Indrisy moa, taompolo vitsivitsy taty aoriana, taorian’ny tolombahoaka tamin’ny 1991 indrindra indrindra, nandalo fotoan-tsarotra ny lamasinina, ary tsy niarina intsony mandraka ity ny androany.
Natavitavy izay ilay rangahy mpamilin’ilay lamasinina, tiany ny asany, tiany fatratra, efa hatramin’ny mbola kely, fony izy nipetraka teny akaikin’ny Garan’Ambatofotsy no nanofy hamily azy ireny izy.
Isan-kariva avy nianatra nahavantana azy ny nandeha teny amin’ilay Gara, nipetrapetraka teo, nijery ireo mpandeha tonga, ireo mpandeha lasa, ireo mpitsena, ireo mpivarotra isan-karazany. Efa fantany tsara ny ora fahatongavan’ny lamasinina sy ny fandehanany, ary vita izay, vao mody izy, tsy dia nahoan’ny ray aman-dreniny loatra moa izany satria tsy dia lavitry ny tranony ary zarany àry ilay zanany lahy tsy dia be teny nanana zavatra tena ankafiziny ary tiany natao ho asa. Ny mitondra lamasinina mpitatitra olona. Indrisy moa, taompolo vitsivitsy taty aoriana, taorian’ny tolombahoaka tamin’ny 1991 indrindra indrindra, nandalo fotoan-tsarotra ny lamasinina, ary tsy niarina intsony mandraka ity ny androany. Fa tsy namelany kosa ny nofiny, tsy maintsy lasa mpamily lamasinina izy na inon-kidona na inon-kitranga ary tanteraka ny nofiny, ary nahafaly azy ny asany, na dia tsy dia be karama aza, nokarakarainy tsara ny lamasininy sady sarotiny dia sarotiny izy tamin’ireo mpiara-miasa taminy tsy dia mivaky loha loatra. Tsy dia tian’ireto farany rahateo izy ary tsy noraharahiany loatra.
Ny azy, ny lamasininy no namany sady fitiavany ary na dia manoram-bain’afo sy havandra mihoson-dra aza ny lanitra, na dia rava aza ny tontolo, tsy maintsy nentiny hatramin’ny farany ny lamasininy ary nentiny mafy sao tsy tody, sao rava ny lalam-by. Tamin’izay indrindra no tazany, tovovavy kinga dia kinga sy tovolahy somary varimbariana nitsofoka tao anaty vagao iray tamin’ny lamasininy. Nojereny, niketrona kely izy, nanala ny satrony, nihaotra loha, nitsapa kibo, dia nakariny ny sorony, ny lalany no nobanjininy. I Lisy sy Rabe moa raha nisy kely norambasan’ilay Zavatra. Vao henony mantsy ilay evina dia nipoitra avy ao ambadika fiatibe tsy lavitra ilay kamiao izy nihazakazaka nankany amin’izy roa, nikakakaka, namirapiratra hagegena. Koriko ny endrik’i Lisy sady sorena. Nororitiny ny tanan-dRabe hanatona malaky ilay lamasinina, nitsinjaka ny masony vao nahita ilay vagao nidanadana koa nitsambikina tsy am-pisalasalana tao anatiny izy roa. Ilay Zavatra somary tara ka ny hany nataony dia ny namikitra ny vagao faran’ilay lamasinina.
Mbola namirapiratra hagegena hatrany ny tavany.
