Tsy nahita ambara fa tankina am-pitoerana fotsiny nanoloana ny zavatra hitany tsy nahavita nanontany akory.
Antananarivo hafa kely tokoa.
Napetrak’i Lisy teo amin’ny fiantsonan’ilay Gara ny bisikiletany. Toy ilay fiantsonana nangalany azy ihany saingy tsy am-polony fotsiny ny bisikiletana teo fa an-jatony. Tsy nila namoaka karatra intsony kosa i Lisy fa nakaratony fotsiny ilay tady vy. Dia nanarakefa fotsiny Rabe nampiantsona ny bisikiletany ka niditra namonjy lamasinina izy roa nony vita izay. Tsy lavitra ny Kianja no nisy ilay Gara, teo akaikin’ilay fiakarana ho any Ambohijanahary. Saingy tsy nisy Ambohijanahary teo. Ilay vohitra iray manontolo mihitsy no tsy hitan-dRabe hoe nankaiza fa tany lemaka nisy tanàna tsy tazany loatra hoe inona no nisolo toerana izany ary teo anilany teo ilay Gara izay gomabe tokoa. Tsy nisy valaka tamin’ireo amin’ny sarimihetsika fa dia nitovy ary somary mailaka samy te hamonjy ny lalany avokoa ireo olona maromaro tao anatiny. Nony nahazo toerana tao anaty lamasinina izy roa, nipetraka teo ambony sezalava dia tsikaritr’i Lisy fa mbola nisanasana vava indray Rabe. Tsy nahita ambara fa tankina am-pitoerana fotsiny nanoloana ny zavatra hitany tsy nahavita nanontany akory hoe ho aiza moa ity lamasinina ity ary aiza no hitondran’i Lisy azy.
Ho any Mojanga isika!, hoy izy namaly fanontaniana, toy ny namaky ny tao an-tsain-dRabe.
Mojanga? Mahajanga angamba izany tiany tenenina izany hoy Rabe sady nivanitika tampoka izy hoe aiza koa no misy lalamby tonga any Mahajanga nefa naatony toy ny tsy teo ny hehiny vao tsaroany hoe mianga lamasinina avy eo Mahamasina izy ka ahoana moa no tsy hampisy lalamby mankany Mahajanga. Hafa kely ity hoavy ity, tsy mba nitovy tamin’ny ankehitriniko, asa hoe taona firy aty aorian’ilay niangako. Nitaditady gazety Rabe fa lavitra loatra ny toerana nisy azy ny kiosika. Tazany fotsiny hoe misy gazety, revio sy magazina isan-karazany. Meva ny tontolo, nandroso ihany i Madagasikara ela ny ela, lanja miakatra fa tsy nikodia nihemotra intsony, niala tamin’ny fomba efa hita izay naharatsy azy ary naka lesona sy nanohy ary nanamafy ireo fomba efa hita izay nahatsara azy. Naka tahaka ny tsara tany ivelany ihany koa. Raha ny lamasinina farany nidiran-dRabe, nananosarotra dia nananosarotra tokoa, vagao godraka fitateran’entana namofon-toaka raraka fa ity kosa vagao livatra sy tsara tarehy mpitondra olona. Sady haingam-pandeha ilay lamasinina raha ny lohany matsoko fotsiny no jerena. Nisinisy olona tao anatiny.
Saika feno mihitsy aza ireo seza nifanatrika maromaro tao anatiny na ny andaniny na ny ankilan’ilay lalantsara. Mpianaka no nifanatrika tamin’i Lisy sy Rabe. Lahy antitra nisikina lambahoany nanao palitao nisatroka penjy tsy afa-tsiky ny endriny niaraka tamin’ny zafikeliny. Zazavavy kely sahabo 8 taona. Botabota nidongy vatomamy tany amin’ny dadabeny isaky ny lany ny tao am-bavany sady nitranga lela an-dRabe rehefa hitany fa nibanjina azy ity farany. Nahodin-dRabe tany am-baravarankely avy hatrany ny masony. Dia nitohy tsy ankijanona ilay nofy tonga nofo. Fantany hoe Antananarivo ity nisy azy, azony an-tsaina hoe toy ny mankany Ampefiloha ny lalan’ilay lamasinina, avy eo toa mankany amin’ilay faribohitra fantany tamin’ny anarana hoe 67 ha saingy tsy nisy nifandraisany na ny kely aza. Tanàna hafa mihitsy no nisosa teo ambany masony ary ankoatra ilay lalamby nitondra ilay lamasinina dia tanàna lalovan-drano solon’arabe nahitan-tsambo solom-piarakodia sy tanimbary sesehena no nandrakotra. Tsy azony an-tsaina intsony nony avy eo hoe taiza sy nankaiza ny lalan’ilay lamasinina fa nanomboka niraikidraikitra ny masony sady efa nilavo lefona ny sainy tamin’ny ezaka namantatra hoe aiza no nisy azy. Tsy nivilivily loatra ihany koa ilay lamasinina ary raha nitazana kely teo am-baravarankely indray Rabe, mbola nahasoka-maso kely, dia nahatazana gara nisy sorabaventy nanao hoe AMBOHIMANARINA.
Saika hanontany an’i Lisy izy, saika hangata-panazavana na dia kely variraiventy monja aza no endrika matroka sahiran-tsaina no niandry azy ka naleony aloha nangina. Tsikariny ihany koa fa nitsamboatra kely foana ilay tovovavy isaky ny nisy fiaramanidina na angidimby nandalo teo ambony lohan-drizareo.
Ny famataranandrony ihany koa, nojereny matetika. Nojereny matetika kokoa noho ny mahazatra.

