54

Dia noraisan’i Lisy ilay poleta tamin’ny tany dia nampirinina tao anaty kitapony dia niverina teo anilan-dRabe izy dia napetrany tsimoramora teo an-tsorony ny lohany ka nakimpiny ny masony

audio-thumbnail
III54
0:00
/220.8

Tsy voa ilay diraonina.

Nahay niala ny bala naroran’ilay basy poletan’i Lisy. Isaky ny nitifitra i Lisy, dia nikisaka kely ilay diraonina menamena toy ny naneso azy hoe tairo izay tairinao fa tsy hisy rovitra hozairina akory eo. Nikisaka havia, nikisaka havanana, niakatra ambony, nidina ambany. Lany ihany ny balan’i Lisy ny farany ka tsy nandany fotoana namahana intsony izy fa naleony natsipy tamin’ny gorodona ilay poletany sady nitrena izy. Tsy nahateny Rabe. Menatra ny tenany izy nieritreritra hoe hitifitra azy i Lisy, soa hoy izy fa tsy fantany izany eritreritro izany. Nefa tsy fantany tokoa ve? Inona no nahatonga an’i Lisy hitifitra tampoka an’ilay diraonina teo? Raha ny fijerin-dRabe anazy toa tsy nahagaga an’i Lisy loatra hoe tsy voa ilay diraonina fa dia nofafazany ihany. Na Ilaijao aza tsikaritry Rabe fa gagagaga ihany sady niezaka ny nampandeha mafy araka izay tratrany an’ilay vedety. Ilay diraonina koa toa tsy vonon-kamely loatra, toa nanaraka tsimoramora fotsiny tsy hain-dRabe hoe nahoana marina. Dia noraisan’i Lisy ilay poleta tamin’ny tany dia nampirinina tao anaty kitapony dia niverina teo anilan-dRabe izy dia napetrany tsimoramora teo an-tsorony ny lohany ka nakimpiny ny masony.

Tsy azon-dRabe an-tsaina raha tsy tamin’izay hoe torovana dia torovana i Lisy. Nivezika tetsy, nivezika teroa, nanavotra ny ainy, nihazakazaka nipenimpenina tsy ankiato nitety tontolo nanavotra ny ainy. Vizana tanteraka i Lisy, nila naka aina na dia kely fotsiny, na dia talakimaso aza ilay diraonina nampahatsiahy hoe mbola aiza ity hahazo anareo, na dia teo aza izany rehetra izany, torovana izy, nila nanala ny fony nitifitifitra an’ilay diraonina, nila nisento kely variraiventy. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nanomboka nino Rabe hoe misy antony izao rehetra izao, hoe tsy ho very maina sanatria ny ezaka nataon’i Lisy hanavotra azy na tsy mbola fantany aza hoe fa naninona loatra, fa naninona loatra no izy no navotan’i Lisy fa tsy olon-kafa, fa inona no dia nampiavaka azy. Na kisendrasendra aza izany, tsy handiso fanantenana an’i Lisy izy ary vonona hanaraka azy na aiza halehany na aiza, na hanjavona indray aza i Lisy, hokarohany, na Ilaijao aza no andrianin’ny fony, tsy… tsy… Dia nijanona ny eritreritry Rabe. Nitodika tany amin’Ilaijao izy somokotra namily ny vedety nibanjina ny diany. Niherika kely Ilaijao tsindraindray, nahita an’i Lisy natory teo an-tsoroky Rabe, fa tsy nampaninona azy mihitsy izany, tsy nisy fahasarotam-piaro na ny kely aza, vao mainka aza toa nahafaly azy. Tsy dia azon-dRabe loatra. Na dia namerovero ny fony aza ny fofon’ny volon’i Lisy, na dia nangitikitika ny orony aza ny fikopaky ny volon’i Lisy. Mbola saro-piaro izy.

Dia izany niharo faharavoana noho i Lisy niankina teo an-tsorony izany no nameno ny fony ka hatrany Nosy Be.


55
Saoritra no nanaovan-dRabe, saoritra maintimainty tonga eo amin’ny lohalika nisy soratra hoe SPURS ary saroelina fotsy kosa ny an’i Lisy—irony karazam-pataloha persa somary malalaka sy milatsaka mampahazo aina irony indrindra rehefa mafana ny andro
Mose Njo

Mose Njo

écrivain, etc ✨
Madagascar