31 (Lamasinina anie ny anaranao)

Nangoritsina Rabe nefa te hivazavaza ihany, te hitalaho hoe aoka izay moa ny ankamantatra, ny masony very dia, very hevitra, kinanjo nitsiky i Lisy dia nisinda ny ahiahiny

audio-thumbnail
II31
0:00
/551.5

EFA TRANAINY ILAY LAMASININA FA NA IZANY AZA TSY IRENY MAMOAKA SETROKA INTSONY KOSA toy ny fahita amin’ny horonantsary oesiterina ireny akory na dia mbola tsara kokoa noho ity vagao nisy azy ity aza ny fahitan-dRabe an’ireny tamin’ny tele ireny.

Tsikaritr’i Lisy avy hatrany hoe nisy nanapitsoka teny andalana teny ilay vagao, nisy naka ny toaka  asa firy tavoahangy nentiny, mbola tazany ny tavoahangy vitsivitsy vaky amin’ny gorodona ary nidohàka ny fofona.

Nitsiky kely ihany i Lisy nieritreritra hoe raha tsy nisy nangalatra ilay toaka, tsy nidanadana ilay vagao, raha tsy nidanadana ilay vagao, tsy tafiditra tao izy roa. Nisinda teny an-tavany anefa izay tsiky izay vao lasa ny sainy hoe tsy ho ela dia ho avy ilay Zavatra. Niserana tao an-tsainy ihany koa hoe fa maninona no tany amin’ilay Madagasikarany no araha-maso fatratra ny fivarotana toaka araka ny hafatry ny mpanjaka hendry iray izay tany aloha tany izay najain’ny fiarahamonin’i Lisy mandraka androany. Rabe tsy nahatombintsiraka, nihodinkodina eraky ny vagao, niteny irery tsy hay hoe inona toa mbola tsy tapa-kevitra na hanaiky hoe nofy ilay iainany na  tenaizy. I Lisy naka saina nandinika ny lanitra, ny sandriny nitehana tamin’ilay varavaramigorisan’ilay vagao, ny rantsan-tanany ilany nitsapa ilay ratra kely teo amin’ny lohany. Nidiridiry ny mason-dRabe nandinika ilay ratran’i Lisy. Tsaroany ilay takisiabe, ilay satroka ba, ilay ramatoa somary vaventy niresaka taminy, ilay mpamily tsy vanona saika nahafaty azy mianaka nitady afon-tsigara, ilay tao am-piangonana. Tsy nisy nofy ireo zava-nitranga, hoy izy tao an-tsaina, fa tena izy avokoa na dia tsy hainy aza ny nanazava hoe fa nahoana loatra.

Dia nobanjininy i Lisy.

Navotanao ny aiko sy ny ain’ny reniko indray alahady iny. Raha tsy nisy anao aho efa maty, tsy afa-nisaotra akory nefa. Ny reniko moa—sady tsy nahatan-dranomaso Rabe nitampify teo an-tsisin’ilay vagao—ny reniko moa maty, tsy nisy na inona na inona azo natao. Nifampijery isika tao am-piangonana, niontana ny foko, mbola tsy nisy ohatra izany, asa raha nahatsapa zavatra toy izany koa ianao. Avy eo tsy hita izay nalahenao, tsy hita indray, nandositra niaraka tamin’ny foko. Dia nivoaka aho nitady anao, tontolo rava no nitsena ahy. Tazako ianao, avy lavitra hiakatra an’Andohalo.

Tampoka teo, asa izay nitranga, teny an-tokotanin’ny Rovan’i Manjakamiadana tampoka aho. Teo anilanao, nitazam-potsiny ny faharavan’Antananarivo, noraisinao ny tanako, ny sandriko moa izany, dia nandeha hiteny zavatra tamiko ianao no taitra tampoka teo am-pandriana aho. Dia noheveriko nofy avokoa ireny. Nohamariniko mantsy ny trano, mbola teo, tsy rava, ny tany ivelany, niverina tamin’ny laoniny, ny reniko, velon’aina soamantsara, nojereko Facebook, tsy nilaza na inona na inona, nanontaniako Google, tsy namaly na inona na inona toy izany. Nefa dia izao indray, rava ny tontolo. Rava indray. Nisy rahona tao an’efitro. Rahona niditra tao am-bavanan’ilay Zavatra bobo maso manenjika antsika eraky ny tanàna. Ka aiza àry no maha nofy izany? Nefa ny reniko, maty dia velona dia maty indray…

Tsy voahazavan’ny sain-dRabe loatra ny zava-nitranga fa azony an-tsaina fotsiny hoe tsy tao anaty nofy izy ary na dia nampihoronkoditra azy aza izany eritreritra izany, nandry kokoa ny sainy. Nandry kokoa satria teo anilany i Lisy, teo anoloany, nitazana an’Antananarivo may, akopakopaky ny rivotra ny volony oly. Mbola tsy hain-dRabe akory tamin’io fotoana io hoe fa nahoana loatra no dia navotan’i Lisy izy, tsy azony an-tsaina akory tamin’io fotoana io hoe ny hanavotra ny tontolon’i Lisy anie izany antony izany.

Niarina Rabe, nanatona an’i Lisy mbola roboka nijery tsy hay hoe inona manokana.

Lisy!

Tsy nitodika tany aminy teo no ho eo i Lisy fa naka fotoana kely.

C’est l’heure kosa angamba e?

Nikarantsana ny feon-dRabe, nihovitrovitra.

Tsy azoko, mba explique-moi fa tena je ne compr…

Nidina tampoka ny feony, toa saika hiteny zavatra izany saingy tsy nahaloa-peo intsony. Nipetraka tamin’ny gorodona izy, nitoloko mangina. Nitodika i Lisy. Nanjelatra ny endriny notsilovin’ny afo nandoro ny tanàna tany ivelany rehetra tany. Nandinika an-dRabe izy. Nitingintingina teo anoloany dia nampanatoniny ny tarehin-dRabe ny tarehiny. Akaiky dia akaiky. Marikoditra Rabe. Nibitsika malefaka azy i Lisy. Nangoritsina Rabe nefa te hivazavaza ihany, te hitalaho hoe aoka izay moa ny ankamantatra, ny masony very dia, very hevitra, kinanjo nitsiky i Lisy dia nisinda ny ahiahiny. Natoky fotsiny izy, natoky an’ilay tovovavy teo anoloany, natoky azy tsotra izao na dia lasa ihany aza ny sainy hoe mba avy aiza loatra aza ity olona ity no dia miresaka hafahafa toy izao amin’izao vanim-potoana izao nefa ny taona tsy mifankaiza aminy akory, zokiny herintaona raha misy dia misy. Ny endriny moa meva dia meva toy ny tsy nateraka fa notefena, toy ny tsy avy eto an-tany fa avy any an-danitra. Anjely? Nijery lanitra Rabe, nahita vain’afo ngeza nirimorimo tsy hainy hoe ho aiza dia nailiny izay eritreritra izay. Nefa iza tokoa no mahalala nony avy eo…

Ny fijerin’i Lisy dobo soa mampite hilomano, dobo soa mahate ho very mandrakizay ihany koa. Dobo kelin’Andriamanitra ara-bakiteny? Nijery lanitra Rabe dia nanontany tena hoe nankaiza tokoa Andriamanitra. Nankaiza no dia namela an’izao hitranga. Nefa, sao izao Andriamanitra izao tokoa no naniraka an’i Lisy hanavotra azy? Nefa fa iza aho no dia izaho irery no…

Nisafotofoto ny lohan-dRabe, tsikariny ihany koa ny fitafian’i Lisy fa hafa kely, tena hafa kely, sambany izy nahita akanjo toy izany. Somary nampahatsiaro azy an’ireo fitafy japone ny didiny nefa misy endrika tandrefana tokoa ary ny lambany malefaka dia malefaka nefa mafy tsara sy matevina. Nibaby kitapo izy ary nisy lamba kely notafiany teo amin’ny tendany nanarona ny sorony sy ny tratrany nefa tsy nanelingelina azy na ny kely aza. Maro loko ilay lamba, narevaka nefa tsy dia namiratra loatra, lamba akotifahana no anarany, lamba anisan’ny tranainy sy manan-danja indrindra saingy tsy fantatry Rabe izany.

Tsy fantatry Rabe ihany koa fa lamba akotifahana no nataon-dRanavalona III fanomezana ho an’ny filohampirenena amerikanina Grover Cleveland tamin’ny 1886. Nomen’ity farany ny Smithsonian National Museum izany nony tsy filoha intsony izy, telo taona taty aoriana. 106 taona taorian’izay kosa may tao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana ny ankabeazan’izay sisa tavela tamin’ny lamba akotifahana ankoatra ireo izay any amin’ny mozea any Eoropa sy any Amerika sy any amin’ny toerana hafa tsy fantatry Rabe ihany koa.

Ny fantatry Rabe kosa, dia tsara sady hafa kely ilay lamba nanaovan’i Lisy sady nisy marika kely hoe MADE IN MADAGASCAR. Tsy dia nivandravandra ilay soratra fa tazana ihany na izany aza. Tsy azony an-tsaina mihitsy anefa hoe taiza no nividianan’i Lisy ny akanjo sy ny lambany ary tsy tonga saina akory izy fa voasafony tsy nahy ny lamban’i Lisy dia nibolisatra ny tanany.

Nitsamboatra kely ity farany, taitra, nihemotra avy hatrany.

Niezaka nanazava Rabe sady nahetsiketsiny toy ny manao sary amin’ny rivotra ny tanany hoe ny lambany anie no nahavariana azy fa tsy hoe… Dia niboredika Rabe, dia niboredika, dia nangina, tsy nahita izay tany nisitrihana, te hilevim-belona, te hanasitri-doha ambany tany toy ny aotirisy, tototry ny henatra. Raha nazava kokoa tao anaty vagao dia tazana hoe nampitsiky kely an’i Lisy ny fihetsiky Rabe.

Tsy tapitapitr’izay, niara-nitraka izy roa, nahare feo, feon-tongotra tao an-tafon’ilay vagao.

32
Tsy azon’i Lisy antoka zato isan-jato ilay izy ny tena marina fa tsy maintsy nanapakevitra izy

Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar