nilaozan’ny tompony teny afovoan-dalana izy sao misy azony nifindrana ihany. Tsy nisy. Naratra ihany anefa izy roa fa tsy hoe tsy naratra saingy ratra kely tsy dia hoe naninona loatra ihany.

Vao tafarina i Lisy dia nampiany Rabe hitsangana sady notaritiny hiditra teo amin’ilay vavahadin’ny Gara izy.

Nitaraina ihany Rabe fa tsy nahoany izany ary nahavita nihazakazaka tampoka aza moa ilay tovolahy vao nahatazana an’ilay Zavatra nitsirika avy ery amin’ilay sampanana avy any amin’ny ranomaimbo izy. Avy teo amin’ilay tobindasantsy taloha efa voafefy. Koa nirohotra teo an-tokotanin’ny Gara izy roa, nihazo nalaky ny lalam-by ary tsy ela akory dia tonga tao ilay Zavatra. Nijaikojaiko tao ambadika fiatibe roa nifampitaingina izy roa ary nataon’i Lisy teo amin’ny molony ny fanondrony. Nangina hafahafa izany Soarano iray manontolo. Ny hany feo re dia ny fidoboky ny trano tany lavidavitra tany sy ny kiakiakan’olona tsy hay intsony hoe avy aiza. Lazaina lavitra, tsy lavitra loatra, lazaina akaiky, tsy hitan’ny maso anefa. Ny vovon’ny alika moa, teo Soarano vao nahare Rabe nefa tsy azony an-tsaina koa hoe avy aiza loatra. Ny tranoben’ny Gara tsy mbola nirodana ary tsy mbola lanin’ny afo tanteraka. Tsy mbola nidedaka aza fa toy ny hoe pitik’afo izany no nandoro azy fa tsy lelan’afo be ary nikiky miadana ilay afo fa tsy tonga dia nanao indray nandrapaka.

Tonga saina Rabe hoe tsy nahita vorona nanidina teny an-danitra intsony tokoa izy afa-tsy ireto goaika ankiroa nipetraka teo ambony sezalavan’ny Gara toa nibanjina azy izany. Fipetrapetrahan’ny mpandeha lamasinina izy io fahiny. Nisento kely Rabe nahatsiaro ilay sary hitany tamin’ny Facebook nampiseho ny haravoan’ny olona nandeha lamasinina tamin’izany, izy rahateo mbola tsy nandeha, tsy nahatratra izany vanim-potoana izany fa ny hany fantany momba ny lamasinina dia mpitatitra entana ary tsy dia mitovy amin’ilay hitany amin’ny tele ireny fa efa drodroka dia drodroka.

Fa na dia drodroka aza, variana kely foana Rabe rehefa misy lamasinina mandalo, voasintona ny masony, nahafinaritra azy manokana. Niaina niadana i Lisy, nitodika tany amin-dRabe dia nibitsibitsika tao an-tsofiny izy.

Nanaiky Rabe na dia tsy dia azony tanteraka aza ilay paikady fandosirana.

Tsy azony hoe aiza no hisy an’izany lamasinina noresahan’i Lisy taminy izany ary raha hisy aza izany dia iza no hitondra azy. Fa nekeny fotsiny ilay paikadin’i Lisy satria na dia tsy lafatra aza ny fahitany an’ilay vahaolana mba nahita na dia iray fotsiny aza i Lisy, efa betsaka noho ny azy izany ary fanantenana mihitsy tamin’izay no nilainy.

Koa nanaraka tsimoramora an’i Lisy avy tao aoriana Rabe, nihazakazaka mangina hiala avy tao ambadik’ilay fiatibe ary namonjy kamiao milikilao tsy lavitra teo. Nihovitra kely ny tany, nisy jiro tazan-dRabe avy lavitra, nisy anjomara naneno. Anjomaran- damasinina. Avy lavitra izany dia efa ren’i Lisy ilay lamasinina, variana hatrany Rabe. Hafa dia hafa ity tovovavy ity. Nony nanakaiky ilay lamasinina dia nitsilo ny endrik’i Lisy ny jirony. Tazan-dRabe fa nisy tahotra ihany ny endriny, tahotra kely fotsiny tsy saron’ny volony olioly saika nanakona ny endriny. Nanamafy ilay paikady i Lisy, rehefa tena akaiky ilay lamasinina dia miporitsika mitsofoka ao anatiny isika, azo antoka fa ho hitan’ilay Zavatra rehefa miala avy ao ambadik’ity fatina kamiao ity isika, fa tsy maninona, tsy manan-tsafidy rahateo isika, rehefa ao anaty lamasinina, tantara hafa indray izay, hita eo ny hatao, fa mandra-pahatongavan’izay kosa, tsy mamoaka feo na ny kely aza fa raha fantatr’ilay Zavatra mialoha ny toerana misy antsika, asa fotsiny. Nanaiky Rabe. Hafa kely ny firesak’i Lisy, na ny fiteniny, ny teny ampiasainy, variana Rabe. Segondra vitsy taty aoriana, nopehin’i Lisy ny sandrin-dRabe, efa indro ilay lamasinina, niomana Rabe. Nangidihidy tampoka anefa ny orony.

Niezaka izy, niezaka saingy tsy vitany ka… nievina izy. Nievina mafy. Nanakoako eraky ny Gara iray manontolo.

Nangarika i Lisy. Nasiaka ny fijeriny. Boramenan’ny henatra Rabe. Nanjelatra ny mason’ilay Zavatra.


30
Indrisy moa, taompolo vitsivitsy taty aoriana, taorian’ny tolombahoaka tamin’ny 1991 indrindra indrindra, nandalo fotoan-tsarotra ny lamasinina, ary tsy niarina intsony mandraka ity ny androany.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar