Nandalo niserana tao am-pony nanao tsidipahitra ndrao nofy ihany aza ity niainany ka sao izy hifikitra, ho tamàna, ho babo tanterak’ity tontolo nisy azy ity nefa e poatoizay, taitra izy, ao am-pandriana
Sarikaratra.
Toy ireny sarikaratra tsara tarehy alefa amin’ny paositra ireny izay jerena.
Nisento Rabe, nisento elaela, tafapetraka teo amin’ilay seza fipetrahan’ny saramba. Tao anaty zaridaina iray lehibebe tao anatin’ilay sahantanàna no nisy azy. Sahantanàna figalabinan’ny lamosina, fakana aina, fialana voly, fampiarahan’ny mpifankatia, fisakafoana eny amin’ny bozaka, filalaovana fanoronjaka, fanorontsivy, firesadresahana, fisentoana, famakiana boky. Tsikaritry Rabe fa tsy ory fanariampako ilay tanàna, asa hoe isaky ny firy metatra nisy avokoa ary isan-karazany, arakaraka ny fako, na mbola azo ahodina na tsia, na mora levona na tsia. Tsy nahitana fako tamin’ny tany na ny pitiny aza. Nitady ihany Rabe, niondrika havia, niondrika havanana, fa tsy nahita. Nadio ny tanàna. Nadio Amborovy. Nandalo niserana tao am-pony nanao tsidipahitra ndrao nofy ihany aza ity niainany ka sao izy hifikitra, ho tamàna, ho babo tanterak’ity tontolo nisy azy ity nefa e poatoizay, taitra izy, ao am-pandriana. Saika hanongo ny sandriny izy no tsaroany hoe tsy nahomby loatra izay fika izay, nangirifiry tamin’ny tsy antony nefa tsy hita akory izay tena vokany ka nailiny ilay eritreritra. Teo izy vao nitoditodika hoe nankaiza tokoa moa i Lisy teo.
Revo loatra nandinika ny tontolo izy ka tsy dia voatandriny loatra izay tany nalehany. Ny tsaroany farany dia i Lisy nitantara momba ireo ankizy avy any Antsirabe maty an-drano taty Amborovy ka nahatonga ny tomponandraikitra naka fepetra nahomby. Nisy hazom-boanio teo anilan’izy roa tamin’izay. Tsaroan-dRabe tsara satria nitelin-drora kely izy toa nahatsiaro tsiron-dranom-boanio tao am-bavany raha nijanona kelikely ilay tantaran’i Lisy.
Dia nikaroka ny mason-dRabe ka nikaroka. Nijanona kely vetivety teo amina boidrano teo afovoan’ilay toerana nisy azy dia nikaroka indray. Tsy nahita. Tafatsangana Rabe. Tsy hita popoka i Lisy. Nanomboka nikoropaka izy.
Sanatria nanino- naninona. Sanatria nitsangana tsy levon’ny Farandro ilay Zavatra ka nitondra helo taty, nahita lalan-kombana, sanatria norambasany tany ho any i Lisy, nosintoniny nangina tany anaty lobolobo tsy hita noanoa. Nitanondrika irery Rabe, nitaintaina, namisavisa ny ratsy angaha, hiavian’ny soa. Avy nitadidy ilay nandeha deltaplanina, ilay nitodika farany nijery an’ilay Zavatra romotra niezaka nanala an’ilay karipetra teny an-tavany, nitadidy an’ilay Antananarivo efa nitambotsotra, nitsonika tsikelikely. Mba amin’ny fomba ahoana loatra no tsy nahapotraka azy tao? Dia nolaviny tanteraka hoe ilay Zavatra no naka an’i Lisy, tonga taty. Nanao tamberina an-tsaina ny fikirizan’i Lisy nijery famataranandro izy, ny fijereny lanitra, ny nahataitra azy isaky ny misy roplanina nandalo, angidimby nanidina. Tsy kisendrasendra ireny hoy izy nanamafy saina. Navotsotry Rabe ny gejan’ny rantsan-tanany nisintona ny volony dia nahirany ny masony teo ambany handriny navalombalon’ny ketrona. Naka saina farany izy, nijery ireo olona nanodidina azy sao mba tao ihany i Lisy, sao mba nindramin’ny olona haka sary azy ireo fotsiny.
Tsia ny valiny. Tsy teo i Lisy. Navelan’i Lisy irery izy tsy hainy hoe nahoana.
Irery Rabe.
Irery tao am-paradisa.
