51

Tao ny nankeny amorom-parihy, nitaingin-dakana, nanjono tamin’ny tadimpintana, tao ny tany an-tendrombohitra, nankafy fanginana, tao ny tany ambanivohitra, niompy sy namboly

audio-thumbnail
III51
0:00
/253.8

Nipenimpenina Rabe.

Nanontany olona sendra azy hoe sao dia nahita tovovavy olioly volo nanao akanjo rebareba nitafy lamba kely karandran’endrika, kelikely maso, petak’orona, hentitra sady sariaka. Nitsikitsiky varimbariana tsy sarotra noresahana avokoa ny olona rehetra sendra azy saingy tsy nisy nahita an’ilay tovovavy no gagagaga nahita an’ity tovolahy sahiran-kevitra nikorotam-bolo nivezika tetsy sy teroa nivily nankany amin’ny kianja be. Nozahany avokoa ireo toeram-pilalaovana.

Ny ankizy nifalihavanja, ny tanora nanala ny fony, ny lehibe nitaiza vatana. Talanjona Rabe nanitsaka an’ilay gorodona nangirana an’ilay kianja basikety sy ilay bozaka maitso mavan’ilay kianja baolina kitra fa tsy dia tena tany loatra ny lohany na izany aza. Noteteziny avokoa izay toerana mety hahitana an’i Lisy. Ny mpisikety sy ny mpitaingina bisikileta nigorisa sy nitsambikina nanao karazan-kendri-pisidinana tao am-balan-tsikety. Tanora niakanjo mainty sy be saoritra no betsaka tao. Nihaino hira mavesatra somary nisy soritra mbetika sôva, mbetika kalon’ny fahiny. Tsy tao i Lisy. Nivoaka ny kianja be Rabe. Nivoaka ny sahantanàna. Niverin-dalana nankany amin’ny gara. Ahoana ny ankafizako an’izao tanàna izao raha tsy eo anilako ianao ry Lisy hoy izy nimonomonona irery, nitanondrika. Tsy hitahitany teo anefa fa nentin’ny tongony tsy tany amin’ny gara araka ny eritreriny izy fa tany amin’ny torapasika.

Tsy nentin’ny tongony moa izany fa nentin’ny orony nanaraka tsy nahy ny ranomanitr’i Lisy na dia tsy tonga saina tsara aza izy. Ary tsy nentin’ny orony moa izany raha ny marimarina kokoa fa nentin’ny fony teny amoron-dranomasina, tao anaty torapasika. Dia ny tenisy fotsifotsiny nitsofoka tao am-pasika nitondra azy tsy hainy hoe aiza loatra no nobanjininy. Nisitrika ny fasika, nisitrika, nisitrika hatrany anaty ba kirarony. Vitsivitsy tsy azo lazaina hoe be izay nankaiza ny olona nilomano tamin’izay ary tsy dia voasakantsakana loatra ny diany. Mpianakavy kely nifampitoraka baolina malemilemy tsy dia tany amin’ny lalina loatra, ankizy telo na dimy. Asa ilay maraina andro ve no tsy dia nahazatra ny olona loatra sa tsy fotoam-pialantsasatra izao sa efa maro ny zavatra azo natao dia tsy voatery nankeny amin’ny torapasika avokoa?

Tao ny nankeny amorom-parihy, nitaingin-dakana, nanjono tamin’ny tadimpintana, tao ny tany an-tendrombohitra, nankafy fanginana, tao ny tany ambanivohitra, niompy sy namboly. Elaela Rabe vao tonga saina hoe ny fofon’i Lisy anie izany narahiny izany, izy variana hatrany nandinika ny ban-kirarony sy ny fasika. Reny nanakaiky azy ilay fofon’i Lisy. Nitraka izy. Fofom-paiso niharo ranon’ando vao maraina nisy teboka dipoavatra izany ilay fofona, tsy tena nasiaka ilay ranomanitra, tsy tena nahery fa nalefaka mora tadidy. Randram-pofona nanendrika ny fijerin’i Lisy. Dia tazany i Lisy. Teo amin’ilay fidirana nankany amin’ny Sirika Mena, ny tongony teo amin’ny fihaonan’ny ranomasina sy ny ranomamy. Toy ny niandry tsy hay hoe inona loatra izany, ny masony tao anaty telefoniny ka nanindrona kely avy hatrany ny fon-dRabe. Mba iza loatra aza izany resahany ao izany sady notohizana ihany ny lalany hamonjy an’i Lisy.


52 (Izy no Ilaijao)
Nirifatra mafy nianavaratra ka raha jerena avy aty ambony ny sarintanin’i Madagasikara dia teboka fotsifotsy kely no solon’ilay vedety, teboka fotsifotsy kely niakatra tao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, nanamorona an’i Mahajanga
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar