39 (Indro àry, deltaplanina)

Dia tarazon’ny baranahiny no nitsena ny tanoran’ny taonjato faha XXI, ny tanoran’ny taona 2000, ny indraimihira teraka 2000 no midina, 2000 kely no miakatra kely.

audio-thumbnail
II39
0:00
/272

HAFA KELY HATRANY ANTANANARIVO INDRINDRA REHEFA JERENA AMIN’NY ALINA.

Ny teboteboky ny jiro kely manazava toy ny kintana ambany lanitra mandravaka ny haizin-kitroka mitsilo ny sisa elakelantrano tsy nilaozan-takamoa mirehitra alina fa tsy antoandro, mitari-dalana avy lavitra ny miakatra an-drenivohitra hitsidika, hizaha, hihary, handranto, hanatri-maso sy hiaina izany atao hoe fandrosoana izany. E, izany fandrosoana izany. Fandrosoana inona tokoa moa rehefa dinihana. Tsy mirindra ny tanàna, samy manao izay saim-pantany ny tsy mandanjalanja rehetra, tsy nisy nanara-maso ny tompon’andraikitra to teny isan’ambaratonga hatrizay fa mizaka ny vokany sisa ny taranaka taty aoriana tsy nangataka  na inona akory afa-tsy masoandro mihiratra tsy miangatra sy ho avy mba misy fanantenana. Toy ny tanora rehetra eto ambonin’ny Tany ihany, na aiza io na aiza, samy te hanofy, samy te hanantanteraka ny nofiny. Dia tarazon’ny baranahiny no nitsena ny tanoran’ny taonjato faha XXI, ny tanoran’ny taona 2000, ny indraimihira teraka 2000 no midina, 2000 kely no miakatra kely. Dia ny tanora indray no mbola omen-tsiny hoe tsy mahalala fomba, tsy manaja ny teny malagasy, tsy mahay Tantara nefa iza moa no tokony mampianatra ny tanora ny fomba, raha tsy ny zoky raiamandreny isanisany? Iza no tokony nanoro ny tanora ny fanajana ny teny malagasy raha tsy ny zoky raiamandreny isanisany? Iza no tsy nampahita intsony ny Tantara ny tanora raha tsy ny zoky raiamandreny isanisany? Dia iza no manome tsiny lava izao raha tsy ireo milaza ny tenany ho zoky sy raiamandreny ireo ihany? E, Antananarivo andihizan’ny redaredan’ny afo mandoro.

Te hanantena Rabe.

Te hino hoe tsy rava ny tanànany, tsy rava ny renivohiny kanefa inona intsony moa no azony natao, indro rava teo ambany masony ilay Antananarivo ary tsy ny ranomasony irery no hahavita hamono ireo afo mijoalajoala mandihy sy mitsinjaka mandrangitra ny fony sy mamotika izay takatry ny masony rehetra ireo. Tsy ny ranomasony irery. Tsapan’i Lisy nikoriana tao amin’ny hatony ny ranomason-dRabe. Tsy nitsingidina izy roa fa nisidina teo ambony deltaplanina kosa. Karazana lay telozoro sahala amin’ny elonaina azo entina lavitra kokoa ary omby tsara ilay kitapo kely tao an-damosin’i Lisy.

Sokafana ilay kitapo dia velarina fotsiny ilay delitapilanina rehefa tonga ny fotoana. Segondra vitsy lasa manko, noraisany ny tanan- dRabe dia niara-nitsambikiny izy roa. Raha noheverin-dRabe fa nanaovana gorisa gorisa ilay karipetra, hoe solon-tsihy hamono azy diso dia diso izy, diso tanteraka. Tsy inona no nilana an’ilay karipetra fa ny natoraka tany an-tavan’ilay Zavatra hanelingelina azy. Dia nahomby ny tetika. Kinga dia kinga ny tanan’i Lisy nanindry bokotra kely tamin’ilay kitapony dia nivelatra ilay delitaplanina. Kinga dia kinga ihany koa izy nanisy karazan-tady teo an-tepan-dRabe dia avy teo an-tepany. Karazan-tady nampifikitra azy roa tamin’ilay deltaplanina izay vetivety teo dia nikopaka ny lainy niendrika telozoro. Voatohitra ny herimbesatra nitetika ny hisintona azy roa hifotetaka tamin’ny tany.

Voatohitra noho ilay deltaplanina. I Lisy no nitana ny familiana izay vy lavalava nitsivalana ary Rabe teo amboniny sady namikitra mafy an’i Lisy no tsy nilaozan-dranomaso ny tarehiny. Noho ny tahotra. Noho ny alahelo ihany koa. Nanao jery todika ny Rova farany Rabe. Ilay Zavatra no tazany romotra niezaka nanala ilay karipetra teo an-tavany. Nanao veloma farany ny Rova Rabe dia tsy niherika intsony.


40
Nilofo i Lisy, nikoremby, tera-tsemboka, namikitra mafy dia mafy ny familian’ilay deltaplanina ary nandidy azy araka izay tratrany handeha any amin’izay lalany tiany nizorany.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar