Vetivety ihany dia nidify teny amin’ny kihon-dalana teny ambody fiakarana Rabe ka ilay tsangabato fahatsiarovana an-dRatsimandrava sisa no nobanjinin’ireto goaika sady nanongilan-tsofina toa niezaka nanakatra feo tsy hay hoe avy aiza, tsy hay hoe an’iza izato vorona.

6 min read
Prology
Zendana. Gaga. Variana. Tsy mbola nino tsara. Nitsoraka tao aty rano avy hatrany i Lisy, vonona hamonjy an-dRabe. Hamonjy azy indray. Na inon-kidona na inon-kitranga.
5 min read
1 (Toko I - Taloha kelin'ny farandro)
7 min read
2
Nifofofofo indray ny rivotra ka nentiny lavitra ilay harona sase, nentiny nisidina iny kianjan’Ambohijatovo iny, Andohan’Analakely, Tranompokonolona, saika naviliny ho eny amin’ny Totohabaton’Antaninarenina iny nefa narosony indray ho any amin’iny Tsangambaton’i Jean Ralaimongo iny