40

Nilofo i Lisy, nikoremby, tera-tsemboka, namikitra mafy dia mafy ny familian’ilay deltaplanina ary nandidy azy araka izay tratrany handeha any amin’izay lalany tiany nizorany.

audio-thumbnail
II40
0:00
/463.5

Sambany hatrizay vao nisy deltaplanina nisidina izany niainga avy eny Anatirova.

Indrisy moa fa efa nidedaka Antananarivo ka tsy hisy hankafy loatra izany, na ireo izay nahatazana avy aty ambany aza gagagaga fotsiny fa tsy dia tena hoe variana tahaka ny inona satria ny ainy no navotany, ny lalan-kitsoahana no nizorany. Nitsoka mafy ny rivotra tamin’izay ka toy ny sase entin’ny riaka ilay deltaplanina ka sarotra tamin’i Lisy ny namoy azy araka ny tokony ho izy na dia nifantoka izaitsizy aza izy.

Rabe mbola nororitin’ny fihetseham-po.

Ny alahelo tetsy andaniny nahita ny renivohiny rava, nahatsiaro ny reniny nitondra azy tao amin’ny kianjan’i Mahamasina nihazakazaka tamin’izy nanomana fanadinana tamin’izany, ny tahotra tetsy ankilany notapohan’izay vao mba nanidina izany ka tsy hita loatra izay azony natao afa-tsy ny nifitsaka namikitra an’ilay tady moa i Lisy, teo ambaniny indray tamin’ity no somary nikoropaka. Nikoropaka kely mihitsy izy satria tsy voafehiny intsony ilay deltaplanina sady nitambesatra loatra Rabe. Nopehiny kely ny handrin’ity farany. Tsy niraika Rabe nivandravandra nefa tsy nijery na inona loatra fa vaka fotsiny. Dia nankany amin’ny tsy izy ilay deltaplanina. Nahery dia nahery ny rivotra nitsoka an’izy roa nankany Ambohijanahary izay efa nitsonika tsikelikely toy ny gilasin-jaza tratran’ny hainandro iny.

Nodonin’i Lisy indray ny handrin-dRabe. Mafimafy kokoa. Tsisy vokany hatrany. Nanomboka nikoropaka tsy nahita loatra izay natao i Lisy, vetivety kely dia nandingana an’i Fiadanana izy roa, vetivety kely dia efa reny mandoro kely ny hodiny ny afo niredareda nandravarava an’Ambohijanahary.

Nandena ny masony, tsy nalahelo loatra, ny setroky ny afo. Ny hany sisa nataony, niandrandra izy, nobedainy ny lohan-dRabe dia… norohany.

Zendana ity farany.

Zendana tanteraka.

Sady finaritra aoka izany.

Toy ny andon’ny maraina nanokatra ny tsiambaratelon’ny habakabaka ny molotr’i Lisy ka nampihira ny lanitra, nampitsiky ny kintana, nampitsinjaka ny planeta nanodidina ny masoandro manontolo. Toy ny tsy nateraka fa notefena raha ny lefaky ny molony, somary nandena ny azy vakivaky, nanafosafo ny fanahiny, nanaikitra kely tsy nandratra, nanaisotra ny nanjonitra, nanasitrana ny nanary, nanavotra ny very, nanaitra azy natory tsy nikimpy toy ilay indro raitra indrindra nisidina teo ambony Farandro.

Zendana koa i Lisy tamin’ny fihetsiny. Tsy nampoiziny loatra fa nandeha ho azy, tao anaty fikoropahana, tsy nanam-potoana nieritreretana firy fa tonga dia nataony fotsiny, toy ny hoe tsy niera tamin’ny sainy ny vatany fa nanapa-kevitra samirery, toy ny hoe naongan’ny fony ny sainy tao anatin’ny indray mipimaso monja. Ka natosiny nihemotra nalaky Rabe izay tsy nitambesatra intsony fa lasa maivana tampoka toy ny volomboronkely nolefahan’ilay oroka.

Naviliny haingana ilay deltaplanina. Mbola nahery anefa ny rivotra ka na dia tafaviliny ihany aza ilay deltaplanina triatran’ny rantsan-kazo ny lainy.

Ampy ihany anefa ny ezaka nataony na izany aza, tsy natelin’i Ambohijanahary izy roa fa niridana tsy hay hoe ho aiza nentin’ny rivotra mbetika nankany Mahamasina mbetika niverin-dalana nankany Manjakamiadana. Nanavotra azy roroa ilay oroka tsy nahy. Ilay rivotra kosa na tsy dia nifofofofo loatra intsony aza ilay lay triatra tsy nanampy mihitsy. Nilofo i Lisy, nikoremby, tera-tsemboka, namikitra mafy dia mafy ny familian’ilay deltaplanina ary nandidy azy araka izay tratrany handeha any amin’izay lalany tiany nizorany.

Tsy azon-dRabe an-tsaina hoe taiza no tian’i Lisy naleha. Rabe moa tamin’izay avy niala tamin’ny alahelo niharo tahotra verivery saina izao nisolo fisoneneham-po tsy roa aman-tany ka verivery saina ihany saingy maivamaivana mora nentina kosa fa tsy nitambesatra nanampy trotraka. Ravoravo aoka izany ny ainy manontolo, ravoravo niaraka tamin’ny fitepon’ny fony. Nanaiky ny baikon’i Lisy ilay deltaplanina ny farany. Nilefitra ihany koa ny rivotra. Nihena tsikelikely ny fofofofony toy ny hoe nioko Izaotontoloizao mba ho tody soa izy roa. Nisosa tsimoramora teny ambonin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina izy roa, ny Kianjan’i Mahamasina, izay efa may daholo mazava ho azy, dia avy eo nihazo ny Farihin’i Anosy.

Tsy azon’i Lisy an-tsaina mihitsy hoe ny maso bobon’ilay Zavatra anie ka efa nitampify niandry tsara an’izy roa tao ambadik’ilay Anjely Mainty efa nitsipozipozy tao. Ahoana no nahatongavany tao? Nivoaka avy tao am-bavany ilay rahona mena, nikimpy ny masony, dia nitaingina haingana ilay rahona izy. Nony tonga, niverina tao am-bavany ilay rahona, dia nihiratra indray ny masony. Niandry ilay Zavatra, ho azoko ireto anio hoy izy raha nisy nihaino ny hetahetany. Ka ny rivotra saika nahavery an’i Lisy sy Rabe teo ihany no nanavotra azy roa. Eny tokoa, nony efa akaiky ilay deltaplanina dia niverina nitsoka mafy ny rivotra, nitsoka tampoka teo, ka nidona tamin’ilay Anjely Mainty dia nirodana ilay tsangambato. Ilay Zavatra efa vonon-kanao ratsy niafina tao ambadiny tao, nianjeran’ilay Anjely Mainty, tototra tao. Tsy fantatry Rabe, tsy fanatr’i Lisy akory hoe ilay rivotra nitsoka mafy saika nahapotraka sy ity Anjely Mainty toa tsy nanambina raha tsy nazera ity anie ka nanavotra azy tamin’io. Na ilay Zavatra aza moa tsy fantany akory hoe tao. Naratra ihany izy roa fa tsy hoe tsy naratra tsy akory, mafy ihany tsinona ny fidonan’ilay deltaplanina fa tsy dia nahoana loatra nefa. Tsy nisy taolana tapaka, tsy nisy na inona folaka, tsy nisy tsy vitan’ny kopaka akanjo na nisy ra nandriaka kely tsy dia nankaiza loatra aza.

Toy ny hoe nioko Izaotontoloizao mba ho tody soa izy roa.


41
Ny akanjo tsy fahita nefa misy soratra MADE IN MADAGASCAR, ny firesany moa toy ny Ntaolo ireny na olona mivoaka avy ao anaty bokin’i Maurice Rasamuel sa Clarisse Ratsifandrihamanana sa E.D. Andriamalala.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar