41

Ny akanjo tsy fahita nefa misy soratra MADE IN MADAGASCAR, ny firesany moa toy ny Ntaolo ireny na olona mivoaka avy ao anaty bokin’i Maurice Rasamuel sa Clarisse Ratsifandrihamanana sa E.D. Andriamalala.

audio-thumbnail
II41
0:00
/534.318005

Nokopahan’i Lisy ireo vovobovoka kely tamin’ny akanjony.

Fahazarana fotsiny ny azy ilay nikopaka akanjo fa tsy dia tena hoe nisy inona loatra toy ireny olona miditra ao an-dadosy dia miborosy nify nefa nanasa tanana ny tokony nataony na ireny olona mankao amin’ny efitrano iray dia tsy tsaroany loatra hoe inona moa no nalehany tao. Fahazarana tokoa satria tsy dia nisy antony loatra nikopahan’i Lisy ny akanjony satria ny tontolo aza efa rava, ny ranon’ny Farihin’i Anosy efa niakatra, efa teo amin’ny kitrokeliny fa nahasorena azy na izany aza ny nahita ny patalohany rovitra. Nisy ra kely nitete. Nesoriny ilay lamba akotifahana notafiany dia nofafany kely tamin’izay ilay ra dia naveriny notafiana ilay lamba. Ny an-dRabe rovitra ny tao an-damosiny. Tsy ny lamosiny no goaka sanatria fa ny akanjomandriny. Nisy tataka kely tsy tafiditra lalina fotsiny ny lamosiny ka raha ny hamafin’ny fidona no nojerena, tsy dia naninona loatra izy roa.

Ny tena olana dia ny fofona.

Tsy nahavita raha tsy nanampina orona Rabe na efa nankeo amin’ilay saikanosy kely teo afovoan’ilay farihy niendrika fo ihany niaraka tamin’ireo mpiara-mianatra taminy. Nihoaka izy tsy nahazaka ny fofon’ny loto rehetra naloan’ilay farihy izay tsy tiany fantarina akory hoe inona daholo. I Lisy moa niketrona fotsiny nijery ilay fitoeran’ny vanjan-tafondron-dRadama I fahiny, fitsangatsanganan-dRanavalona I nony avy eo, fahatsiarovana ireo lavo tamin’ny Ady Lehibe I taty aoriana, izao niafara ho rano famarinana ny loto rehetra izao.

Toy ny lakandrano sy ny renirano mamakivavy an’Antananarivo rahateo. Nahonena an’i Lisy ny nieritreritra an’izany, ity tsangambato ity anefa rehefa zohiana no nanakaiky indrindra ny Tsangambaton’ny Fahafahana any Etazonia, ny Tilikambon’i Eiffel any Lafrantsa, ny Mandan’i Sina, ny Taj Mahal any India, ny Piramida any Ejipta. Lasa ny sainy hoe raha miakatra avokoa ireto rano ireto, Anosy, Behoririka, Andriantany moa hahavono ny afo mandoro an’Antananarivo? Sady koriko ihany izy naminavina an’Antananarivo tondra-drano maloto no fantany tsara hoe tsy izany no hanavotra an’ity tontolo iray ity. Nisy tataka kely ny molony ambany, tsaroany ilay oroka teny ambony deltaplanina. Nitodika tany amin-dRabe izy, nanontany tena hoe fa inona loatra no nanosika azy. Ny sainy niteny hoe fanavotana aina ireny moa ny fony niteny zavatra hafa. Zavatra tsy eken’ny sainy mihitsy. Rabe tamin’io sady nanampina orona, nisokitra tain-delo, namafa izany tamin’ny patalohany nihevitra hoe tsy nisy nahita. Nojeren’i Lisy ny famataranandrony. Vaky. Tsy nandeha intsony. Dia nesoriny teny amin’ny hatotanany, nahontsakontsany, nojereny akaiky, tsy azony natao na inona intsony. Simba tanteraka. Nanatona Rabe. Nisy WATCH teo ankavanan’ilay sarina paoma voakaikitra tao ambadik’ilay famantaranandro. Efa hitany tamin’ny tele sy internet ihany izy ity saingy ilay an’i Lisy kosa mbola tsy nahita ohatra izany izy. Hafa mihitsy na ny endriny na ny habeny. Nidanaka Rabe sady nanontany tena hoe avy aiza loatra àry ity tovovavy ity. Ny akanjo tsy fahita nefa misy soratra MADE IN MADAGASCAR, ny firesany moa toy ny Ntaolo ireny na olona mivoaka avy ao anaty bokin’i Maurice Rasamuel sa Clarisse Ratsifandrihamanana sa E.D. Andriamalala.

Dia izao ny famataranandrony toa fantatra nefa tsy fantatra, toy ny famataranandro mbola tsy nivoaka. Nipe-kandrina Rabe. Tonga saina. Raha nihevitra izy teo hoe avy any amin’ny planeta hafa i Lisy na avy any an-danitra, izao vao azony antoka fa diso izany. Tsia, tsy izany no izy fa avy any amin’ny hoavy kosa i Lisy. Avy eto an-Tany ihany, avy eto Madagasikara, fa avy any amin’ny hoavy fotsiny. Toy ireny amin’ny horonantsary amerikanina fijeriny ireny. Ary tonga izy hanavotra azy. Hanavotra an’i Madagasikara.

Nitsiky Rabe. Dia vetivety teo dia tsy nitsiky intsony. Hanavotra an’i Madagasikara? Nijery ny manodidina izy. Tara loatra ianao ry Lisy, diso kajy angamba, ny Farandro ity efa mamarana ny vinany. Sa izay mihitsy? Sa tsy azo sakanana ny Farandro fa izay sisa azo avotana sisa no navotanao? Dia izaho no sendra hitanao? Dia hiverina any amin’ny lasa indray avy eo hiezaka hanakana an’izao? Tsy nahita eritreretina intsony Rabe. Natsipin’i Lisy tany anaty rano ny famataranandrony sady nimonomonona ihany izy. Nitodika tany amin-dRabe izy, tsy nahavita nijery tany anaty maso avy hatrany nahatsiaro an’ilay oroka sady sorena ihany no niteny haingana be.

Tsy haiko loatra hoe firy minitra no ambiny sisa…

Nijery ilay famataranandrony nitsikafona teo anilan’ilay potik’elatr’ilay Anjely Mainty tsy lavitra azy izy.

Fa izao… Mila tsy mitaredretra izaho sy ianao.

Dia nesoriny ny kirarony sy ny ban-kirarony tao anaty rano tao izay efa tsy teny an-kitrokely intsony fa efa nananika ny ranjo. Taitra Rabe sady variana nahita ny ban-kiraron’i Lisy mavokely nisy sarina aiay be maso kely natsipiny tany ho any tsy noraharahiany loatra hoe nankaiza. Tsy dia azon-dRabe loatra hoe inona ity zava-nitranga raha tsy i Lisy nanetsiketsika tanana toy ireny olona handeha hilomano ireny. Inona tokoa, niomana ny hitsoboka ao anaty ranon’i Anosy mihitsy i Lisy. Nihiratra ny voamason-dRabe.

A a a kosa e!

Hitan’i Lisy hoe nandà mafy ny sain-dRabe, nanipaka tanteraka izay mety eritreritra hoe hitsoboka ao amin’io rano maloto dia maloto io. Dia natoniny tsimoramora. Tsy niteny izy tsy nivolana fa nojereny fotsiny Rabe. Tao anaty masony. Nodinihiny, notiliany fotoana fohy. Nalentiny tao anatin-dRabe ny fijeriny. Tsy nila niteny izy. Tsy nila niloa-bava akory. Dia nilavolefona Rabe. Tsapany ny tian’i Lisy ambara, ny hafatra tiany nampitaina.

Matokia!

Nesorin-dRabe ny kirarony dia nankeo anilan’i Lisy izy samy vonona hitsobo-drano. Ny tanàna ambony tamin’izay efa nanomboka nirodana, nitsonika, nihotsaka, nitambotsotra. Nipararetra farany Rabe, naka rivotra. Ka ny hany fanontaniana napetrany dia hoe:

Ho any Madagasikara ihany isika e?

Nipimaso azy i Lisy sady namaly tsy rototra.

Ho any Madagasikarako!

Dia nitsiky Rabe. Izay àry ilay efa nampoiziko. Ho any amin’ny hoavy isika. Handeha ho any amin’ny ampitson’ny ampitson’ny ampitso. Hahita an’izany Madagasikara afaka taona maromaro izany. Dia avy eo hiverina hanavotra an’ity Madagasikara lavon’ny afo ity.

Natopiny farany tany amin’i Lisy ny masony, naka rivotra mafy izy, nijery ny manodidina toy ny nanao veloma ilay tanàna efa niala aina farany, dia niara-nitsoraka izy roa.


42
Tsy matin’ny afo ianao Rabe dia havelako ho matin’ny rano indray ve hoy i Lisy taminy.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar