Fanaony izay mibanjina elaela izay, mamadibadika ny lelany impito vao miteny sady mamela an-dRabe handinika rahateo.
Tsy taitra avy tao am-pandriana intsony kosa Rabe fa taitra tonga saina.
Tonga saina izy hoe tenaizy izao iainany izao fa tsy nofy ary Farandro tokoa no mitranga teo ambany masony. Tsy nisy nofy velively izany ireny rehetra nitranga taminy ireny fa tenaizy avokoa. Na izany aza betsaka no mbola tsy nazava taminy. Rehefa hitan’i Lisy fa nifantoka Rabe dia tsy nikiakiaka intsony izy fa nanomboka nanazava kosa. Tsy manam-potoana ela isika fa mivaralila ny fotoana hoy izy sady nijery ny famataranandrony izy. Saika nanontany Rabe hoe fa inona foana ity mijery famataranandro ity fa naleony tsy nanontany aloha satria fantany tsara fa ao ananonanona ao ilay Zavatra. Manomboka mipatitaka ny heba efa-drefy, hoy i Lisy. Hitany fa tsy azon-dRabe hoe inona ny atao hoe heba efa-drefy dia nanazava izy. Ny heba telo refy dia ilay hitantsika izao, izay manodidina antsika rehetra fantatra kokoa amin’ny anarana hoe 3D angaha.
Nanaiky Rabe na dia tsy azony tanteraka aza azony ihany hoe ilay sary miaina ankafiziny ireny matetika 3D— Toy Story ohatra—ary mora ny manavaka azy amin’ny sary miaina 2D satria somary mivaingambaingana kokoa itsy voalohany. Ny kilalao amin’ny Playstation koa dia saika 3D daholo moa tany am-pianarana tamin’ny taranja matematika, tsaroany ilay kisary misy x ny mitsivalana, y ny mijoro ary rehefa misy z ilay izy hoy ilay mpampianatra dia 3D izay. Koa nanohy i Lisy rehefa hitany ny lohan-dRabe nihetsika kely. Rava ny heba telo refy. Ny tontolo hita maso. Fa rava ihany koa ny heba efa-drefy, izany hoe ny tontolon’ny fotoana. Tonga ny Farandro. Dia niato kely izy, nijery an-dRabe nanamarina raha naharaka tsara ny tiany hahatongavana. Dia nanohy izy, ny Farandro moa dia tsy inona fa ilay antsoin-dry zareo ihany koa hoe ny Fiafaran’Izao Tontolo Izao na ny Fiafaran’ny Fotoana. Tsy ny tontolo teo ambany maso sy teo ambony maso ihany no rava fa ny fotoana ihany koa. Nifarana ny Fotoana. Nifarana ny Andro. Izay no mahatonga anao tsy mahatadidy loatra na inona na inona afa-tsy ilay indray alahady sy ilay alatsinainy ihany sy tranga mitsilopilopy samihafa, androany daholo izany andro izany raha ny tena marina, hoy izy nanamafy, ary izay no nahatonga anao toa mandroso miverina toa miaina tranga efa niainana toa mitsambikina tampoka avy ary nankaty, izay no nahatonga ny reninao velona, dia maty, dia velona indray, dia…
Nitandrina fatratra i Lisy namarana ny teniny nanao hoe:
… Maty indray.
Nifararemotra Rabe, ambivitra ny ranomasony, fa nisinda haingana izany. Dia nanohy indray i Lisy.
Mbola tsy nifarana tsara ny andro, fa efa kely dia kely sisa. Mitsimbadika ambony ambany izy io, mihamisinda, mihafoana ary izay no tena mampikorontana ny tontolo, rehefa ny fotoana no rava, dia manaraka ny zava-drehetra.
Niato kely indray i Lisy. Nisento. Nijery kely an’Ambohijanahary efa kely sisa dia lanin’ny afo tanteraka.
Manao tsipaky ny miala aina sisa no ataon’ity tontolonareo ity, iarahantsika miaina izao ka…
Nanapaka Rabe nisendoatra, taitra izaitsizy, nanangan-tanana toy ny any an-dakilasy ireny mihitsy.
Andraso mihitsy aloha! Ny tontolonareo comment? Ny tontolontsika hoe, tu veux dire…
Nibanjina elaela an-dRabe i Lisy. Fanaony izay mibanjina elaela izay, mamadibadika ny lelany impito vao miteny sady mamela an-dRabe handinika rahateo.
Tsy avy eto amin’ny Planète Terre ianao e? Pas vrai?
Hoy Rabe.
Nifampijery izy roa. Tsy te hino ny soritry ny tarehin-dRabe, tsy te hino sady tsy te hihaino ny valiny nefa dodona ihany hahare izay marina.
Tontolonareo ity!
Hoy i Lisy ny farany sady notsindriany tsara ilay -nareo amin’izay henon-dRabe tsara, amin’izay nilentika sy nifantsika tsara ao an-dohany.
Nitodika tampoka i Lisy. Indro ilay Zavatra niantsampy teny amin’izy roa rehefa avy nanodidina tany amin’ny tokotany atsinanana, nitaingana ny Fitomiandalana efa nilaozan’ny afo, nanavatsava ny toerana nisy ny Tranovola, ny toerana nisy ny Manampisoa, dia niakatra teny ambony tafon’ny Fiangonana efa kely sisa dia hirodana. Avy eo izy no naka bahana tsara dia nitsambikina. Natosik’i Lisy nalaky Rabe mba tsy ho tratran’ilay Zavatra sady nikiakiaka izy hoe raiso io karipetra menamena amin’ny tany io dia araho aho. Tsy nanam-potoana nieritreretana firy Rabe fa tonga dia notanterahany ny baikon’i Lisy. Noraisiny ilay karipetram-piangonana somary may sendra nirefarefa tamin’ny tany teo dia nirohotra nanaraka an’i Lisy nankany amin’ilay vavahady teo akaikiny teo izy. Soa fa nisokatra ilay vavahady ka nony tafidina kely ilay tohatra Rabe dia nitsamboatra ny fony, takany ny tao an-tsain’i Lisy. Ilay karipetra teny an-tanany dia ho solon-tsihy hanaovana gorisa gorisa amin’iny Ampamarinana iny. Nefa hantsana no niandry fa tsy solampy azo hanaovana sikia raha nisy lanezy Antananarivo. Tsy navelan’i Lisy hiahotra akory anefa Rabe fa tonga dia nororitiny ny vozon’akanjony. Ilay Zavatra moa efa nanao ny ainy tsy ho zavatra—fomba fiteny tsara fipetraka—tao afara tao nidina ny tohatra, nibilabila toy ny alika romotra koa tsy ela dia nitsambikina i Lisy sy Rabe.
Nitsambikina teo Ampamarinana, fa tsy navarina toy ny kristianina tamin’ny andron-dRanavalona I noho ny finoany tsy nitovy tamin’ny an’ny mpanjaka intsony tamin’ny fotoana androny.
