33

Na hifarana aza ny andro, na hifarana aza izao tontolo izao, ato anaty lamasiniko aho.

audio-thumbnail
II33
0:00
/459.5

Sady nivazivazy izy niangola fiteny nikaviavia ihany. Tsy namaly i Lisy. Nokopahan’i Lisy ilay tanany namely totohondry ilay Zavatra dia nitodika tany amin- dRabe izy.

Eroa aloha eroa isika no miesotra (niato izy, nijery ny tarehin-dRabe tsy nahazo na inona na inona amin’izay lazainy, dia nanitsy ny teniny). Efa hiala isika. Eo amin’ny fiafaran’ny Lalana Andrianaivoravelona ka fiantombohan’ny Lalana Amilcar Cabral.

Tsy niova ny endriky Rabe.

Euh… Aiza tsara hoe e? hoy izy sady sadaikatra ihany hoe tsy mahalala anaran-dalana nefa falehany saika isan-kerinandro mankany amin’ny AFt izato izy.

Nibanjina kely azy i Lisy, tsy nitsara velively ny endriny, tsy naneso, toy ny voavakiny ny tao an-tsainy ary azony an-tsaina hoe fa nahoana no sadaikitra Rabe, fa nahoana no tsy fantany ny anaran-dalana.

Eo anoloan’ny La Réunion kely, ilay tetezana kely io.

Dia tsy ren-dRabe intsony ny tohiny fa sarona feon-javatra tsy hainy hoe avy aiza nidoboka mafy. Raha tsy ny tobindasantsy goavana tao Ankorondrano tsy hidoboka toy izany hoy izy tany an-tsainy. Ny vavan’i Lisy fotsiny no hitany nihetsiketsika sady nanatona ihany izy. Tsy nifarana akory ny zavatra tian’i Lisy teneniny dia nosintoniny ny tanan-dRabe dia nitsambikina niala ny lamasinina izy roa.

Bakoly malia kely ianao ity ry Rabe ô?

Sady lokin’ny hehy i Lisy no nisitra ihany nanoloana an-dRabe nitaraina nony niarina. Tsy naratra izy tsy naninona fa ny akanjony sy ny vodim-patalohany fotsiny no nisy triatra.

Nidongidongy ny endriny sady nanara-maso ilay lamasinina namakivaky an’i La Réunion kely ihany izy no nahita vaingan’afo lehibe sahabo habe amin’ny sarety nikoa teo amin’ny lohan’ilay lamasinina izay nipitika. Nifatratra tao amin’ny lakandrano avy hatrany toy ny amalona voadakan-jaza izany. Nanaraka avokoa ireo vagao rehetra. Tsikitsiky no teny amin’ny endrik’ilay mpamiliny hatramin’ny ora farany. Na hifarana aza ny andro, na hifarana aza izao tontolo izao, ato anaty lamasiniko aho. Tazany tsara ilay vaingan’afo hamotraka fa tsy niala izy, naleony nihirahira, dia nakimpiny ny masony.

Raha nisy kely dia potraka tao isika ry Lisy hoy Rabe. Variana i Lisy nandinika ilay lamasinina tao anaty rano marivo tsy nilentika firy fa may fotsiny.

Andao isika hihely takisia

Hoy i Lisy.

Nihiratra ny voamason-dRabe dia nikakakaka izy. Azony an-tsaina hoe héler un taxi no tiany lazaina amin’ilay hoe “hihely”, nampihomehy kely azy izany, hafa mihitsy ny firesak’ity tovovavy, fa ilay hoe hahita takisia tao anatin’izao faharavana tanteraka izao no tena nahalatsaka azy. Mahita lazaina koa ity tovovavy ity. Takisia hono, takisia. Efa ela Rabe tsy nihomehy ohatra izany, nitsilailay tamin’ny tany, tapa-tsinay ara-bakiteny angamba. Toy ny hoe ny ahiahy sy ny tahotra rehetra nandrakotra azy rehetra teo nivadika kakakaka avokoa. Nila tsy nahatana aina izy. Nefa tamin’izay fotoana izay indrindra no nandalo ilay 2CV. Tsy taitra tsy maika tsy hay hoe nipoitra avy aiza. Dia tsy nahateny Rabe, nijanona ny hehiny, nitsangana, nanaraka an’i Lisy fotsiny, tsy niteny, dia niditra tao anatin’ilay fiarakaretsaka. Tsy tonga dia lasa ilay takisia fa mbola niady varotra i Lisy. Tsy nanaiky ilay mpamily efa somary antitrantitra. Tsy nanaiky koa i Lisy. Ela ny ela tsy naharitra Rabe raha tsy niteny hoe amin’ny fotoana ohatra izao ve ianareo mbola miady varotra foana. Nangina izy mianaka. Niara-nitodika tany amin-dRabe, niara-nanao fijery masiaka. Dia nangina Rabe, niondrika nijery ny kirarony.

Dia nanohy ny ady varotra izy mianaka. Nifanaiky ny farany, nitsiky ilay mpamily, i Lisy koa nitsiky kely fa teo anoloana izy dia tsy tazan-dRabe ny endriny. Velona ny milina dia niroso ilay takisia. Saika hanontany zavatra Rabe dia nangina. Tsy hitany izay ambara. Gina tsy nahavolana, tankina naleony ny handriny no naankiny tamin’ny fitatra dia nakimpiny kely ny masony ary tsy nahirany raha tsy teny Anosy. Mbola nijoro ilay anjely teo afovoaniny. Antsahamanitra. May ny ala kelin’Ambohitsorohitra.

Antaninarenina. Rotika, rava, nirefarefa tamin’ny tany avokoa ny trano rehetra. Ny lalana kosa nahavariana fa mbola nahita hirika hatrany ilay mpamily. Ambatonakanga. Lalana Ranavalona III. May ny mosike, rava ny fiangonana tao ambony kely tao. Niakatra ilay fiakaram-be Lalana Printsy Ratefinanahary nihazo an’Andohalo ilay takisia fa tsy naka an’ilay Lalana Tsiombikibo mankany Ambohimanoro—ilay lalana saika nahavoafoakan’ny takisiabe azy mianaka. Taitra kely Rabe hoe ity 2CV kely ity ve dia hahalany an’io lalana io saingy tsy tapitra ny teniny dia tonga teny an-tampony ilay takisia na dia nitaraina ihany aza. Nisy tovovavy nijoro teo. Izay Rabe vao nahita olona teny an-dalana. Onena ilay tovovavy, toa verivery izany, nitovitovy tamin’i Lisy.

Oay!

Nisanasana ny vavan-dRabe, nitodika haingana teny amin’ilay Tranovato fiangonana Ambatonakanga tsy nojereny akory tamin-drizareo nandalo teo. Toa nahatazana tovolahy izany izy teo an-tokotanim-piangonana, saingy tsy tazany tsara, takon’ny setroka. Niverina nitodika tany amin’ilay tovovavy izy, toa tsy tovovavy tampoka, toa sariolona, nefa toa nijery azy. Saron’ny setroka ihany koa, nidona-tsetroka ilay lalana.

Andro inona isika androany?

Sady kizitinjitina ny feony no taitaitra nanontany an’i Lisy. Tsy ren’i Lisy ilay fanontaniana angaha satria izy variana nijery famataranandro. Teo koa Rabe vao nanao tamberina tao an-tsainy hoe hatreny ambony moto ka hatrany anaty vagao dia nijerijery famataranandro foana i Lisy. Na tao am-piangonana aza, tamin’ny telefonin-dRabe naneno, mbola nijery famataranandro kely ihany i Lisy. Fa vetivety ihany dia hadinodinon-dRabe izany eritreritra izany fa nisarika ny masony ilay fitaraboho anatin’ilay takisia. Ilay mpamily nandinika anazy, tsy nijery lalana akory, sady namaly ny fanontaniana nanao hoe:

Andro inona androany? Farandro letsy androany a! Izany ve dia tsy fantatr’ialahy?

34
Nidera mangina an’ireo masera tsy nilavolefona izy, nivavaka hatramin’ny farany, na efa hita izao aza fa potika ny tontolo, nanaporofo fa zavadehibe kokoa ny fiainana any aoriana.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar