47

Tsy tazany fa efa tongan’ny herinaratra avokoa ny tanàna rehetra izay nolalovany.

audio-thumbnail
III47
0:00
/278.4

Dilan’ilay gara nisy sorabaventy hoe AMBOHIDRATRIMO ilay lamasinina no renoka Rabe.

Tsy azo atao hoe tonga tsy nantsoina ny torimaso satria mazana ihany ny zava-nanjo an- dRabe tao anatina fotoana tsy voafariny mazava mihitsy hoe iray andro sa firy andro sa ora vitsivitsy fotsiny. Efa nirodana tokoa ny heba efa-drefy ary nifarana ny andro tamin’izy niala tany amin’ilay Antananarivo iray, ilay Antananarivo fantany hatrizay. Tsy tazany noho izany fa ity Antananarivo vaovao nisy azy ity efa nihitatra ny tanàna fa tsy ilay nivangongo sy nifanitsakitro lava sy noteren-ko omby tao afovoany tao daholo ny vahoaka manontolo. Tsy ilay tanàna nodinihana tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato faha XX ho ana olona asa raha firy hetsy akory nefa nobesesehan’olona an-tapitrisany fa hafa mihitsy ary nihitatra lavitra.

Raha Ambohidratrimo fotsiny ohatra dia efa faribohitra iray mahavelon-tena tanteraka satria nahitana sekoly, hopitaly, biraompanjakana maro, tsena lehibe, sahantanàna, zaridaina ho an’ny ankizy, tanimbary midadasika, kianja, kijana fitobian’ny omby toy ny ankabeazan’ny faribohitra tao amin’ity Antananarivo iray ity, sy ny faribohitra lehibe nanerana an’i Madagasikara rahateo. Tsy nila niakatra an’Antananarivo lava izao ny mponina teny amin’ny manodidina fa efa saika nisy teny aminy teny avokoa ny zavatra nilainy samihafa.

Tanteraka ara-bakiteny rahateo ilay fanapariahampahefana nodradradradrain-dava eraky ny hainoamanjery lava izao tsy dia noraharahian-dRabe loatra ny dikany. Noho ireo olona niteny azy angaha fa tsy niraharaha an’izany mihitsy Rabe. Na noho ilay raharaham-pirenena sy politika tsy nanintona azy mihitsy. Facebook rahateo moa no tena nahitany ny zava-nisy ka tsy nisy niteny nangirana loatra ny tao mikasika izany fa raha tsy nanenjika dia niloloha, raha tsy niloloha dia nanaraby, raha tsy nanaraby dia nanasoketa, raha tsy nanasoketa dia tsy niraharaha, ary raha tsy niraharaha dia nanenjika indray. Rabe anisan’ireo tsy niraharaha loatra ary naleony nijery sarin-tsaka nampihomehy azy toy izay namaky resaka toy izany hampikizitina azy.

Niesona izy.

Tsy tazany ny hamevan’ny tanety nolalovan’ilay lamasinina notsilovin’ny jiro isaky ny tanàna kely. Tsy tazany fa tsy nisy na iray aza ireny tanàna kely toa niforona ho azy nitsitokotoko teny antsefatsefan-dalana teny fa isaky ny gara nolalovany dia tanàna tsara rindra sy voadinika avokoa. Tsy tazany fa efa tongan’ny herinaratra avokoa ny tanàna rehetra izay nolalovany. Nony tonga teny Antamponketsa ilay lamasinina vao nijanona kely teo amin’ny garany. Teo no fijanonana elaela voalohan’ity lamasinina iray. Nihiratra kely ny mason-dRabe, ny handriny niankina tamin’ny fitaratra, ny iviny niraraka kely nofafany tamin’ny vozonakanjon’ilay tisaoritrany. Nahajery kely ny sisim-piantsonana izy, ny olona nivoaka ny lamasinina, ny olona niditra, ny olona nipetraka teo amin’ny sezalava, ireo mpivarotra hanimasaka tsy tazany loatra hoe inona tsara na ramanonaka na mofovolantsinana na mofontsesika mafana McDo fa dia nifandrombahana izany.

Omby vaventy iray narahan’ny mpiandry azy, tovolahy ranjanana nikapa hoditra teny an-tsisin’ilay fiantsonana, toy ny hoe miandry lamasinina toy ny olon-drehetra. Efa nangiran-dratsy ny andro, efa nanomboka nikofokofoka ny olona hamonjy ny anton-draharahany isan-karazany. Velona ny lamasinina.

Nidanaka kely Rabe nitazana ilay sorabaventy tao anaty mahitsizoro nisy sisiny maitsomaitso nahitan-tsoratra hoe ANTAMPONKETSA dia niverina natory izy.


48 (Mandrosoa ato Amborovy sy ny mpisiketiny)
Tsy nampozin-dRabe loatra koa hoe hamoaka paozy mihaja be toy izany ny lambahoany rehefa miaraka amin’ny palitao maivana, zile, lobaka manify ary satroka penjy raitra zaitra.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar