45

Gara? Tsy nahatam-pihomehezana Rabe. Aiza koa no misy gara eto Mahamasina hoy izy niteny irery

audio-thumbnail
III45
0:00
/222.6

Tsy dia tena betsaka loatra ny takamoa nanazava ilay fefiloha fa ampy tsara kosa nanazava ny lalan’izy roa.

Nankafizin-dRabe ny tsio-drivotry ny Farihin’i Anosy nitsoka teny an-tavany sady namakivaky an’Antanimbarinandriana ihany ny bisikiletany. Nitoditodika havia havanana kely Rabe dia tsikariny fa tsy rano ny nanodidina azy, tsy tany ihany koa fa tanimbary. Naverin-drizareo tamin’ny laoniny izany ity izy hoy Rabe anakampony sady lasa ihany ny eritreriny hoe ahoana no fomba nanaovan-drizareo an’izany rehetra izany no namikiviky ihany izy nanenjika an’i Lisy. Nanaitra ny masony ny sekolim-panjakana teo Antanimbarinandriana teo anilan’ny Kolejy Masi-Misely. Tsy ilay EPP fantany no teo fa sekoly hafa kely. Sekoly tokoa aza ve? Tsy azon-dRabe antoka loatra na sekoly na trano be nisahana inona loatra fa toa nahita sary lehibe ana laona sy fanoto fotsiny izy teo am-bavahadiny. Nony avy eo, nahare feom-batan-dehilahy maromaro nihogahoga Rabe tsy fantany loatra hoe avy aiza raha tsy ilay Kianjan’i Mahamasina tazany nijoalajoala teo anoloany.

Hafa ilay kianja. Raitra dia raitra sady avo lenta toy ireny tsy fahitany ireny raha tsy amin’ny tele. Goavana lavitra noho ilay fantany ary teo vao azony an-tsaina hoe feona mpilalao baolina kitra nanao fanazaran-tena izany reny izany. Tsy dia mpankafy baolina kitra loatra Rabe fa azony antoka kosa fa mety amin’ny Malagasy io taranja io satria sady tsy mitaky halavana be loatra no tsy ny tany malalaka hanaovana fanazarana no tsy nisy. Indrisy fa tao amin’ilay Madagasikarany, nalalaka ny tanàna fa mba tsy nitarina ary nasisika tao afovoany tao an-drenivohitra tao daholo ny Malagasy manontolo moa izay mba tany nalalaka kely nanaovana zavatra hafa, izay mba toerana azo nilalaovana nanaovana zavatra hafa. Tsy nomena vahana rahateo ny fanatanjahan-tena amin’ny ankapobeny, ny toeram-pisotroan- toaka no naniry ohatra ny anana. Niherika i Lisy, nijery kely an-dRabe. Mirana ny endriny, azony an-tsaina fa variana ity farany nandinika ny tontolo. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy zavatra nidoboka mafy, tampoka tsy nampoizin-dRabe nampihovitrovitra ny tany aman-danitra. Tafa-pe-tany ny tongotry Rabe, najanony kely mihitsy ny bisikiletany. Nijery an’i Lisy avy hatrany izy, nisinda toy ny tsy teo ilay endriny vao teo no mirana izao matroka sahady. Ny famantaranandro teo amin’ny hatotanany avy hatrany no nojeren’i Lisy, avy eo, nahetsiny ny lohany toy ny niteny hoe malakia sady novoiziny mafy kokoa ny bisikiletany no niteny mafy izy hoe:

Efa mby ho tonga any amin’ny Gara isika!

Gara? Tsy nahatam-pihomehezana Rabe. Aiza koa no misy gara eto Mahamasina hoy izy niteny irery saingy nangina ny vavany vao nahare feon-damasinina avy lavitra izy.


46
Tsy nahita ambara fa tankina am-pitoerana fotsiny nanoloana ny zavatra hitany tsy nahavita nanontany akory
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar