42

Tsy matin’ny afo ianao Rabe dia havelako ho matin’ny rano indray ve hoy i Lisy taminy.

audio-thumbnail
II42
0:00
/261.5

Nitana aina Rabe vao tafatsoboka tao anaty rano.

Nariany tanteraka hiala ny sainy ny loto sy ny fofony. Niezaka moa izany izy raha ny marimarina kokoa nefa tsy ariny fa nony tafalentika kely izy dia nahirany ny masony. Te hahita izy. Dia nahita tokoa. Nirehitra rahateo ilay saikanosy kely ka mba nanazava ihany ny tao an-drano tao. Nandalo teo ambany masony avokoa, nisosa teo anilany, nikasika ny lamosiny ary nisisika hiditra tao am-bavany ireo fako rehetra an’ny vahoakan’Antananarivo sy ireo mpitsidika an-tapitrisany mivoaka miditra mivoaka miditra isan’andro vaky izao. Sase, mazava ho azy, harona sase tsy voaisa intsony, nandrakotra, nikopakopaka tao ambany rano tao, nitsikafona tetsy, niriorio teroa, nanentsina izay azo tsentsenana ary dia tsy ela akory dia nisy sase menamena iray, nisy trondro tao anatiny, nisosososo nanarona ny tavany. Nikoropaka Rabe, sempotra avy hatrany, niezaka nanala ilay sase teo an-tavany. Herim-po very maina. Vao mainka izy nikoropaka, vao mainka tsy afany ilay sase moa ilay trondro tao anatiny nitady lalan-kivoahana ihany koa. Tsy avy niaina Rabe ary raha tsy i Lisy nampiakatra azy haingana, nanilika ilay sase sy ilay trondro tao anatiny, nampaka rivotra azy dia asa fotsiny. Tsy matin’ny afo ianao Rabe dia havelako ho matin’ny rano indray ve hoy i Lisy taminy. Tsy dia lalina ny Farihin’i Anosy.

Misy faritra tsy lalina hijoroan’ireny mpanjono andro antoandro be nanahary hitan’ny rehetra na ny manam-pahefana na ny tompon’andraikitra na ny mpitondra fiangonana na ny masoivoho na ny olom-pirenena. Misy faritra lalina kosa izay tsisy mahafantatra loatra afa-tsy ireo mpanjono ireo ihany, vondron’olona vitsivitsy ary ry Lisy. Sady nikohakohaka Rabe niezaka niaina tsara no vaka nieritreritra ny habetsaky ny harona sase sy ny loto tao ambany farihy. Tsy fantany fa io sase menamena namotraka azy io dia renim-pianakaviana iray izay no nanary azy. Nitondra ny zanany vavy kely izy teny Anosy indray mandeha izay. Teo ampitan’ny RNM tsara. Asa raha ampy 8 taona ny zanany fa dia nampanaoviny zipo fohy sy kiraro avo ary solomaso mainty no sady niosanosana sambosa eraky ny lalana. Nony lany ilay sambosa dia nalain’ny reniny teny an-tanany ilay sase mena dia natsipiny tamin’ny tany, dia notsofin’ny rivotra. Toy ny hoe zavatra faran’izay fomba fanao sy mety indrindra amin’ity tany ity.

Lasa fomban-tany vaovao angaha. Tsy tongatonga ho azy mantsy ireny sase amam-pako nandrakotra an-dRabe ireny fa manana ny tantarany avokoa. Fonona bisikian’ny mpianatra iray tara fidirana, hoditr’akondron’ireo mpiandry takisiabe sy mpandalo, baoritra natsipy avy eny ambony fiarakodiana manam-pahefana, poti-telefonina isan-karazany narian’ny mpifankatia nifamaly, pisy natsipin’ny mpisinto-mahery rehefa avy nesoriny avy ao an-kibon’ny telefoniny vao avy nangalariny. Manana ny tantarany avokoa ny fako rehetra ary rehefa miangona izy ireny dia tsy tsaroan’izay nanary intsony fa ny hafa hatrany no diso, ny hafa foana no omen-tsiny. Rehefa nahazo aina Rabe, dia niroboka indray, niroboka lalina.

Maloto hany izany raha rano!

Masiso hany izany raha rano!


43-44 (Toko III - Nijoro Tranovola)
Ravahan-tebotebo-kazavana hatrany Antananarivo rehefa amin’ny alina kanefa…
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar