Tsy azon’i Lisy antoka zato isan-jato ilay izy ny tena marina fa tsy maintsy nanapakevitra izy
Tsy azon-dRabe an-tsaina mihitsy hoe aiza ho aiza izao no misy an’ilay lamasinina nitondra an-drizareo.
Anatihazo?
Tsy hainy intsony akory hoe misy lalamby moa any Anatihazo Isotry sa tsia? Ny hitany dia niredareda ny tontolo ary toa nahatazana ny Lakandranon’i Andriantany izany izy fa tsy azony antoka tsara. Ny azony antoka kosa dia ilay omby. Omby tsy hay hoe naninona loatra fa toa nidanaka tsy hay hoe nahoana. Dia tsikariny ihany koa ny mason’ilay omby. Tsy nijery anazy fa nijery ambony, tao ambony tafo, dia nihorohoro sy nirifatra nandositra.
Nobedain’i Lisy nalaky ilay gadanà tamin’ny tany nopitsohan’ireo mpandroba.
Tsy niteny izy tsy nivolana fa nokitikitihany teo. Tsy dia simba loatra angaha raha ny tazan-dRabe avy lavitra fa toa vitan’i Lisy vetivety ihany ny namerina azy tamin’ny laoniny. Tsy simba mihitsy moa izany raha ny marina fa nisokatra fotsiny, nanana lakile ireo mpandroba asa hoe taiza. Nangata-maso tany amin’i Lisy Rabe nahare an’ireo feon-tongotra vao mainka nihamafy tsy hay hoe ho aiza izany fa toa nandroso niverina tao ambony tafo tao fotsiny.
Tsy dia taitra i Lisy fa notohizany ny nataony, avy eo izy anao fihetsika mantsy an-dRabe. Tsy azon’ity farany ny dikan’ilay tanany nanao fihetsika fa akory ny hatarainy nony niandrandra ny tafo i Lisy sady niantsoantso nanao hoe:
E!
Naka sisiny avy hatrany, nihemotra tany amin’ny kihony lavitra indrindra ilay varavarana Rabe. Nipararetra. Iza no tena lasa adala amintsika ry Lisy? Avy hatrany dia nipoitra ny lohan’ilay Zavatra, nitsirika azy roa, nikirazorazo ny volony nisaritaka, ny vatany iray manontolo mbola tao ambony tafo. Nitsiky izy toa nanambara hoe tratrako amin’izay ireto fa hataoko mamay, tsy hamelako fameriny, izaho no nandresy, raha totozy ireto, izaho piso, raha volera, izaho polisy, raha maherifo, izaho milisy, tapitra hatreto ny fangalampiery, vita hatreto ny 27 dia boka. Tsy nampoiziny anefa fa ny an’i Lisy no tonga aloha, natsipiny teny an-tavan’ilay Zavatra ilay gadanà, mailaka dia mailaka ity farany nanakana izany tamin’ny tanany ila sady lokin’ny hehy ihany. Saika nanantena Rabe kinanjo kivy sahady. Mahay ilay Zavatra. Izay no vita ny amiko, ny amintsika roa ry Lisy. Izaho anefa dia mba te hamboraka fitia aminao. Te hitantana anao eny rehetra eny. Te hifampizara ny manta sy ny masaka. Indrindra ny masaka. Ny masaka tsara fa tsy ny may. Fa tsy ny may toy ilay Antananarivo tazany tao aorian’ny lohan’ilay Zavatra.
Poatoizay, tsy nampoizin-dRabe, tsy nampoizin’ilay Zavatra mbola variana nisambotra an’ilay gadanà sy nisioka tsy tafavoaka ny ala akory, nitsambikina i Lisy izay efa nahazo an- tsaina hoe tsy maintsy hisambotra an’ilay gadanà ity Zavatra ity ka ny tanany ila sisa no nitazona azy tsy hianjera koa nararaotiny.
Nitsambikina izy dia notifiriny totohondry mafy dia mafy ny tavan’ilay Zavatra izay sady gaga hoe inona ity mitranga no nitsingidina nipitika lavitra ilay vagao, nikodia tany ho any nilaozan’ilay lamasinina. Tsy azon’i Lisy antoka zato isan-jato ilay izy ny tena marina fa tsy maintsy nanapakevitra izy, dia nahomby ny tetiny. Tao anaty fotoana fohy dia fohy izany rehetra izany no nitranga ary nifatratra tao anatin’ny Lakandranon’i Andriantany ilay Zavatra. Rano masiso milelalela afo. Nikiakiaka ilay Zavatra. Tsy feom-biby tsy feon’olona, tsy tarainan-javaboary fantatra anarana. Toa nahatsikaritra talaho tao anaty masony fotsy botsiaka izany ilay omby sady nandositra ihany no tsy naharitra fa nangalapijery.
Nisento Rabe tao anaty vagao.
No-sauver-nao indray aho ry Lisy a!
