37

Dongidongy kely, toy ilay hiran’izay tarika Nataa Db izay sendra henon-dRabe tamin’ny Facebook indray maka.

audio-thumbnail
II37
0:00
/259.75

Tsy nisy Lapan’i Manjakamiadana intsony tao Anatirova.

Tsy nisy Lapa nijoro intsony moa izany raha ny marimarina kokoa fa vatovato nifampitaingina sisa no teo. Saika nianjera avokoa ny rindrim-batony hany ka avy aty amin’ny vavahady avaratra—ilay fidiran’ny mpitsidika—dia efa tazana ilay fiangonana tao ambadika tao. Hontsa ny fon-dRabe. May fanindroany ny Rova. Ny Rovan’i Manjakamiadana. Ary tamin’ity indray mitoraka ity nirodana tanteraka ny Lapa. Raha ny tamin’ilay 6 novambra 1995 iny tsy lasa lavitra ny fanadihadiana, toy ny efa zary mahazatra, tsy hita popoka hoe mba iza no nandoro ny Rova, iza no nanakana ny olona tsy hiditra tamin’ny mbola tsy nihanaka be ny afo, tamin’ity indray mitoraka ity kosa avy any an-danitra ny lelan’afo. Nitsamboatra Rabe nihevitra izany. Raha avy an-danitra ny lelan’afo, iza moa izany no nandoro ny tanàna raha tsy…? Dia nijaridina am-pitoerana izy.

Andro inona androany? Farandro letsy a!

Nitamberina tao an-tsainy ny tenin’ilay mpamily takisia toy ny ako teny amoron-tevana. Niverina tao an-dohany ny vava banga ridan’ilay rangahy tazany teo amin’ilay fitaraboho anatiny. Farandro. Tsy nety nino ny sainy. Naleony nieritreritra hoe nipoaka angamba ny Ady Lehibe Faha III toy izay… Nefa iza no mahalala sao dia ny Ady Lehibe Faha III indrindra no Farandro? Nosintonin’i Lisy ny tanany. Izay izy vao nahahetsika indray, nanohy ny hazakazany. Dia tsy lasa lavitra akory dia nijanona i Lisy. Nitazana an’Antananarivo. Dia nitoetra teo anilany Rabe. Dia naneno indray ny trompetra. Naneno ny trompetra faninefany ka izay sisa hazavana avy amin’ny masoandro takona tao ambony tao sy ny volana sy ny kintana tsy hita hoe aiza, dia nihena ampahatelony ka lasa maizin-kitroka ilay andro efa maizina.

Ny afo tetsy sy teroa sisa no hany nanazava ny tontolo. Tsy dia taitra intsony Rabe, tsy azony an-tsaina hoe inona no mbola ho loza noho izao efa mitranga izao kinanjo, inona hoy ianao, tsy tapitra akory ny eritreriny dia nisy voromahery nikopa-kelatra sy nihiaka tampoka teo ambonin’izy roa toy ny nihirahira hoe:

Loza! Loza! Loza!

Dia nikoropaka kely i Lisy, nikodia saika nianjera izy raha tsy namihina ny sandrin-dRabe. Nifampijery kely variraiventy ny mason’izy roa dia toy ny tsy teo, niarina i Lisy, namotsotra an-dRabe, niverina nijoro toy ny tsy nisy na inona na inona. Nahita henatra kely niserana teny an-takolak’i Lisy angaha Rabe tsy azony antoka loatra fa dia nampitsiky azy izany. Nampitsiky vendrana azy. Dia nitsipalotra izy. Hitan’i Lisy ny tsikiny. Angamba.

Nihamaizina tsinona ny andro, ny taratry ny afo koa nandalo dia nandao, nandalo dia nandao, tsy nitoetra firy. Tsy tazany loatra raha tsiky no nasetrin’i Lisy taminy na dongy. Dongy kokoa angamba.

Dongidongy kely, toy ilay hiran’izay tarika Nataa Db izay sendra henon-dRabe tamin’ny Facebook indray maka. Nahafinaritra ny fony. Tsiky iray sy dongidongy kely tao Anatirova nibanjina ny faharavan’Iarivo. Dia nikiakiaka i Lisy. Dia variana Rabe. Dia vao mainka nikiakiaka mafy kokoa taminy i Lisy. Dia nihiratra ny mason-dRabe. Dia nobedain’i Lisy ny sandriny sady nanatona ny tarehiny ny tavany dia…

Taitra Rabe.


38
Fanaony izay mibanjina elaela izay, mamadibadika ny lelany impito vao miteny sady mamela an-dRabe handinika rahateo.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar