Saoritra no nanaovan-dRabe, saoritra maintimainty tonga eo amin’ny lohalika nisy soratra hoe SPURS ary saroelina fotsy kosa ny an’i Lisy—irony karazam-pataloha persa somary malalaka sy milatsaka mampahazo aina irony indrindra rehefa mafana ny andro
Raha Rabe no natory tao an-damasinina niala tao Antananarivo ka hatrany Amborovy, anjaran’i Lisy kosa indray no natory teny ambony vedety niala teo Amborovy ka hatrany Nosy Be.
Niezaka nitady torimaso moa izany raha ny tena marina satria taitra tsy indray tsy indroa ihany izy na dia tsy tsikaritry Rabe aza. Nipody kely kosa ny ainy na izany aza ary mailaka ery izy namafa ny rarak’iviny teo amin’ny tisaoritry Rabe nony niarina izy sady nanantena hoe enga anie mba tsy ho hitan’ity farany izany. Talanjona Rabe eraky ny lalana nankany Nosy Be. Ireo tanàna teny an-tsisiny andrefan’ny nosy meva avokoa. Saika tanàna lehibe avokoa izay hitany. Na ny tanàna kely sendra azy aza efa nivoatra avokoa nefa tsy nisy nanary loatra ny naha izy azy ihany koa. Sahala ny elanelana teo amin’ny tranainy sy ny moderna raha ny maritrano no jerena. Nifikitra tamin’ny fomba, tsy very fototra, nefa nandray tsara ny fivoarana. Mbola variana nandrevirevy ny hamevan’ireo tanàna tazany avy teny ambony vedety Rabe sady nanamboatra kely ny seza nipetrahany teo amin’ny terasina hotely iray tao Andilana no tamy Ilaijao. Avy niala ny vedety izy telo dia nisasa kely tao an-dadosin’ilay hotely, nisolo akanjo rehefa avy nividianan’Ilaijao akanjo vetivety izy roa.
Saoritra no nanaovan-dRabe, saoritra maintimainty tonga eo amin’ny lohalika nisy soratra hoe SPURS ary saroelina fotsy kosa ny an’i Lisy—irony karazam-pataloha persa somary malalaka sy milatsaka mampahazo aina irony indrindra rehefa mafana ny andro. Samy nanao kapa izy roa, kapa nalefaka tsy nihidy voditongotra ary samy nanao tisaoritra fotsy ihany koa. Tisaoritra fotsy nisy soratra I sy fo menamena teo anilany, ary NB teo ambaniny. Ny ankabeazan’ny mpizahatany nifanena tamin-dRabe teny an-dalana avy teny amin’ny vedety nankao amin’ilay hotely dia saika nanao an’io tisaoritra io avokoa. Nampihomehy an-dRabe ireo olona nampitovy akanjo ireo kinanjo tsy nihomehy intsony izy rehefa nahita alohan’ny nidirana tao an-dadosy hoe ilay akanjo nampivanitika azy no asain’Ilaijao nanaovany.
Kafe no nosotroin’i Lisy. Kafe lavanilina. Coca vontonkatsiaka kosa no teny an-tanan-dRabe. Tsy mena ny lokon’ilay kisarisary tamin’ilay tavoahangina Coca fa maitso. Nahagaga kely an-dRabe izany fa tsy nanakana azy tsy handraraka an’ilay Coca tao anaty vera efa nofenoiny vaingandranomandry akory izany na ny kely aza. Nahagaga kely azy koa ny nahita ilay tovovavy mpandroso sakafo namoha ny tavoahanginy tamin’ny tanany. Nahodiny fotsiny fa tsy nila fanesorana kapisily toy ireny amin’ny sarimihetsika ireny. Nahazo toerana Ilaijao izay vao voadiniky Rabe tsara ny endriny. Lavalava tarehy, manifinify volomaso, matsilo maso sy tsotra fijery ary vaky saoka kely. Nanontany tena kely Rabe hoe firy taona loatra dia mahazo mitondra vedety ny aty amin’ity Madagasikara iray ity.
Izay vao nisy fotoana kely fitsaharana ny an’i Lisy sy Rabe fa dia hazakaza-dava no niainany hatreto. Koa niboretaka toy ny tany an-tranony Rabe, ny tongony ila nakarany teo ambony sezany ary ny tanany nitazona ny verany navalapany lavitra. Niandrandra ihany izy tsindraindray nitazana sao mbola tao ilay diraonina fa na dia fantany aza hoe mbola hiverina ilay zava-manidina menamena nanararaotra ilay fotoana kely hany fitsaharana.
Nandrotsirotsy ny tsio-drivotra tsy dia nafana loatra teo amin’ilay terasy tsy dia tena be olona loatra rahateo ary nahazo aina ery Rabe fa nahatakona an’ilay masoandro ilay elobe teo amin’ny latabatra nisy an’izy telo. Nibitsibitsika zavatra tsy ren-dRabe tamin’ilay tovovavy mpandroso sakafo Ilaijao, niteny zavatra ilay tovovavy, nanaiky, dia lasa. Andeha hanontany an’i Lisy Rabe hoe mba hazavao amiko amin’izay hoe ny fandehan-javatra fa ny an’i Lisy no tonga aloha.
Manontany tena angamba ianao Rabe hoe inona avokoa izato rehetra mitranga? Fa maninona no levona ny Madagasikaranao? Fa maninona no toa misy Madagasikara iray hafa tampoka teo avy ao ambanin’ny Farihin’i Anosy? Fa inona daholo izato manenjika rehetra?
Vraiment?
Hoy Rabe sady nisy tendron’eso tsy nandratra ny teniny no namaly tao an-tsainy izy hoe raha ilay Madagasikara hafa aloha dia efa fantatro hoe aty amin’ny hoavy isika e.
Nangarika kely i Lisy sady nisotro kafe kely no nanohy ny fanazavana. Dia nihaino Rabe. Dia tankina nahare ny tohin’ny resak’i Lisy. Diso tanteraka izy. Diso nefa nitombina kokoa ny zavatra henon’ny sofiny. Nitombina tanteraka. Nanamafy izany ny fandraisan’Ilaijao fitenenana tsindraindray. Nitolefika teo amin’ny sezany Rabe, vaka te hanadino ny zavatra henony rehetra, ny zavatra fantany rehetra, te hamerina ny fotoana ka tsy hahafantarany izany lazain’i Lisy izany, te hamafa tsotra izao izany rehetra izany. Toy ny fitadidiany voafafa tsy hainy hoe nankaiza tsy dia noraharahiany loatra intsony. Tiany hanara-dia an’izay ny zava-drehetra. Ho foana tsisy fanazavana. Afa-tsy i Lisy. I Lisy tsy tiany hohadinoina na rahoviana. Tsy tiany ho voafafa tao an-tsainy, tsy tiany hiala tao am-pony. Ity Madagasikara iray ity koa. Madagasikara tsy any amin’ny hoavy fa Madagasikara hafa mihitsy.
Tsy tiany hohadinoina mandrakizay doria amena. Nanisy maso ilay dobofilomanosana teo akaikiny teo izy. Manga, mangina, tony, nahitana ramatoa vazaha nilomano tsy nanatsobo-doha tao an-drano na ny indray mandeha aza fa nivoaka ny rano hatrany tsy lena na ny kely aza. Dia tamin’izay fotoana izay indrindra no nitsoraka Ilaijao. Nitsambikina tany amin’i Lisy sy Rabe. Dia nisy zavatra nipoaka tsy hain-dRabe loatra hoe avy aiza nankarenina ny sofiny, nahajambena ny masony. Ditsoka ny tany tontolo. Setroka sisa no tazany.
Dia tsy tazany intsony ny lohan’ilay ramatoa nilomano fa tao anaty rano tao. Tsy nitraka intsony. Tsy nihetsika intsony izy. Toy ny mason’Ilaijao nidiridiry. Efa tsy nisy aina intsony.
