53

Tsy niavona izy ary sariaka endrika tamin-dRabe avy hatrany, mafy ny arahabany rehefa nifandray tanana voalohany nefa tsy mafy loatra naharary na izany aza

audio-thumbnail
III53
0:00
/248.4

Tovolahy kely tsy nifankaiza tamin’ny taonany no namily ilay vedety.

Ranjanana noho Rabe kosa izy ary mainty fihodirana kokoa, sola tanteraka. Ilaijao no anarany, teraka sy monina ary avy ao Mahajanga izy. Tsy niavona izy ary sariaka endrika tamin-dRabe avy hatrany, mafy ny arahabany rehefa nifandray tanana voalohany nefa tsy mafy loatra naharary na izany aza. Be vazivazy izy, ary isaky ny niteny zavatra dia saika nihomehy foana i Lisy. Ilay hehy ratsy dia ratsy toy ny vy nifampikasoka nefa tsy foin-dRabe nahafatifaty azy. Nampihomehy an-dRabe koa ny vazivazin’i Ilaijao na izany aza, niezaka nitana fihomehezana izy fa tsy tanany nony farany. Hitany fa nifankahazo tsara i Ilaijao sy i Lisy. Nifankahazo loatra. Be sangisangy koa Ilaijao. Be sangisangy loatra. Saro-piaro moa Rabe fa na izany aza tsy nampisinda ny hafaliany nifankahita tamin’i Lisy tsy hita popoka teo izany na dia tsy sazoka taminy aza ny nandinika an’iretsy roa akaiky loatra.

Fa taiza tokoa ianao?

Hoy izy mantsy an’i Lisy.

Ni-panique kely ihany aho teo fa…

Dia niato kely izy nitady ny teny hahalaza ny tiany ambara sady nangala-pijery kely an’Ilaijao.

Ni- panique mihitsy…

Nobanjinin’i Lisy izy. Tera-tsemboka Rabe hoe inona aza izato ao an-tsainy.

Nikoropaka ianao? Tsy maintsy nisintaka kely aho.

Niondrika ny lohan-dRabe. Tsy maintsy nisintaka hono. Nisintaka nipitsika? Nandao ahy hamonjy an’Ilaijao? Nefa tsy noteneniny izany fa notazoniny ho azy samirery hanaikitra mangina ny fony efa voatrobaky ny fahasarotampiaro.

Hay ve e? Bon…

Dia natodin-dRabe tany amin’ny ranomasina ny lohany sady nalefany tao ny tanany ilany nilalao onja kely. Tsikaritr’i Lisy angaha ny alahelony ka natoniny Rabe dia napetrany teo an-tsorony ny tanany.

Rabe a!

Niantso ny anarany indray i Lisy. Vao mainka faly ny fony.  Mody tsy niraika izy. Dia niantso indray i Lisy. Teo Rabe vao nitodika kely niezaka nanafina ny masony nanganohano kely.

Tsy maintsy nisintaka aho satria…

Dia namoaka poleta tampoka i Lisy. Niontana ny fon-dRabe. Nivadika ny tany aman-danitra, nihiratra ny voamasony. Izay no vita izany ny amiko hoy izy, tsy matin’ny takisiabe nisosososo aho, tsy matin’ny havandra nihoson-dra nilatsaka avy any ambony, tsy matin’ilay Zavatra namirapiratra hagegena, tsy maty teny ambony deltaplanina, tsy matin’ny sase sy ny rano feno loton’ilay Antananarivoko, tsy matin’ny Farandro fa matinao ry Lisy, matinao ry olon-tiako tsy tia ahy fa tia olon-kafa. Dia nakimpiny ny masony, dia nitsiky izy. Rehefa ho faty ihany, aleo tokoa vonoin’ny olon-tiana, maty noho izy, ny tanany no hanoratra ny teboka faran’ity tantarako, maty anilany ihany koa.

Ary tsiky no omeko azy, izaho mitsiky no ataoko tsaroany farany, ho fara veloma, ho fara fanomezako, ho fara porofom-pitiavako, ho sariko farany entiny rahatrizay. Dia izay. Hotifirin’i Lisy ety ankodahodan’ny Lakandranon’i Mozambika ety aho, aty amin’ny taona tsy fantatro hoe firy sy roa arivo, dia hatsipiny any an-dranomasina ny vatako, ho fasako ivelan’ny tany, ho fasako rano tokoa. Dia hifanoroka izy sy Ilaijao rehefa dila ny vatako, lanin’ny rano, ifandrombahan’ny antsantsa. Dia nitifitra i Lisy.

Saingy rediredy fotsiny izany eritreritry Rabe rehetra izany, revin-gadra andro nigaingaina, rediredy nateraky ny fahasarotampiaro nanaron-javona ny eritreriny tsy hazava, nanoto-bovoka ny sainy tsy hahiratra, nanaron-damba ny jeriny tsy hahita lavitra noho ny fony.


54
Dia noraisan’i Lisy ilay poleta tamin’ny tany dia nampirinina tao anaty kitapony dia niverina teo anilan-dRabe izy dia napetrany tsimoramora teo an-tsorony ny lohany ka nakimpiny ny masony
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar