Nidera mangina an’ireo masera tsy nilavolefona izy, nivavaka hatramin’ny farany, na efa hita izao aza fa potika ny tontolo, nanaporofo fa zavadehibe kokoa ny fiainana any aoriana.
Nisy masera maromaro teo an-tokotanin’ny Katedraly Andohalo.
Efapolo angamba raha natao tomba-maso. Nivavaka, nihirahira sady nitaraina ihany isaky ny misy lanin’ny afo na nozeran’ny vaingan’afo ny iray tamin-dry zareo. Tsy nanakana an’izy ireo tsy hihira anefa izany, vao mainka aza nihamafy ny hirahirany. Nahagaga an-dRabe foana ny finoan’ny olona sasany.
Na inona mitranga na inona, tsy levona izany finoana izany. Misy aza moa tsy tamby isaina rahonana hovonoina amin’ny fomba mahatsiravina raha tsy mivadika amin’izay inoany, tsy nampihontsina azy ireo. Manontany tena foana Rabe hoe raha izy no tamin’ny toerany, hatramin’ny farany ve izy nifikitra tamin’ny finoany?
Tsy hainy ny valiny. Tena tsy hainy. Mamy ny miaina nefa… Raha ny lohany, raha ny sainy, hanavotra ny ainy, fa ny fony mety tsy hanaiky. Dia tsy hainy hoe iza amin’ireo no handresy. Tsy hainy hoe iza no hihaino ny fanahiny. Tsy tena mahatsapa tena be finoana mankaiza anefa Rabe saingy mafy loha izy ary tsy mba mivadika izany.
Nidera mangina an’ireo masera tsy nilavolefona izy, nivavaka hatramin’ny farany, na efa hita izao aza fa potika ny tontolo, nanaporofo fa zavadehibe kokoa ny fiainana any aoriana. Nandadizan’ny afo ilay Katedraly, efa nanomboka nihotsaka ny rindriny. Nidedaka ihany koa ilay kianja fikabarian’ny mpanjaka fahiny, novaina ho zaridaina nony zanatany dia novaina ho toerana fanaovam-pety sy kitranotrano fivarotana isan-karazany ary kianja fanaovana baolina taty amin’ny faramparany. Nitaintaina Rabe nandalo teo amin’ny Lise Gallieni. Nanomboka nirodana izato izy ary sanatria tany amin’ilay takisia no nianjera. Soa fa tsy nianjera izato izy raha tsy tonga teny Ambatobevanja ilay takisia. Nandrakotra ny zaridainan’Andohalo iray manontolo. Nijanona ilay takisia. Nirodana teo afovoan-dalan’Ambatobevanja ny Lapan’ny Praiminisitra. Nivoaka i Lisy sy Rabe.
Nitodi-doha ilay takisia, tsy hay hoe ho aiza, dia namela tsiky farany ilay mpamily.
