36

Nisy fiara 4x4 nivadika teo anilan’Ambatondrafandrana. 4x4 mainty raitra dia raitra tsy mbola nandeha lalandratsy, tsy mbola nahita ambanivohitra

audio-thumbnail
II36
0:00
/398.5

Toy ireny trano be fahitan-dRabe tamin’ny sarimiaina Les Chevaliers du Zodiaque fijeriny tamin’ny mbola kely ireny ny fandinihany an’ ilay tiribonaly.

Maritrano grika tranainy. Tsy fantany fa marina dia marina ny eritreriny. Ny mpahaimaritrano Parrett no nanorina azy araka ny fanirian- dRanavalona II hoe tsy asiana rindrina fa andry fotsiny amin’izay azon’ny vahoaka atrehina ny fitsarana tao Ambatondrafandrana. Dia ny tempoly grika no hitan’i Parrett hoe nanakaiky indrindra izay fanirian’ny mpanjaka izay. Tsy afaka nijanona ela anefa Rabe nandinika akaiky kokoa izato Lapan’ny Fitsarana nampahatsiaro azy an’ilay sarimiaina nankafizina fony kely fa tonga dia niakatra tany an-dRova izy roa. Nisy fiara 4x4 nivadika teo anilan’Ambatondrafandrana. 4x4 mainty raitra dia raitra tsy mbola nandeha lalandratsy, tsy mbola nahita ambanivohitra. Itony ny 4x4 ny tanàndehibe, hoy Rabe mantsy an’i Lisy, 4x4 tsy mahazo entina raha ratsy ny lalana fa sao dia kiaka, sao sola ny kodiarana. Nihomehy i Lisy. Ny anton’ny namoronana an’izy ireny tokoa dia ny hahazaka lalan-tsy zakam-piara tsotra, hisakaiza amin’ny vovoka sy fotaka, hita rano, hamakivaky ala, hanani-tanety, fiara tsy mataho-dalana araka ny fiantso azy. Nihomehy koa Rabe. Dia nanenoneno tampoka ny anjomaran’ilay fiara, toy ny hoe niara-nihomehy tamin’izy roroa.

Toran’ny hehy i Lisy, tsy nahatana aina. Tsikaritry Rabe fa nitovy amin’ny feona vy nifampikasokasoka ny fihomehin’ilay tovovavy, nikarantsana toy ny hehin’i Mozart hitany tamin’izay sarimihetsika iray izay. Tsaroan-dRabe tsara manko ilay hehin’i Mozart satria tsy matiny lolo mihitsy hoe toy izany tokoa ve ny fihomehin’izato mpitendry mozika kalazalahy. Ratsy hany izany.

Dia akory ny hagagany fa eny ny valiny, nisy vavolombelona nilaza fa hafa dia hafa ny fihomehin’i Mozart, toy ny vy nifampikasokasoka, toy ny fihomehin’i Lisy rehefa tapa-tsinay. Ratsy hany izany raha hehy hoy Rabe anakampony. Nefa tsy foiny fa vao mainka aza naneva, ratsy kely nahafatifaty. Nitazana an’Antananarivo Rabe. Nidona-tsetroka. Rehefa mijery an’ireny seria amerikanina ireny izy dia matetika avy aty ambony ny fakantsarimihetsika entin’ny angidimby ahafahana mampiseho ny tanàna iray manontolo. Dia amin’ireny no ahitany hoe mirindra dia mirindra ilay tanàna, voadinika tsara fa tsy natao kitoatoa, na tanàna kely dia kely io na tanàna lehibe dia lehibe tahaka i New York. Mirindra ny trano, tsy samy manao izay danin’ny kibony fa mirindra tsara. Na ny toerany, na ny endriny, na habeny, na ny lokony. Ahitana sahantanàna hatrany etsy sy eroa, miara-miaina ny trano sy ny hazo, ny kolotara sy ny ala, ny fivoarana sy ny zavaboary. Nisy manam- pahaizana sy olonkendry nandinika fa tsy natao fahoany fahoany, tsy navela nentin’ny baranahiny sy ny kolontsain’ny kolikoly isan-karazany.

Nisy fanajariana tanàndehibe mazava. Nisy an’izany Antananarivo taloha, tamin’ny andron’ny Mpanjaka, tamin’ny andron’ny Governora, tamin’ny mbola tsy nofidiana ny mpitondra, nisy an’izany Antananarivo taloha. Nijery kely ireo trano kambana Rabe, Mahasoa sy Manalefona, fitoeran-defona sy fitaovana maro samihafa fahizay. Nateza roanjato taona mahery ireto trano, vavombelon’ny fiovan’ny toetrandro sy ny mpitondra sy ny hagegen’ny olombelona ary ny fiafaran’ny olombelona. Nidonaka. Niova tampoka ny fihomehin’i Lisy. Lasa tsy nahafatifaty intsony. Lasa hehin-doza. Nitodika Rabe, sadaikatra. Lisy tsy nihomehy no nijery azy. Nefa ilay hehy nitohy.

Dia niara-nitodika izy roa, dia niara-nahita ny mason’ilay Zavatra noheveriny fa resy tao an-Dakandranon’i Andriantany. Maso roa fotsy botsiaka nanjelatra tao anatin’ny vovoky ny sisasisan’ny Lapan’ny Praiminisitra sy ny setroky ny sisasisan’Antananarivo. Azon’i Lisy an-tsaina avy hatrany fa tsy nianjera ho azy tokoa ilay vatovato be teo fa natosik’ity Zavatra avy tao ambadika. Nanongo tena kely izy hoe mbola variana nikakakaka teo fa tsy tonga dia niakatra. Dia nihazakazaka indray izy roa setrin’izany. Hazakaza-dava ara-bakiteny tokoa ny fiainana. Indrindra tato ho ato izay. Indrindra ny an’i Lisy sy Rabe. Niditra nalaky ny vavahadin’ny Rova. Gagagaga Rabe nandinika an’ilay tsangambatona vorona teo amboniny.

Angaha moa tsy iray ny vorona teo? Angaha moa tsy voromahery ilay izy? Saingy tsy nanam-potoana loatra nandinihana izy fa ilay Zavatra efa nihazakazaka toy ny gaigy tao aoriany tao ary tsy nino ny masony loatra izy raha nahatsikaritra fa toa nanara-maso azy ireto goaika ankiroa toa tsy tsangambato fa velona. Tsy hay loatra hoe nankaiza ilay voromahery nafaran’i Jean Laborde avy any Lafrantsa tamin’ny 1840 tamin’izay fa dia nohidian-dRabe haingana aloha ilay vavahady. Azony an-tsaina ihany fa tsy hahasakana an’ilay Zavatra ilay vavahady mihidy fa mandry kokoa ny sainy nieritreritra hoe nikatona tsara ny vavahadin’Anatirova. Nahita rojo be tamin’ny tany i Lisy, nalainy, avy dia nataony solon- karetsaka tamin’ilay vavahady, nofatorany nataony fato-maty dia nirohotra nankany amin’ny tokotany andrefana izy roa. Tonga teo amin’ny vavahady ilay Zavatra, tsy sahy nitodika Rabe nanamarina fa henony fotsiny ny feon’ilay vavahady nihozongozona sy ilay rojo vy nanenoneno.


37
Dongidongy kely, toy ilay hiran’izay tarika Nataa Db izay sendra henon-dRabe tamin’ny Facebook indray maka.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar