Saika vita tamin’ny biriky amam-bato avokoa ny trano tsy resin-drivodoza mandalo isak’izay mahatsiaro.
Nandinika an’i Amborovy Rabe.
Nidanaka. Nisonenika ny masony. Nanonja nilamina ny ranomasina, nampandroso ny lakan’ireo mpanjono niala vao maraim-be hitsaingoka trondro sy hazandrano samihafa, nampandroso ireo mpilomano hanambitamby ny onjany, higoka ny rano masirany tsy nahy, nampandroso ireo sambo na kely na vaventy hamakivaky azy hatraiza hatraiza, nanafosafo ny tongotr’ireo nandehandeha teny an-torapasiny. Izany rehetra izany dia teo ambany mason’ilay lehilahy iray nipetraka teo ambony seza hazo avo toy ireny mpitsara lalao tenisy ireny.
Nilobaka malefaka tsy nibokotra izy, nanao kasikety sy saoritra mena ary niambozona kiririoka hotsofiny raha sanatria misy miantso vonjy mitady ho lasan’ny rano na misy antsantsa tazany avy lavitra na misy tsy manaraka ny fitsipika efa misoratra mazava teo amin’ny solaitrabe fidirana mankao amin’ilay torapasika. Ny tampoka tsinona tsy mahalehilahy hono sady tsy mampilaza mialoha koa rariny raha nasiana mpiambina isaky ny torapasika misy mpilomano toy ny amin’ny dobofilomanosana ihany. Fantatra loatra koa fa izay mahay milomano ihany no maty an-drano koa tsy ilaozan’izay tsifitandremana kely hahalavo.
Ren-dRabe tamin’ny resak’ireo mpandalo teo akaikiny fa erak’i Madagasikara, izay toerana rehetra azo ilomanosana dia misy solaitrabe mirakitra ny fitsipika sy fampitandremana ary mpiambina avokoa. Taloha, hoy i Lisy nanatona tsimoramora avy tao aoriany, tsy nisy mpiambina ny rano, nilomano tsy nisy arofanina ny olona, tsy nisy mpiambina tsy nisy na inona. Isan-taona, re ny vaovao, maty an-drano eroa, mpaka olona etsia. Ny rano no nahazo tsiny hoe tsy tia olona, tsy tia vahiny, tsy tia an’izao foko izao. Indray taona, efa elaela ihany izay, ankizy folo no indray lasan’ny rano, ankizy mpianatra avy any Antsirabe. Variana nanao daomy ny lehibe, sendra variana kely fotsiny, tsy hoe nahoana loatra dia niara-tsy hita ireo mpianatra, niaraka lasan’ny rano ary tsy naveriny ireo vatana mangatsika raha tsy roa andro taty aoriana. Nisaona ny nosy iray manontolo tamin’izay.
Nivory ny tomponandraikitra tety Amborovy ka tapaka ny hevitra hoe hanisy mpiambina sy fitsipika hentitra. Dia nanaraka nony avy eo i Madagasikara iray manontolo.
Nihena zato heny raha kely indrindra ny maty an-drano, tsy hoe foana tanteraka tsy akory, fa zara raha nisy ary nandry kokoa ny sain’ny rehetra rehefa tojo rano. Tsy hitan-dRabe izay navaly, tsy tsaroany loatra rahateo hoe toy ny ahoana marina moa ny tany aminy fa azony an-tsaina ihany hoe tsy toy izany loatra. Koa tsy namaly izy fa lasa tany amin’ireo tanàna ho azy ny masony, tsapany hoe nifanentana tsara tamin’ny toetry ny tany sy ny mponina teny an-toerana no narindra nanaraka rafi-panajariantanàndehibe. Saika vita tamin’ny biriky amam-bato avokoa ny trano tsy resin-drivodoza mandalo isak’izay mahatsiaro. Toy ny taloha. Nalalaka ny arabe nifamoivoizan’ny fiarakodia ary ny sisanarabe nifamezivezen’ny olona koa tsy tery velively moa ny bisikileta tsy diso anjara nanana ny lalan-keliny manokana.
Raha tsy fantatry Rabe hoe Amborovy no nisy azy, raha tsy hitany hoe Malagasy no ankabeazan’ny olona teny an-dalana na maro aza ireo mpizahatany, raha tsy hitany nivandravandra teo anoloany ny takelaby nisy sarintany manoro hoe aiza sy aiza no nisy ny torapasika, ny toerampisakafoana, ny birao, ny hotely sy ny toerana maro samihafa, raha tsy nisy soratra hoe AMBOROVY teo ambonin’ilay takelaby, tsy nino izy hoe tany tokoa, tsy nino akory izy hoe Madagasikara no nisy azy. Noheveriny fa Miami. Nidadasika ihany koa ilay tanànan’i Amborovy ka nanaraka ny torapasika ny fanajariana ny tanàna. Teo anelanelan’ny gara, ny seranampiaramanidina ary ny torapasika, nahitana sahantanàna lehibe, kianjaben’ny ankizy sy dobofilomanosana teo afovoany. Nalalaka dia nalalaka ilay toerana filalaovan’ny ankizy aman-tanora. Lalao baolina kitra, basikety, tenisy, fanorona, kanetibe, sikety samy nahazo ny anjarany avokoa. Nirindra tsara avokoa izay nojeren-dRabe, ireo olona nifanena taminy moa raha tsy naka sary tetsy sy teroa dia nanao selfia, raha tsy nanao selfia dia nihinana gilasy, raha tsy nihinana gilasy dia nisotro, ravoravo endrika avokoa. Ny mpizahatany sahala ny nisy soratra ny tarehiny hoe:
Izaho izany tsy te hody fa aleo mihitsy hanao selfia farany!
Dia nibanjina ny ranomasina ny mason-dRabe, takontakon’ny alok’ireo karazan-tsambo niantsona teny lavitra teny ny faravodilanitra sady nanontany tena hatrany izy hoe mba taona firy sy roa arivo aza no nisy azy ary inona loatra no nataon’ireto olon’ny hoavy ireto no nahavita nanendrika ny tanàna ho lafatra toy izao.
