Ravahan-tebotebo-kazavana hatrany Antananarivo rehefa amin’ny alina kanefa…
TOKO III - ILAY VOHITRY NY MOFO
DIA NIARA-NAMOAKA NY LOHANY AVY TAO AMIN’NY FARIHIN’I ANOSY I LISY SY RABE naka rivotra niainana.
Madio hany izany raha rano!
Manitra hany izany raha rano!
Tsy nanomofona loto. Tsy nasiso na ny kely aza fa namerovero fahadiovana. Nahatsapa tena ho toy ny fandoto iray tandroka Rabe niravaka ny loto avy any amin’ny Farihin’i Anosiny, toy ny akotry tokana tao am-bilia, mony be teo an-tava, tasy iray teo ambony hosodoka, feon-dokanga nivalana tao anaty amboarampeonkira. Vao nijery ny manodidina kosa anefa Rabe dia tsapany avy hatrany fa tonga nofo avokoa izay tsy sahiny nonofisina intsony hatry ny ela. Ilay Farihin’i Anosy fantany loatra meva tazanin-davitra marikoriko tomorina ity lasa paradisa an-tany toy ireny ao anaty tele na amin’ny saripika taloha hita amin’ny Facebook ireny ka tsy vitan’ny mahita fotsiny izy fa miaina farihy nokajiana sy nokolokoloina tamin’ny fo manontolo sy ny saina mahiratra.
Nitoditodika Rabe.
Ravahan-tebotebo-kazavana hatrany Antananarivo rehefa amin’ny alina kanefa…
Nisy zavatra tsy hainy tsara ny nanazava azy fa tsikariny hoe hafa dia hafa ity Antananarivo ity na dia misy itovizana amin’ilay Antananarivony ihany aza. Toy ilay farihy madio mangatsakatsaka ihany, inoany tsisy adihevitra akory fa tsy meva jerena avy lavitra fotsiny ny zavatra hitany fa kanto atonina, mirindra avokoa. Nitodika tany amin’ny Rova ny masony. Raha nisy kely dia torana Rabe. Toran’ny fihetseham-po naka faka lalina dia lalina, hafaliana tsy omby tratra niharo sento iray toa zato. Nijoalajoala ny Rovan’i Manjamiadana, nirehitra tsy may tsy akory fa notarafin’ny jiro teo an-tokotaniny rehetra ary hitan-dRabe tsara avokoa avy eo am- parihy na ny Lapan’i Manjakamiadana, na ny Tranovola teo ankaviany na ny fiangonana teo ankavanany. Tsy vakoka sisa tsy lanin’ny afo no hitan-dRabe fa Rova tsy may, tsy mba may na Rova narenina, ary narenina tsara dia tsara. Ity faharoa ity kokoa no tao an-tsain-dRabe satria ny tao an-tsainy tamin’izay dia hoe any amin’ny hoavy izy ary velom-panantenana izy hoe mba nanao ny nety kosa ny olona taty aoriana izany, nodioviny tsara Anosy dia nareniny ny Rova sady nanontany tena ihany izy hoe taona firy sy roa arivo no nisy azy. Lavidavitra ihany raha ny fahitana ny fandehan-javatra nialany tsy nahitam-panantenana mihitsy na fofompofony aza. Loabolana Rabe, nidanaka, nitazana an’ilay saina nikopaka teo Manjakamiadana, tsy nitovy an’ilay fotsy mena maitso fantany fa…
Nosintonin’i Lisy tampoka hiala tao an-drano hiakatra teo amin’ilay sambo kely niantsona teo anilan’ilay saikanosy kely teo afovoan’ilay farihy Rabe. Nony avy eo, niala an’ilay sambo kely dia nankeo amin’ilay saikanosy. Toy ny nandeha ho azy Rabe, nanofy nitsangana, nosinton’i Lisy, dia nanaraka fotsiny, notaritiny nankatsy indray, dia nanaraka hatrany, nisanasana nahita ilay tokony ho tsangambato lasa zavatra hafa mihitsy, nanara-body an’i Lisy, nentiny niditra teo amin’ny varavarana iray teo ambanin’ilay Tsy Anjely Mainty velively. Niditra izy roa, nizotra niankavanana. Vembena Rabe nitaritari-tongotra, somary nitongilangilana fa tsy nanao afa-tsy ny nanaraka an’i Lisy hatrany hatrany tao amina lalantsara iray no tafajanona tampoka. Tsy niteny i Lisy fa nonondro kisarisary teo amin’ny varavarana nanoloana azy fotsiny. Kisarisary manga sy fotsy nahitana olona manao zipo. Ladosy ity toerana ary natokana ho an’ny vehivavy. Boramena tsy nahejery an’i Lisy Rabe sady niverin-dalana nitaditady varavarana misy kisarin’olona mipataloha. Tsy lavitra teo akory no nisy izany ka avy dia niditra Rabe. Efitra iray nalalaka nahitana servieta natevina fotsy manjopiaka maromaro nifampitaingina sy nitandahatra sady tsara valona teo ambony labatra fohy, harona nisy akanjo omby azy tsara raha ny tombamasony nipetraka tamin’ny tany, fitaratra lava nitsivalana sy lavabao maromaro teo anoloany ary varavarana teo ampitan’ilay fitaratra. Nosokafan- dRabe ilay voalohany, benoara iray lehibebe maintimainty teo afovoan-trano, na zakozia kokoa angaha, tsy hainy tsara. Ny varavarana fanindroany kosa, ladosy. Nanala ny akanjony Rabe, natsipiny teny rehetra teny tsy nahasarona akory ny dian-tongotra nandoto ny efitra, naka servieta, nahantony teo amina toerana manokana natao ho an’izany dia nalefany nikoriana teo ambony lohany ny rano sady nosorany savony ny vatany no nokosehiny mafy toy ny hoe ho afak’izay avokoa ny ratsy rehetra.
Ny loto rehetra.
Antonony tsara ny rano, sady tsy namay loatra no tsy nangatsiaka mihitsy, matimaty tsara. Nony vita ny sasa dia nifafa tsara izy, nosikininy ilay servieta sady noraofiny tamin’ny tany ireo lambany ka nataony tao anaty garaba be teo an-joron-trano nisy kisary nanoro fa teo no fitoerany. Nahonena ny nijery ilay akanjomandriny voasedran’ny Farihin’i Anosiny sy ny fandosirana ilay Zavatra. Nony nakatony ilay garaba dia nesoriny tao anaty harona ireo akanjo dia nanaovany. Jinina manga tsotsotra tsaratsara sy tisaoritra fotsy nisy sarina atileta tsy fantany hoe iza fa raha ny endrika dia azony antoka hoe malagasy ary kiraro basikety fotsifotsy tsara tarehy. Nofatorany ny tadin-kiraro, nojereny kely ny tao ambadiky ny tampony dia gaga fotsiny Rabe nahita ilay soratra hoe MADE IN MADAGASCAR. Nozahany ny vozony aorian’ny tisaoritrany, ny pataloha jininy, MADE IN MADAGASCAR. Tafavoaka kosa ilay nosiko ny farany hoy izy sady nabontsin’ny rehareha ny tratrany no nivoaka ny efitra izy. Nanaraka ilay lalantsara teo ihany Rabe, nahare rano nandeha tsy lavitra teo. Mbola nandro i Lisy. Tonga teo ivelany Rabe dia nandinika kokoa ilay Antananarivo hafakely. Tarafin-jiro ny nanodidina azy, tsy tena hoe nanazava tanteraka fa nanendrika ny tanàna aoka izany kosa izato izy. Niketrona kely anefa Rabe.
Toa rano no mandrakotra ity tanàna ity sa alina ve ny andro dia tsy dia tazako loatra?
Tsy nahita arabe loatra manko izy fa toa lalan-drano sy lalan-kely tsy omby fiara no hitany tetsy sy teroa. Nahita trano ihany izy, maromaro mihitsy fa tsy tazany ny fiafaran’ilay farihy fa toa avy dia nitohy rano. Nihaotra loha Rabe. Raha arabe no nahafantarany hoe nanodidina an’izany Farihin’Anosy izany toa lalan-drano no nisolo azy. Nalefany tany amin’ny Kolejy Masi-Misely ny masony. Tsy dia nifankaiza loatra tamin’ilay fantany ilay kolejy teo ambany masony, trano biriky goavana nitafo mena, tanàna makadiry saingy teo amin’ilay vavahady no nisy indro. Teo ilay vavahady, teo ihany saingy ny zavatra notarafin’ny jiro tety ivelany dia seranantsambo kely. Nisy sambo roa niantsona mihitsy aza teo ivelany teo. Natodiny indray ny lohany, nankany amin’ny faribohipitantanandraharaha tokony hisy ny minisitera maro, ny tiribonaly sy ny RNM. Akory ny hagagany, foana hatrany ny arabe, lalan-drano sy sambo niantsona vitsivitsy no tazany ary tsy nahatazana izy na minisitera na tiribonaly na RNM na ireo hazo zakarandaha. Variana izy hany ka tsy tsikariny akory i Lisy nandinika anazy tao aoriany tao. Elaela vao henon-dRabe ny figodongodon’ny kapany. Nitodika izy. Ny vavany efa nasanasanan’ny hagagana teo vao mainka tsy nikatona nahita ny fitafian’i Lisy. Akanjo rebareba nilokoloko sy lamba akotifahana hatrany teo ambany saokany ary tenisy fotsy maivamaivana teny an-tongony. Ny volony toa nisaritaka nefa nilamina, toa mirandrana hafa kely izany koa.
Andao letsy!
Hoy i Lisy sady nakombony tamin’ny tanany ny vavan-dRabe tsy leo nidanaka.
Niala an’ilay saikanosy izy roa, nanaraka andilan-tany vita tamin’ny rarivato nalaladalaka. Tsy lavitra teo, nijanona i Lisy. Teo amorona bozaka ravaham-boninkazo tsara karakara sy hazo tokana tsy zakarandaha ihany koa. Fiantsonana ilay toerana, tsy fiantsonan-tsambo tsy akory fa fiantsonam-bisikileta ary am-polony ny bisikileta nijanona teo. Naka karatra avy tao anaty kitapo keliny i Lisy, avy eo nasitriny teo amina vavany kely nisy efijery teo amboniny. Nampiditra tarehimarika miafina teo amin’ilay efijery izy dia niova maitso ilay jiro kely teo mena dia injay, bisikileta roa nihemotra kely ho azy. Tsy nanao resa-be i Lisy fa tonga dia nitaingina ary tsy nisalasala firy ihany koa Rabe fa nanara-dia azy. Variana, vonon-kanaraka an-jamba na aiza hitondran’i Lisy azy na aiza. Ravo, niaina nofy tsy mampino. Dia lasa izy roa namoy ny bisikiletany nivoaka ny andilan-tanin’ilay saika nosy, dia nanaraka fefiloha, dia nangirana ny mason-dRabe.
