Andray! Mahagaga ny herin’ny tsiky, segondra vitsy fotsiny no takiana ho an’ilay manome, nefa mety hotsaroan’ilay nahazo mandrakizay.
VOASAKANA TANTERAKA NY LALANA HIAKATRA AN’ANDAFIAVARATRA ary ny sisasisam-bato hany fahatsiarovana an’ilay Lapan’ny Praiminisitra no mba nameno ny arabe.
Fahiny, ny tovolahy tao aminy no nampalaza an’Ambatobevanja, sady nisy endrika hono no nisy bika ka azo antoka fa mpangalatra gaigilahy ny fon’ny tovovavy. Nanaovana hira mihitsy moa ry zalahy ireo tamin’izay ka asa raha misy mbola mahatadidy ilay feon-kira na tsia. Taty aoriana, tamin’ny taona 1916, tao amin’ny Lapan’ny Praiminisitra no nanaovana ny fitsarana ny V.V.S. Ny taona 1948, tao ihany koa no nanaovana ny fitsarana M.D.R.M. Fitsarana samy nanetriketrika avokoa ireo, ary indray 11 septambra izay, taona vitsivitsy tao aorian’ny niasan’ny Filoham-pirenena Philibert Tsiranana tao farany, nisy nandoro io lapa io. 11 septambra 1976 fa tsy 2001 tsy akory.
Nodorana tsikelikely Antananarivo sy ny Tantarany, nodorana tsikelikely Madagasikara sy ny alany, izao izy ity may tanteraka, kila indray mandeha.
Trotraka ny fon-dRabe. Nitresaka nizara arivorivo niparitaka tamin’ny arabe kosa ny varavarana amam- baravarankelin’ilay lapa, nitsirara nibahan-dalana ny hany sisa tavela tamin’ireo rindrim-be sy ireo tilikambo niavovona toy ny ampombo naka endrika havoana ka raha tsy te hiverin-dalana dia tsy maintsy nananika. Mananika sisan-dapa. Tsy nisy na hirika aza azony nitsofohana. Na nihodinan-kavia na nihodinan-kavanana, tampina ny daomy fa tsy maintsy mananika ireo potipoti-dapa raha te hiroso. Tsy hain-dRabe tsara hoe ho aiza marina no hitondran’i Lisy azy fa tsapany fotsiny hoe tsy maintsy ho eny an-tokotanin’ny Rova ihany ity tantara ity raha izao fandehany izao. Eo an-tokotany andrefan’ny Rova, ary i Lisy eo ankavanany. Fa maninona? Tsy hainy loatra. Tsapany fotsiny hoe hiverina eny izy roa. Dia nijery an’i Lisy izy.
Avo dia avo ilay sisan-dapa tokony ianihana. Sahabo trano roa rihana. Tsy hainy akory rahateo raha mbola nisy lalana tao ambadika tao na efa nirodana tsy nisy ihany koa ny arabe ka hantsana no hitsena azy. Tsy hainy rahateo na mety hirodana tampoka koa izato izy ka ho tototry ny vato ao izy roa. Toy ny nanjo ny reniny teny Ambatonakanga. Nitalaho Rabe, nanganohano ny masony.
Hoy fotsiny i Lisy nampahery azy:
Rabe ô! Izay tsy miroso, mihemotra, izay tsy miakatra, midina, izay tsy mihetsika, mi… (niandry kely an-dRabe izy raha hanohy na tsia, nony hitany fa tsy nanohy ny teniny ity farany dia notohizany), izay tsy mihetsika, mihitsoka.
Dia sady nitsiky izy no namato-bolo tamin’ilay pensilihazo mainty sy volomboasary nindraminy tamin’ilay mpamily takisia teo no nianika izy. Tsy rototra. Na dia natahotra fadiranovana aza Rabe, namelombelona aina azy ny nahita an’i Lisy nitsiky, toy ny nanindrona adirenalinina ny fony, nampisinda izay mety ahiahy rehetra ary nanome angovo vaovao. Mahagaga fa tsiky iray tokana monja dia manova zavatra maro. Raha iny ianao sorena mivoaka ny trano iny, vao mahita olona na tsy fantatrao akory, mitsiky aminao, dia mivadika ny rasa, mibaliaka ny masoandro, tsofin-drivotra ny rahona, ravoravo ny andronao. Indrindra moa raha somary mahafinaritra anao izay ilay olona mitsiky aminao. Andray! Mahagaga ny herin’ny tsiky, segondra vitsy fotsiny no takiana ho an’ilay manome, nefa mety hotsaroan’ilay nahazo mandrakizay. Mahagaga ny herin’ny tsiky. Koa naforotry Rabe ny tanan’akanjomandriny dia nanaraka an’i Lisy izy. Riram-baravarankely no nofikiriny dia nampiakariny ny tongony havanana, napetrany teo amina vato be nangoaka arabe. Dia nianika tsikelikely izy, nitady zavatra mafimafy azony antoka fa tsy hahasolafaka azy. I Lisy moa efa lasa alohaloha keliny, kinga dia kinga hatrany toy ny efa zatra manani-tendrombohitra hatry ny fahakeliny izany raha ny fahitan-dRabe azy avy aty ambany.
Tsy fantany tamin’izay fa dieny kely tokoa i Lisy dia efa nampianarin-drainy karazan-java-maro toy ny taingin-tsoavaly, moto, lomano, mianika tendrombohitra, haiady toy ny diamanga sy karate. Maro ny zavatra mbola tsy fantatry Rabe momba an’i Lisy tamin’io fotoana io ka ny nidanaka no nataony nanoloana ny talenta maron’ilay tovovavy. Na ny toetrany aza hafa kely mihitsy. Mavitrika, matsilo, mailaka, milanto firesaka nefa hentitra rehefa ilaina, tsy dia be teny rahateo fa rehefa miteny dia toa ankamantatra, toy ny firesaky ny olona efa antitra dia antitra niaina tamina vanim-potoana efa navalon’ny Tantara. Nisy poti-biriky vitsivitsy nifotetaka teo amin’ny handrin-dRabe. Nitaraina izy. Tsy dia narary loatra ilay izy fa nitaraina izy. Niala tsiny i Lisy, ny kirarony nanitsaka tapa-biriky no nahatonga izany, saika nianjera izy aza raha tsy nahatazona vodin-tsabatra nilentika tao anaty rindrina nivalampatra teo amboniny. Nofafan-dRabe ny handriny dia nitraka tany amin’i Lisy izy. Vodi-kiraro no tazany ary sarintanin’i Madagasikara no toa marik’ilay kiraro, solon’ny faingo amin’ny Nike na ireo bandy telo amin’ny Adidas. Sady nanohy ny fianihana ny korotam-bato izy no lasa saina hoe mba aiza loatra àry ity zazavavy ity no miantsena. Nony tonga tany an-tampony izy, sady sempotra no gina nijery avy eo ankavanany an’Iarivo tafihan-danitra midedaka, nilomano tao anaty afo manonja sy fako mihoson-dra mirehitra misavovona.
Nanamarina izy nijery aloha hoe nisy ihany ilay arabe nahiany ho tsy nisy.
Tsy nirodana, azo aleha soamantsara. Niantso azy i Lisy efa tery ambany tery nanamafy hoe malakia malakia midina sady nijery ny famataranandrony ihany izy. Dia nidina Rabe, tsy dia nananosarotra loatra noho ilay nianika, tonga tokoa tamin’ilay fomba fiteny hoe valin’ny voky, noana ary valim-piakarana fidinana fa na izany aza vao tafapaika tamin’ny arabe ny tongony dia reny nihovitra ny tany. Niboraka ilay antontam-bato vao avy nianihany ary nanambana hitontona tany amin’izy roa. Toy ny tsy teo, nirifatra nihazakazaka. I Lisy no nitarika ary Rabe niezaka nahatratra azy. Nidoboka toy ny andiam-boatavo tao aoriany tao ilay sisan-dapa nisavovona. Izay nipe-tany dia nipatitaka sy nitora-bovoka jiaby. Raha tsy teny amin’ny tiribonalin’i Ambatondrafandrana izy roa tsy nijanona ary raha nisy kely fotsiny, raha nitamatama, tototra tao izy roroa. Niketrona kely i Lisy, toy ny hoe nisy nanosika izany ilay izy satria tamin’izy nananika azy tsy nisy antony tokony nianjerany mihitsy raha ny fahatsapany azy.
