48 (Mandrosoa ato Amborovy sy ny mpisiketiny)

Tsy nampozin-dRabe loatra koa hoe hamoaka paozy mihaja be toy izany ny lambahoany rehefa miaraka amin’ny palitao maivana, zile, lobaka manify ary satroka penjy raitra zaitra.

audio-thumbnail
III48
0:00
/330.6

DIA NANJAVONA TSIKELIKELY ILAY SORATRA.

Sady mbola niraikidraikitra tsara rahateo ny mason-dRabe moa ny sainy teny antsasa-dalan’ny nofy tsy tsaroany loatra hoe inona sy inona ny hitan’ny masony sarotra inoana. I Lisy nanarangarana ny lanitra tsindraindray, ny endriny hentitra sady nifantoka na dia nisaritaka kely teo ambany handriny aza ny volony. Dia azon-dRabe nofy angaha ny volon’i Lisy nisaritaka fa dia natory indray izy ary tsy taitra raha tsy tany Amborovy. Toeram-pialan-tsasatra nankafiziny dia nankafiziny tokoa teny amoron-torapasik’i Amborovy teny fony izy dimy enin-taona tany. Ny nilalao fasika, nanao kitranotrano niaraka tamin’ny angady sy siny kely, ny nitsoboka an-drano, na dia nasira izaitsizy tsy natakalony dobofilomanosana, ny nihinana masaja sy sokindriaka nofafazana ranom-boasarimakirana sy vinaingitra kely nankadilo ny ativavany, nampihivingivim-pifaliana ny endriny, ny nihaino ny feon’ilay ranomasina nanonja nalefaka rehefa maraina iny ny andro. Nankafizin-dRabe izany rehetra izany kanefa tsy nisy tadidiny intsony. Tsapany fotsiny nitazana an’ilay ranomasina avy ao anaty lamasinina hoe tiany ity tanàna ity. Ny fitadidiany rahateo nitsilopilopy, mbetika maizina, mbetika tsy mazava, mbetika fotsy tanteraka.

Tsy dia lavitra ny seranampiaramanidina no nisy ny Garan’i Amborovy ary raha kely noho ilay Garan’i Mahamasina izato izy, ny endriny kosa tian-dRabe kokoa. Asa ilay tany mafana angaha no nahatonga izany, fa nahazo rivotra kokoa ny tao anatiny, somary makarakara ny rindriny ary loko narevaka no nosafidian’ny mpandravaka azy. Vao mivoaka ny lamasinina ny mpandeha, vao mahazo ny tranon’ny gara, dia tazana avy lavitra ny ranomasina, ny Lakandranon’i Mozambika, ka nitondra fahafinaretana hafa kely avy hatrany.

Efa elaela kely ihany no niposaka ny masoandro tamin’izay ary ny fijanonan’ilay lamasinina no nahataitra tsara an-dRabe. Nandinika azy ilay lahy antitra teo ampitany. Gagagaga Rabe sady somary tsy nahazo aina hoe nisy inona loatra ka nijery fitaratra haingana izy sao nisy zavatra ny tarehiny. Tsy nisy. Tsy nipika mihitsy anefa ny mason’ilay lahy antitra sady tsy nivily rahateo dia nivanivany tampoka izy nahita an-dRabe nikoropadropaka. Fitopolo taona tany no nomen-dRabe an’ity rangahy mipiti-drora tsara nify nanoloana nefa tsy fantany fa efa sivifolo mahery. Sady tsy nitsahatra nihomehy izy no nivoaka, nanaraka azy ny zafikeliny. Ny zafindohaliny moa izany raha ny marimarina kokoa. Sorena kely Rabe fa toa nataon’izy mianaka fihomehezana no nahajery ny lambahoany nosikinan’ilay lahy antitra ihany.

Mena midorehitra ny lokony ary nisy kisoratsoratra tsy tazany tsara, toa tarehimarika izany. Tsy nampozin-dRabe loatra koa hoe hamoaka paozy mihaja be toy izany ny lambahoany rehefa miaraka amin’ny palitao maivana, zile, lobaka manify ary satroka penjy raitra zaitra. Nihaja tsinona ilay lahy antitra na dia nihomehy azy ihany aza. Tsy hain-dRabe koa fa ny anisan’ny maha ela velona an’ilay rangahy dia noho izy mora mihomehy na tany vaky aza. Mahalava andro iainana hono ny mihomehy sady tsy dia mihinana sakafo matsiro rahateo izy no tsy mba manao voky izany mihitsy fa mahalala ny antonony tsara rehefa homana. Nony tonga teny amin’ny fiviliana ho any am-baravaram-pivoahana izy mianaka, dia nitodika kely farany ilay zafindohaliny dongadonga ngita volo mahafatifaty dia nanao tarehy ratsy, nitranga lela farany an-dRabe sady nitaritarika ny saribakoliny efa drodrodrodroka nefa tsy foiny.

Nitsiky fotsiny i Lisy nahita ny zava-nitranga ary nony nahita izany Rabe dia tsy nahatana hehy koa izy koa niara-nikakakaka teo izy roa. Vetivety foana anefa dia nijanona ny hehin’i Lisy rehefa naneno ny telefoniny. SMS. Saropiaro kely Rabe hoe iza foana àry izato mifandefa SMS aminy izao satria na dia saika nikimpy foana aza ny masony nandritra ny dia iray manontolo, henon’ny sofiny tsindraindray teny ny feon’ilay telefonina rehefa mahazo hafatra. Ary rehefa sendra nihiratra ny masony dia tazany i Lisy hoe nijery lanitra mazàna, nijery famataranandro matetika. Matetika loatra.

Dia nitsirika kely farany avy eo am-baravarankely i Lisy. Nandrisika an-dRabe hivoaka haingana ny lamasinina.


49
Saika vita tamin’ny biriky amam-bato avokoa ny trano tsy resin-drivodoza mandalo isak’izay mahatsiaro.
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar